Alahady 21 febroary 2016
Alahady Faharoa amin’ny Karemy (Taona D)
« Raha mbola nivavaka Izy, dia niova toetra ny Tarehiny »
(Lk. 9: 29)
Nambarantsika tamin’ny Alahady heriny fa ny fivavahana sy ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra no tena zava-dehibe indrindra amin’izao Karemy izao. Niarahantsika nadinika ny fiainan’i Jesoa, izay nihataka tany an’efitra nandritra ny efapolo andro mba hivavaka. Ny herim-panahy tao aminy no nahatonga azy handresy ny fandrika rehetra nataon’ny demony izay tonga nakana fanahy azy. Azo lazaina fa noho ny vavaka nataony no nahatonga azy nanana izany herim-panahy izany. Io indrindra no antony amporisihan’ny Fiangonana antsika hazoto mivavaka satria rehefa miankina amin’ny fahasoavan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka isika dia mahazo toky fa handresy ireo fandrika izay mety hataon’ny demony antsika. Mbola mitohy amin’izao Alahady Faharoa amin’ny Karemy izao ny fanomezan’ny Fiangonana antsika ny Evanjely izay miresaka indrindra ny niakaran’i Jesoa tany an-tendrombohitra mba hivavaka. Midika izany fa mbola tian’ny Fiangonana hohamafisina hatrany ny maha zava-dehibe ny fivavahana mandritra izao vanin’andron’ny Karemy izao.
Ambaran’ny Evanjely amin’ity Alahady Faharoa amin’ny Karemy ity fa « tamin’izany andro izany i Jesoa dia nitondra an’i Piera sy i Jakôba ary i Joany ka niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka. Raha mbola nivavaka Izy, dia niova toetra ny Tarehiny sady tonga fotsy manjopiaka ny fitafiany. Ary indro nisy roa lahy niresaka taminy, dia i Môizy sy i Elia, izay niseho tamim-boninahitra sy nilaza ny hahalasanany izay tsy maintsy ho tanteraka any Jerosalema. Navesatry ny tory ny mason’i Piera sy ny namany, nefa nahari-tory ihany izy, dia nahita ny voninahitr’i Jesoa mbamin’izy roa lahy teo aminy » (Lk. 9 : 28b – 32). Mazava ny ambaran’ny Evanjely eto fa « raha mbola nivavaka Izy, dia niova toetra ny Tarehiny sady tonga fotsy manjopiaka ny fitafiany ». Azo lazaina fa tena zava-dehibe teo amin’ny fiainan’i Jesoa io fotoana niovany tarehy io. Tena tao anatin’ny fifandraisana lalina tamin’Andriamanitra Ray izy ka tsy ilay endrika maha olombelona azy intsony no hita fa ilay endrika mamirapiratra mampiseho ny maha Andriamanitra azy.
Vakiteny I : Jen. 15: 5 – 12, 17 – 18
Tononkira : Sal. 27: 1, 7 – 8, 9abc, 13 – 14
Vakiteny II : Fi. 3: 17 – 21, 4: 1
Evanjely : Lk. 9: 28b – 36
Azo ambara ary fa tena manova toetra tokoa ny fivavahana ka izany no anasan’ny Fiangonana antsika amin’izao Alahady Faharoa amin’ny Karemy izao. Tsy i Jesoa ihany fa ho antsika ihany koa dia tena afaka manova toetra ny tarehintsika sy ny fitafiana anaovantsika ny vavaka ataontsika. Ny olona mivavaka sy feno ny fahasoavan’Andriamanitra mazana dia miramiran’endrika sy falifaly lalandava ary toa ilay endrik’Andriamanitra mihitsy no hita soritra eny amin’ny tarehiny. Ny olona tena vonona ny hivavaka sy hihaona amin’Andriamanitra ihany koa dia manao fitafiana madio saingy tsy ireny rendrarendra na fiderana haingo ireny fa sady fitafiana mihaja no mendrika ka ahitana taratra fa tena fivavahana tokoa no foto-dia rehefa mamonjy Lamesa na mivavaka Alahady fa tsy fijejojejoana na fampisehoana lamaody. Noho izany dia manampy antsika handin-tena ity fiovan’i Jesoa tarehy ambaran’ny Evanjely androany ity satria mamporisika antsika hanana toetra mendrika vokatry ny vavaka izay ataontsika. Izany hoe tokony ho hita soritra eny amin’ny endri-tsika ny vokatry ny vavaka ataontsika fa tsy hoe sady milaza fa mazoto mivavaka anefa ny toetra sady sarotiny amin’ny zavatra tsy dia misy dikany loatra no tsy hay ifandraisana fa masiaka sy tsy mijery ny hafa.
