Alahady 14 febroary 2016
Alahady Voalohany amin’ny Karemy (Taona D)
« Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’Andriamanitra »
(Lk. 4: 4)
Ny Alahady Voalohany amin’ny Karemy no ankalazaintsika androany. Fotoan-dehibe ho antsika tokoa ny vanin’andron’ny Karemy satria manampy antsika handini-tena bebe kokoa amin’ny maha Kristianina mapanara-dia an’i Jesoa antsika. Efa hatramin’ny Alarobia lasa teo moa no nanombohantsika ny Karemy ka mandritra ny efapolo andro dia manasa antsika ny Fiangonana mba hiaina sy hanamafy hatrany ny finoantsika amin’ny alalan’ny fivavahana sy famolahan-tena ary fanaovana asa fiantrana. Matetika raha vao Karemy no resahina dia ny fifadian-kanina no tonga ao an-tsain’ny maro voalohany indrindra. Tena marina ary tsy azo lavina izany saingy aoka ho fantantsika fa tsy ny fifadian-kanina ihany no anasan’i Jesoa antsika hanaovana ezaka amin’izao Karemy izao fa ny lafim-piaina rehetra mihitsy. Izany hoe, ny Karemy dia tsy voafetra sy tsy voafaritry ny fifadian-kanina fotsiny ihany fa tena mahakasika ny fiainana maha Kristianina antsika mihitsy. Ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany no hanampy antsika hahazo tsara izany.
Ambaran’ity Evanjely ity ary fa « tamin’izany andro izany i Jesoa dia feno ny Fanahy Masina ary niverina avy tany Jordany ka nentin’ny Fanahy tany an’efitra efapolo andro, sady nalain’ny demony fanahy Izy, no tsy nihinana na inona na inona nandritra izany andro izany ; ka noana nony tapitra izany. Dia hoy ny demony taminy : Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, asaovy tonga mofo io vato io. Fa hoy i Jesoa taminy : Efa voasoratra hoe : Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’Andriamanitra » (Lk. 4: 1 – 4). Ity fotoana tsy nihinan’i Jesoa na inona na inona ity no arahintsika ihany koa ka mahatonga antsika hifady hanina mandritra izao efapolo andro ankalazana ny Karemy izao. Hitantsika ny nahazo an’i Jesoa fa rehefa nahita azy noana ny demony dia tonga naka fanahy azy ary niteny taminy mba hanova ny vato ho tonga mofo. Manoloana an’izany anefa dia nanan-kery tanteraka izy ary tsy voatariky ny fankam-panahy nataon’ny demony.
Mila mitandrina ihany koa isika rehefa mifady hanina satria raha i Jesoa izay Zanak’Andriamanitra aza sahin’ny demony alaina fanahy rehefa noana, maika moa fa isika olom-belona nofo sy ra sady osa sy malemy, raha tsy manana fahavononana tanteraka isika dia tsy ho sarotra ho an’ny demony ny haka fanahy antsika. Zava-misy tsy azo lavina fa indraindray tokoa dia arakaraky ny anaovana ezaka amin’ny fifadian-kanina no vao maika mampitombo ny fankam-panahy ary misy olona tena manao fanahy iniana mihitsy maka fanahy antsika raha toa ka tena ao amintsika tokoa ny fahavononana hifady hanina, indrindra ny resaka fifadian-kena. Izao anefa, efa voalazan’i Jesoa fa « tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’Andriamanitra ». Noho izany dia tsy ny fifadian-kanina no tokony hamaritana fa manao Karemy ny olona iray na tsy manao izany. Ny teny rehetra avy amin’Andriamanitra no iveloman’ny olona ka raha tena tiantsika ny hampiseho fa manao Karemy marina isika dia ny fivelomana ny Tenin’Andriamanitra aloha no tokony hatao zava-dehibe.
Vakiteny I : Det. 26: 4 – 10
Tononkira : Sal. 91: 1 – 2, 10 – 11, 12 – 13, 14 – 15
Vakiteny II : Rom. 10: 8 – 13
Evanjely : Lk. 4: 1 – 13
Inona tokoa moa no soa ho azontsika na dia hifady hanina mandritra ny taona aza anefa ny fiainam-panahy tsy mandeha araka ny tokony ho izy? Anisan’izany ny fahazotoana mivavaka, indrindra ny fivavahana Alahady sy famonjena Lamesa ary fandraisana ireo Sakramenta isan-karazany omen’ny Fiangonana antsika. Ataoko fa raha izany no zava-misy dia isika no voa mafy indrindra satria ny haninana tsy nohanina nefa ny fahasoavan’Andriamanitra tsy azo. Noho izany dia mila mifanaraka amin’ny fiainam-panahy mandrakariva ny fihetsika ivelany ataontsika ary izany indrindra no amporisihan’i Jesoa antsika hivelona sy hiaina ny teny rehetra avy amin’Andriamanitra. Tsara ampahatsiahivina antsika hatrany fa ny tena dikan’ny fifadian-kanina ataontsika dia ny mba hahafahantsika mizara sy manome sakafo ireo tsy manan-kohanina fa tsy hoe fanaovana tahiry sy fitsinjovana ny mety ho fahasahirana.
