Raiso ny Fanahy Masina: ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela

Alahady 03 aprily 2016

Alahady faharoan’ny Paka (Taona D)

 


 

« Raiso ny Fanahy Masina: ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana » (Jo. 20 : 23)

 

Henontsika tamin’ny Alahady heriny ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Piera izay nanambara mazava tsara fa tsy tantara noforonina ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty fa tena zava-nisy marina ary tsy izy irery ihany no vavolombelon’izany fa ireo mpianatra rehetra dia nambarany fa nahita azy satria niara-nihinana sy nisotro taminy rehefa tafatsangana tamin’ny maty izy. Mbola izay fisehoan’i Jesoa tafatsangan-ko velona izay no ambaran’ny Evanjely amin’izao Alahady faharoan’ny Paka izao satria voalaza mazava tsara fa « ny harivan’ilay andro voalohan’ny herinandro, raha nirindrina ny varavaran’ny trano nivorian’ny mpianatra noho ny fahatahorany ny Jody, dia tonga i Jesoa ka nitsangana teo afovoany, sy nilaza tamin’izy ireo hoe ; Ho aminareo anie ny fiadanana ! Nony efa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ireo ny Tanany sy ny Tratrany, ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo. Dia hoy indray Izy tamin’izy ireo : Ho aminareo anie ny fiadanana ! Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa. Rehefa nilaza izany Izy, dia nitsoka ka nanao tamin’izy ireo hoe : Raiso ny Fanahy Masina: ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana » (Jo. 20 : 19 – 23).

Ambaran’ity Evanjely ity fa ny harivan’ilay andro voalohan’ny herinandro no nisehoan’i Jesoa tamin’ny mpianatra. Voaporofo mazava tsara eto izany fa tamin’io andro voalohan’ny herinandro io no nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty, izany hoe ny andro Alahady. Tsy iza fa i Md Joany, anisan’ny mpiantry Jesoa no nanoratra ity Evanjely ity ka azo antoka ny fahamarinan’ny zavatra ambarany satria izy dia anisan’ireo nahita maso mivantana izany fisehoan’i Jesoa izany. Efa nambaran’ny Evanjely tamin’ny alahady heriny rahateo fa ny marainan’ny andro voalohan’ny herinandro izy dia efa nahita ny fasana foana ka nilaza fa « niditra koa ilay mpianatra izay tonga taloha teo amin’ny fasana, ary nahita ka nino » (Jo. 20 : 8). Manamafy izany finoana nanan’i Joany izany ny filazany amin’ny famaranana ity Evanjely androany ity manao hoe : « maro koa ny fahagagana hafa nataon’i Jesoa teo imason’ny mpianany no tsy voasoratra amin’ity boky ity. Fa voasoratra ireto mba hinoanareo fa Jesoa no Kristy Zanak’Andriamanitra, ary mba hahazoanareo ny fiainana amin’ny anarany, amin’ny finoana azy » (Jo. 20 : 30 – 31).

Marina tokoa fa raha tsy manam-pinoana isika dia tsy afaka hiaky fa tena nitsangan-ko velona tokoa i Jesoa. Ny fandraisantsika amim-pinoana izay voalazan’i Md Joany amin’ny Evanjely nosoratany dia manamafy fa tsy zava-poana ny finoantsika ary tena marina tsy azo lavina ny fitsanganan’i Jesoa ho velona ka tsy misy tokony hampisalasala antsika akory hanambara amin’ny olona rehetra ny fonoantsika an’i Jesoa velona mandrakizay. Marina fa raha amin’ny fisainana maha olombelona fotsiny no ianteherena dia sarotra ny hiaky fa tena nitsangana tamin’ny maty tokoa i Jesoa. Na ny mpianatra niara-niaina taminy aza dia mbola nisalasala teo ampahitana azy niseho tamin’izy ireo. Porofon’izany ny ambaran’ity Evanjely androany ity mahakasika ny tsy finoan’i Tomà izay tsy tafaraka tamin’ny mpianatra hafa tamin’io harivan’ny andro voalohan’ny herinandro nisehoan’i Jesoa io. « Fa i Tômà ilay atao hoe Didimo, anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy kosa, tsy mba tao amin’izy ireo tamin’ny nahatongavan’i Jesoa. Ka hoy ireto mpianatra sasany taminy : Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy izy tamin’ireo : Raha tsy hitako ao amin’ny tanany ny loaky ny fantsika ka atsofoko eo amin’ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako ary atehiko amin’ny tratrany ny tanako dia tsy hino aho » (Jo. 20 : 24 – 25).