Diniho ange ny niainan’i Jesoa e ! Rehefa tao anatin’ny vavaka lalina izy ka niova ny tarehiny dia tonga niresaka taminy i Môizy sy i Elia. Ny vavaka ataontsika noho izany dia tsy tokony hahatonga ny olona hanalavitra antsika fa vao maika aza tokony hanintona ny olona hanatona sy hiresaka amintsika. Izany indrindra no nahatonga ireo mpianatra nanara-dia an’i Jesoa tamin’io fotoana io nanatona azy sy niresaka taminy ihany koa araka ny ambaran’ity Evanjely androany ity manao hoe : « Ary tamin’izy roa lahy nihataka, dia hoy i Piera tamin’i Jesoa : Ry Mpampianatra ô, mahafinaritra ny mitoetra aty, ka andeha hanangana lay telo eto, ny iray ho Anao, ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia; tsy fantany anefa izay nolazainy. Raha mbola niteny izany izy, dia nisy rahona nanarona azy ireo, ka natahotra izy telo lahy tamin’ny nidirany tao anatin’ny rahona. Ary nisy feo avy tao amin’ny rahona nanao hoe : Ity no Zanako malalako, henoy Izy. Ilay niteny iny ny feo, dia i Jesoa irery ihany no hita. Ary nangina ireo mpianany ka tsy nilazalaza na tamin’iza na tamin’iza tamin’izany andro izany izay zavatra hitany teo » (Lk. 9 : 33 – 36).
Mazava ny voalazan’i Piera tamin’i Jesoa satria hoy izy hoe : « Ry Mpampianatra ô, mahafinaritra ny mitoetra aty ». Tena izany tokoa, mahafinaritra ny mitoetra miaraka amin’i Jesoa ary tsy izy irery ihany fa tonga nanotrona azy teo i Môizy sy Elia ka nahatonga an’i Piera hangataka hanangana lay telo ho an’i Jesoa sy ho azy ireo. Amin’izao Karemy izao dia tokony hotsaroantsika mandrakariva ihany koa fa mahafinaritra ny mihaona amin’i Jesoa sy miara-mipetraka aminy. Amin’ny alalan’ny fihavavahana sy fihainoana ny Teniny no ahafahantsika manao izany koa aoka isika samy hiezaka hifandray tsy tapaka aminy. Na teo aza ny fanirian’i Piera hanangana lay ho azy dia tsy tanteraka izany, fa ho antsika kosa dia ny fontsika no lay maharitra sy mitsangana mandrakariva afaka andraisana an’i Jesoa sy itoerany ka rehefa miara-monina amintsika izy, dia tsy izy intsony no miova tarehy fa isika no ovany tarehy satria ilay endrika mamirapiratra nananany no lasa endrika hita soritra amin’ny tarehintsika tsirairay avy. Io endrik’i Jesoa mamirapiratra ao amintsika io no hohitan’ny mpiara-belona amintsika amin’ny alalan’ny fananantsika halemem-panahy vokatry ny fitiavam-bavaka ao anatintsika. Io ihany koa no mitarika antsika hanana fitiavana marina ka hahatonga antsika hanana fo mangoraka, tia namana, manao soa ny hafa, tsy miavonavona ary manetry tena tahaka an’i Piera ka tsy nieritreritra hanangana lay ho azy sy ny mpianatra namany fa nieritreritra hanao izany ho an’i Jesoa sy Moizy ary Elia.
Raha ireo toetra ireo no ao amintsika dia tsy isalasalana fa hanatona hiara-mitoetra sy hiresaka amintsika tokoa ny olona ary hiteny hoe : mahafinaritra ny mitoetra sy miresaka miaraka aminao. Koa amin’izao Alahady Faharoa amin’ny Karemy izao dia mangataka ny fahasoavana avy amin’i Jesoa isika mba hovany ihany koa ny toetrantsika ka ho lasa mahatehotia tahaka ny tarehin’i Jesoa namirapiratra nanintona ny mpianatra. Tsy ho afaka ny hanao izany ho antsika anefa izy raha tsy ao amintsika ny fahavononana tanteraka hibebaka ka hangatam-pamelana aminy amin’ireo fahotana vitantsika izay manaratsy endrika ka mahatonga antsika hanalavitra azy sy ny mpiara-monina amintsika satria araka ny famaritan’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika : « ny fahotana dia fahadisoana manohitra ny saina, ny marina, ny kônsiansy mahitsy ; tsy fahampian’ny tena fitiavana tokoa an’Andriamanitra sy ny namana izany, noho ny firaiketam-po ratsy amin’ny fananana sasany. Mandratra ny toetra maha-olombelona ny fahotana ary manimba ny firaisan-kinan’ny olombelona. Nofaritana hoe : teny, asa na faniriana manohitra ny lalàna mandrakizay ny fahotana » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 1849).
Enga anie izao fankalazantsika ny Karemy izao mba hanampy antsika hanana endrika sy fo vaovao ka hamirapitratra tahaka ny tarehin’i Jesoa ny toetrantsika ary ho fotsy manjopiaka tahaka ny fitafiany ny fontsika mba ho vonona handray azy amim-boninahitra rehefa tonga ny fotona hankalazantsika ny Paka izay santatry ny fitsanganan-kovelona iandrasany antsika rehefa ho tonga ny fotoana hialantsika amin’ity tany fandalovana ity satria araka ny voalazan’i Md Paoly ao amin’ny Vakiteny Faharoa androany dia : « any an-danitra no fanjakantsika, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia i Jesoa Kristy Tompo, izay hanova ity vatantsika tsinontsinona ity, ka hampitovy endrika azy amin’ny Vatany be voninahitra, araka ny herin’ny fahefana nampanekeny azy ny zavatra rehetra. Koa amin’izany, ry kristianina havana mamiko indrindra, fifaliako aman-tsatro-boninahitro, mahareta tsara ao amin’ny Tompo, araka izany ».
P. Louis Martin
Assomptionniste