Aoka ary hotsaroantsika mandrakariva fa ny fivavahana, ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra sy fiveloma azy ary ny fandraisana ny Sakramenta, indrindra ny Sakramentan’ny Fampihavanana, no tena zava-dehibe amin’izao Karemy izao. Fanampin’izany ny fifadian-kanina izay atao indrindra mba hamolahan-tena sy hifampizarana amin’ny tsy manana. Izay maha zava-dehibe ny fivavahana amin’Andriamanitra irery ihany izay no voalazan’ny Evanjely androany mahakasika ny fankam-panahy faharoa nahazo an’i Jesoa satria « dia nentin’ny demony niakatra tany amin’ny tendrombohitra avo anankiray izy, ka nanehoany indray mipy maso ny fanjakana rehetra ami’izao tontolo izao, ary hoy izy taminy : Homeko anao avokoa izao fanapahana rehetra izao sy ny voninahiny, satria nomena ahy ka mba omeko izay tiako kosa. Koa izao àry : raha mitsaoka ahy hianao, dia ho anao avokoa izy. Fa izao no navalin’i Jesoa azy : Efa voasoratra hoe : Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao, ary izy irery ihany no hotompoinao » (Lk. 4: 5 – 8).
Eto dia ny resaka fahefana sy voninahitra no tena tian’ny Evanjely hasongadina. Ny fanetren-tena tao amin’i Jesoa sy ny fiombonany tanteraka amin’Andriamanitra Ray no nahatonga azy tsy nitsoka ny demony. Anisan’ny fankam-panahy tsy maintsy toherintsika amin’izao Karemy izao noho izany ny fanararaotam-pahefana sy ny fizahozahoana ary ny fitiavam-boninahitra. Toetran’ny demony ny mila tsaohina vao manaome zavatra, jereo ange ny voalazany e ! « Raha mitsaoka ahy hianao, dia ho anao avokoa » izao fanapahana rehetra izao sy ny voninahiny. Ohatra ho antsika tompon’andraikitra isan’ambaratongany na ara-pivavahana izany na eo amin’ny fiarahamonina ity nataon’i Jesoa tsy nanaiky hitsaoka ny demony ity. Mety isika mihitsy no miandry ny olona hitsaoka na tena manao izay hitsaon’ny olona antsika mihitsy, koa amin’izao fotoan’ny Karemy izao dia zava-dehibe tokoa ny fandinihan-tena ka raha sendra misy izay toetra miavonavona, manambony tena, mila dera sy voninahitra izay dia fotoana hiovana izao fa tena toetran-demony ny mila tsaohina sy mila dera, fa ny toetra atoron’i Jesoa kosa dia ny fanetren-tena ary fivavahana amin’Andriamanitra satria izy irery ihany no tsy maintsy tompoina araka ny voalazan’ity Evanjely ity.
Farany dia nentin’ny demony tany Jerosalema indray i Jesoa, « ka napetrany teo an-tampon’ny tempoly, ary nilazany hoe : Raha Zanak’Andriamanitra hianao, mianjerà any ambany any ; fa efa voasoratra hoe : Nomeny didy hiambina anao ny anjeliny, ary hitondra anao eo an-tànany izy ireo fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao. Fa namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Efa voasoratra hoe : Tsy haka fanahy ny Tompo Andriamanitrao hianao » (Lk. 4: 9 – 12). Tsy kely lalana tokoa ny demony fa hainy foana ny mitady fomba hankana fanahy. Eto izao dia ny Soratra Masina indray no nentiny namandrihana an’i Jesoa ka izany no nilazany hoe « Tsy haka fanahy ny Tompo Andriamanitrao hianao ». Mazava ho azy fa na ny demony aza dia mahalala ihany koa ny voalazan’ny Soratra Masina koa mila mitandrina isika amin’ny olona manome fampianarana diso na mampiasa ny Soratra Masina handresen-dahatra mba hitadiavana tombontsoa ho azy manokana tahaka ny nataon’ny demony tamin’i Jesoa.
Enga anie izao fankalazana ny Karemy izao hanampy antsika handinika bebe kokoa ny Soratra Masina mba hahafahantsika tena mivelona tanteraka ny teny rehetra avy amin’Andriamanitra araka ny nambaran’i Jesoa fa tsy hampiasa izany kosa hamitahana na hanambakana ny hafa satria araka ny voalazan’i Md Paoly amin’ny Vakiteny faharoa dia « hoy ny voalazan’ny Soratra Masina : Eo akaikinao ny Teniny fa eo am-bavanao sy ao am-ponao, dia ny teny finoana izay torînay. Ka raha manaiky amin’ny vavanao ianao fa i Jesoa no Tompo, sy mino amin’ny fonao fa Andriamanitra nanangana Azy ho velona, dia ho voavonjy ianao. Satria ny finoana amin’ny fo no ahazoana fahamarinana ; ary ny fanekena amin’ny vava no ahazoana famonjena, araka ny tenin’ny Soratra Masina hoe : Izay mino Azy tsy mba ho menatra. Tsy misy hafa na Jody na Jentily ; satria ny Tompo iray no iombonan’izy rehetra, manan-karena ho an’izay rehetra miantso Azy ; fa izay rehetra hiantso ny Anaran’ny Tompo no hovonjena » (Rom. 10: 8 – 13).
P. Louis Martin
Assomptionniste