Alahady tsotra faha 32 mandavan-taona - Taona D
“Tsy mba Andriamanitrin’ny maty Izy fa Andriamanitrin’ny velona” (Lk 20, 27-38)
Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.
“Maty ny ona fa tsa ri-pàtra; velogna fa tsa egny aby” hoy ny ohabolana Betsileo amin’iny faritra Amoron’ny Mania iny. Raha adika dia hoe maty ny olona fa tsy mety ho ritra ary mbola misy hatrany; velona fa saingy tsy eny daholo. Ny tiana holazaina dia fehin-kevitra anakiroa mifanjohy: làlana tsy maintsy ho diavina ny fahafatesana ary raha mbola miankandrefam-baravarana dia tsy maintsy handalo amin’izany avokoa. Fa etsy andanin’izany anefa, na mandao antsika azy ireo havana nodimandry dia velona na tsy iray fonenana sy iray firiariavana amintsika intsony aza; izany hoe: velona izy ireo fa amin’ny endriny hafa tsy toy ny antsika ara-nofo. Làlina ny fahendren’ny razantsika.
Vao avy nankalaza ny fetin’ny olomasina mpiaro antsika isika tamin’ny talata lasa teo ary nahatsiaro ireo havana efa nodimandry kosa ny alarobia. Mazava hoazy fa arakarakin’ny Finoana sy ny finoana no mahazava-dehibe ireo andro ireo ho an’ny tsirairay. Ho antsika kristianina dia mazava ny resaka: tsy fara-dia ny fahafatesana fa tetezana iampitana ho amin’ny fahavelomana mandrakizay. Ny fahafatesana akory tsy faran’ny fisiana fa lalantsara iampitana mankany amin’ilay efitra misy ny fiainana mandrakizay.
Fa lasa ihany anefa ny saiko ary manontany tena aho hoe mba manao akory ary izany fiainana any an-koatra any izany? Mba milay ve sa mbola hisy sakoroka sy gidraka hoatrin’izao iainako eto izao? Dia iza sy iza no ho hitako any? Dia i Rakrisy ve ho vadin’ny Randria sa ho vadin’ny Ralaza ilay vadiny voalohany? Ny vatako amin’zao fahatanorako izao ve no hiriariavako rehefa tonga any aho sa ny vatako fony aho mbola zaza? Mba misy fesiboky sy aterineto ve any? Izany no ampahany amin’ny fanontanina tsy tambo isaina mibosesika ao an-tsaiko ao rehefa mandinika an’ity resaka fitsanganan-ko velona ity aho.
Valiteny roa no omen’i Kristy ahy haha-afa-diana ny saiko be ahiahy. Any amin’ny fitsanganan-ko velona dia tsy misy ampakarina sy mpampiakatra fa ho tahaka ny anjely ny rehetra ary Andriamanitra dia Andriamanitrin’ny velona fa tsy an’ny maty. Ny tiany ho tenenina amin’ilay hoe tsy misy mpampiakatra sy ampiakarina dia tsy inona akory fa filazany fa mitovy isika eo anatrehan’Andriamanitra rehefa injay any amin’ny fiainana mandrakizay; mitovy isika eo anatrehan’Andriamanitra amin’izay andro izay ka tsy ny maha-zanaka sy maha-ray amandreny intsony no ho lafi-pitondrana. Any, tsy ny maha nenitoa na maha dadatoa anao intsony no zava-dehibe, satria mitovy isika eo anatrehan’ny Tompo. Eto an-tany ianao no zanak’anabaviko fa rehefa any dia mitovy isika satria lasitra iray eo anatrehan’ny Tompo. Amin’izany andro izany dia samy ho zanak’Andriamanitra ny rehetra; ary indrindra indrindra, feno tanteraka ny hasambarana satria efa eo akaikin’Andriamanitra dia tsy hikatsaka zava-kafa hahasambatra intsony isika, toy ny fananana olon-tiana sy andefimandry, rahalahy sy iray tam-po. Ampy ahy any ny Fitiavan’Andriamanitra ka tsy hiandrandra fitia hafa intsony aho any. Andriamanitrin’ny velona ny Andriamanitsika satria ny fahafatesana dia lalatsara iampitana ihany hoy aho tery am-piandohana. Inona no haha-Andriamanitra Azy raha hanjaka amin’ny maty Izy? Ny iriny dia ny hanantsika rehetra ny fahavelomana mandrakizay. Ary tsy misy tiany ho very sy tsy hahazo anjara amin’izany fitsanganan-ko velona izany isika rehetra. Izany no nanomezany ny Zanany lahitokana, maty fa nitsangan-ko velona, ho lafika sy antoka ho antsika handray anjara amin’izany fahasambarana mandrakizay izany. Noho i Kristy nitsangan-ko velona dia mibanaka ho antsika rehetra ihany koa ny fiainana mandrakizay; fa hamafiso ny Finoana.
Mirary alahady finaritra.
Mompera Nary