Tsy zava-baovao fa toetra fahita amin’ny fiainantsika andavan’andro ary mpahazo antsika olombelona matetika io toetra nanan’i Tomà io, matetika isika no azon’ny fakam-panahy tsy hino izay ambara amintsika raha tsy mahita porofo. Tsy afenina fa maro ny mpamitaka sy mpisandoka ary miteniteny foana ka raha tsy mandinika lalina tokoa dia tena mety ho voafitaka, saingy ny amin’ny fitsanganan’i Jesoa ho velona dia tena zava-marina ary tsy azo lavina ka tsy misy tokony hisalasalana kely akory. Mazava ho azy fa i Jesoa mihitsy no manambara ny tenany sy miseho mivantana fa taorian’ny fitsangany ho velona mba hanalana izay ahiahy sy tsy finoana izay. Amin’ny maha Andriamanitra azy rahateo dia mahalala ny zava-miafina rehetra izy ka rehefa misy ny fisalasalana dia izy tenany mihitsy no miseho mivantana. Izany no nataony tamin’i Tomà araka ny voalazan’ity Evanjely androany ity manao hoe : « nony afaka havaloana, raha mbola nivory tao an-trano ihany ny mpianany sady teo koa i Tômà, dia tonga i Jesoa, nefa nirindrina ny varavarana. Nitsangana teo afovoany Izy ka nanao hoe : Ho aminareo anie ny fiadanana ! Ary hoy Izy tamin’i Tômà : Ataovy eto ny rantsan-tananao, ka zahao ny tanako, ary arosoy ny tananao, ka atehefo eto amin’ny tratrako; dia minoa, fa aza malain-kino. Dia namaly i Tômà ka nanao taminy hoe : Tompoko sy Andriamanitro ! Fa hoy i Jesoa taminy : Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy ; sambatra izay tsy nahita ka nino » (Jo. 20 : 26 – 29).

Tsy ho an’i Tômà irery fa ho antsika rehetra ihany koa no nilazan’i Jesoa fa « sambatra izay tsy nahita ka nino ». Noho izany dia maentana antsika izy androany mba hanamafy hatrany ny finoantsika fa tena velona izy ary miara-monina amintsika mandrakizay. Ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ny mpianatra no nampita amintsika izany finoana izany satria efa nomen’i Jesoa fahefana sy baiko izy ireo tamin’io fotoana nisehoany tamin’izy ireo io. Hoy indrindra i Jesoa tamin’izy ireo hoe : « Ho aminareo anie ny fiadanana ! Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa » (Jo. 20 : 21). Tena notanterahin’ny mpianatra tokoa io hafatra napetrak’i Jesoa io ka rehefa nandray ny Fanahy Masina izy ireo dia tsy nisalasala ary tsy natahotra intsony fa nitory tamin-kasahiana fa tena nitsangana tamin’ny maty tokoa i Jesoa. Porofon’io fahasahian’ny mpianatra nitory ny fitsanganan-ko velona io dia maro ireo nanara-dia azy ireo araka ny voalazan’ny Vakiteny Voalohany androany manao hoe : « Nitombo isa isan’andro vaky ny olona izay nino ny Tompo, na lahy na vavy, ka dia nentiny teny an-dàlambe aza ny marary ka napetrany teo ambony farafara na tsihy fandriana, mba hisy ho azon’ny tandindon’i Piera ahay, raha mandalo izy » (Asa. 5 : 14 – 15).

Ambaran’ity Evanjely androany ity ihany koa fa « rehefa nilaza izany Izy, dia nitsoka ka nanao tamin’izy ireo hoe : Raiso ny Fanahy Masina : ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana » (Jo. 20 : 22 – 23). Tahaka ny isan-taona dia ity Alahady faharoa amin’ny Paka ity no antsoina ihany koa hoe Alahadin’ny Famindram-pon’Andriamanitra. Miavaka izany fankalazana izany amin’ity taona ity satria tsy androany ihany no ankalazantsika amin’ny fomba manetriketrika ny Famindram-pon’Andriamanitra fa mandritra ity taona iray manontolo ity. Efa voalazantsika ombieny ombieny rahateo fa anatin’ny Taonan’ny Famindram-pon’Andriamanitra isika izao ary maro ireo fanentanana ataon’ny Fiangonana ho antsika amin’izao fankalazana manokana izao.

Ny zava-dehibe anasan’ny Fiangonana antsika manokana amin’ity taona ity dia ny fahazotoantsika mandray ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra amin’ny lalan’ny Sakramentan’ny Fampihavanana. Ity Evanjely androany ity no porofo mazava milaza amintsika fa i Jesoa mihitsy no nanome fahefana ny mpianatra hamela fahotana. Io fahefana avy aminy io no ifandovana ato amin’ny Fiangonana ka mahatonga antsika ihany koa hanatona amim-pitokiana ny Sakramentan’ny Fampiahavanana. Noho izany isaky ny mandray io Sakramenta io isika dia tena azo antoka fa voavela tanteraka ny fahotantsika, koa miara-mivavaka isika androany mba tena ho vonona hibebaka marina tokoa ka handray amim-pitokiana ny Famindram-pon’Andriamanitra sy ny famelan-keloka avy aminy ka tsy hisalasala fa hangataka amim-pinoana izany famelan-keloka izany amin’ny alalan’ny fanatonantsika ny Sakramentan’ny Fampihavanana.

 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109