Tonga hanipy afo ety ambonin’ny tany Aho

(Lk 12, 49-53)

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

 

Manalasala tahaka ny katsaka, atao ho vavy toa misy volom-bava, atao ho lahy toa mibaby io tenin’ny Tompo hoe “hanipy afo” io. Raha tsy mamakafaka tsara ary mandalina akaiky ny tiany ho lazaina dia hilaza avy hatrany fa “mitapy sy mivika” Izy. Satria, toa mahavariana ihany izany hoe hanipy afo ety an-tany izany, ny eto aza efa “mahamay be”. Tsy omen-tsiny, tsy omem-pondro izay soloaka amin’izay fandinika izay; fa toroana sy ahitsy kosa anefa hamakafaka ny tiany ho lazaina amiko sy aminao.

Efa nambarako tamin’ny heriny fa efa hoavy ny Tompo; ary efa akaiky ny fiaviany. Tsy maintsy hoavy izy na tiako na tsy tiako, na tianao na tsy tianao. Io fiaviany io dia ho toy ny “afo”; na tiako na tsy tiako dia hamaivay ny fahatongavany. Ho tantiko ve, ho tantinao ve izany afo izany? Afo kitay sa afo charbon sa entona voajanahary?

Tsy afo amin’ilay maha afo azy ampiasaintsika andavandro hanamasahana nahandro no tian’i Jesoa hambara amintsika. I Jesoa moa rehefa miteny dia mampiasa ohatra mandrakariva. Ka ny afo tiany hotenenina dia tsy inona akory fa ny herim-pitsarana handiovany sy hanavahany ny ratsy sy ny tsara amin’ny hiaviany. Ny afo no fandiovana sy fanavahana tsara indrindra; jereo ohatra ny mpanefy volamena fa mampiasa afo mahery vaika rehefa handio ny volamena ho tefeny. Manjohy izany fomba fisainana amin’ny fandiovana sy fanavahana izany i Jesoa no miteny amiko ihany koa fa hanipy afo Izy; hanipy afo aminao. Izany hoe: handio ahy Izy, handio anao amin’ny alalan’ny afo mba hahamendrika ahy sy ianao handova ny lanitra fonenan’ny olomarina. Ny lanitra no anjara lovatsika; saingy tsy maintsy madio sy voasaraka amin’ny loto-panahy rehetra vao mahazo miditra any.

Mifono hevi-dalina ara-pinoana sy foto-kevitra io teny hoe “afo” io. Ny afo tian’i Jesoa holazaina eto dia ny “Finoana”. Tonga handrehitra finoana ety an-tany Izy; dia io Finoana io no handio ny tsirairay amintsika ka hitsarana antsika na mendrika na tsy mendrika ny lanitra fonenan’ny Olomarina. Tsy ny vola aman-karena, tsy ny maha relijiozy na ny maha pretra anao, tsy ny maha bogosy na tsia anao, tsy ny tanimbary na ny volabenao, tsy ny maha zoky na maha zandry anao, tsy ny fanaovanao an’izatsy na izaroa,…tsy izany rehetra izany no afo hitsarana ahy sy ianao fa ny Finoana; izay ihany. Ny ankoatr’izay toraka bilao. Ny Finoana no Afo handiovana antsika ho mendrika hihaona amin’Ilay Mpahary antsika indray andro any. Aza hadino fa arakarakin’ny maha mivaivay ny afo no maha madio kokoa ny volamena diovina aminy; dia toy izany koa, arakarakin’ny mampivaivay ny finoanao no antoka azo ilazana fa madio eo anatrehan’ny Tompo ianao.

Rehefa diovina dia sarahana amin’izay mety ho fahalotoana. Izany no ilazan’i Jesoa hoe “Moa ataonareo fa tonga hitondra fihavanana ety an-tany Aho? Tsia, hoy izaho aminareo, fa fampisarahana aza” (Lk 12, 51). Ny fihavanana tiany holazaina eto dia izay rehetra mamatopatotra ahy tsy hiditra amin’ny Fanjakan’ny Lanitra. Ny fanirian’i Jesoa, ary izay no iraka ataony dia ny hahatonga ahy sy ianao ho afaka amin’ny fatoram-pihavanana amin’ny fahotana sy fahalotoana mangeja ahy sy ianao tsy ho afaka. Ny afo handiovany antsika dia handoro izay rehetra mety ho sakana ka mamehy antsika tsy ho afaka hiditra amin’ny varavaran’ny lanitra. Hampisaraka antsika amin’zay mamatotra ny Tompo; izany no iriny ho ahy sy ho anao. Areheto ary ny Finoanao; aza miandry rahampitso fa androany.

Mirary alahady finaritra.

 

Mompera Nary

 

Hevitra mandeha

elisoajulie ( 18/08/2016 10:11)
Salama daholo,

Misaotra indrindra fa tsara be ny fampianarana, manantena indray ny ahita ny famelabelarana ny fotokevitra tamin'ny Alahady 14/08/16 lasa teo.

"Tolona ambony vatolampy ny fiainana, izay manao tà tsy vinitra no vaky loha"
ahitsio azafady raha misy diso ny fanoratro azy

Misoatra indrindra,
mbolaniaina.nary ( 20/08/2016 09:33)

elisoajulie:

Salama daholo,

Misaotra indrindra fa tsara be ny fampianarana, manantena indray ny ahita ny famelabelarana ny fotokevitra tamin'ny Alahady 14/08/16 lasa teo.

"Tolona ambony vatolampy ny fiainana, izay manao tà tsy vinitra no vaky loha"
ahitsio azafady raha misy diso ny fanoratro azy

Misoatra indrindra,

salama elisoajulie,
azonao jerena ao amin'ny "tahiry"- "matoan-dahatsoratra" ny famelabelarana fotokevitra rehetra efa teto
mirary soa

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0955