Ny soa atao levenam-bola

Alahady faha 26 tsotra mandavantaona - Taona D

“Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny harena ianareo” Raha nandray ny fampianaran’i Jesoa tamin’ny alahady heriny isika dia ho nandini-tena tokoa hoe : hatraiza no hiraiketan’ny olona amin’ny haren’ny tany! Firifiry ny ady sy fifanolanana ateraky ny harena mandalo! Dia hoy i Md Paoly manoratra ho an’i Timote : “Izay te hanan-karena dia tafalatsaka amin’ny fakam-panahy,[…] satria ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra” (I Tim 6, 9-10). [1]

Tsy midika anefa izany fa atao tsinontsinona ny fivoaran’ny maha-olona [2] izay tsy afaka ny tsy hampiasa ny vola aman-karena. Ny tian’i Jesoa hasiana tsindrim-peo dia ny hizorantsika araka ny fahamarinana. [3] Tsy zavatra mandeha ho azy anefa izany. Ny fananarana ataon’i Amosy mpaminany (Vak.I), momba ny tsy fahamarinana misy eo amin’ny fiaraha-monina dia mbola misy eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika : ny omby mahia tsy lelafin’ny namany! Eny fa na dia Andriamanitra mitandro ny rariny, manome rariny ny ampahoriana, manome sakafo ny noana sy mamaha ny mpifatotra aza ny Andriamanitsika! (Salamo 145 setriny)

Mbola misy mpanakarena sy Lazara (Evanjely) eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika. Fa nahoana moa no io fanoharana io no nofidian’i Jesoa hilazany ny fomba hihainan’ny Farisiana fatra-pitia vola ny Lalàna (and. 14)? Satria nambarany mazava fa ny Didim-pitiavana no mamintina ny Lalàna sy ny Mpaminay (Lk, 10, 25-28). Ny fahasahiranana mety hateraky ny asa aman’andraikitra tsy hahasakana ny asa fanasoavana.[4] Mahatsapa ny fahasarotan’ny fibebahana avokoa isika, samy te hanapa-kevitra nefa mahatsiaro tena fa voafatotra, tsy afa-manoatra, ka miandrandra fahagagana mba hiovana. Dia mova tsy ilay lazain’i Jesoa momba ilay Mpanankarena niangavy mba hisehoan’i Lazara amin’ny rahalahiny! “Raha tsy mino an’i Moizy sy ny Mpaminany izy ireo, tsy hino na dia misy mitsangana avy amin’ny maty aza”. Dia hiandry inona isika vao hibebaka?

Izay no antony nanafaran’i Paoly antsika ny zavatra tokony hotandremana : “hikatsaka fahamarinana, fahazotoa-mivavaka, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy” (Vak. II). Izany no ady tsaran’ny Finoana. Ady satria misy tolona tsy maintsy ataontsika, misy anjara miandry antsika : ny fandinihina ny ohatra navelan’i Kristy, mba hanahafantsika Azy, araka ny fahamarinany. Izay no maha-Kristianina antsika, ary manampy antsika hamolavola ny fo amam-panahy hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, ilay Andriamanitra tsy sasatra ny manao soa (Salamo 146), maneho ny heriny amin’ny famelan-keloka sy ny famindram-po (Vavaka fangatahana), ka miantso antsika hanao toy ny ataony. Tsarovy mandrakariva fa “ny fitiavana no hitsarana antsika” (Mt, 25, 31-46).

Ezaka isan’andro ny hahita ny endrik’i Kristy ao amin’ny mahantra sy ny fadiranovana, ao amin’ny marary sy ny voafonja. Aza mangatak’andro ary dieny mbola manana fotoana hihainoana an’i Moizy sy ny mpaminany.

 

[1] Mialoha ny vakiteny faharoa (ITim 6, 11-16) io

[2] I Paoly tamin’ny heriny (1 Tim 2, 1-8) nilaza ireo zavatra efatra ilana vavaka mba ho lavorary ny fiaraha-monina : ny fiadanana sy ny fandriampahalemana etsy an-daniny, ny fahafahana sy ny fivoaran’ny isam-batan’olona etsy an-kilany (and. 2)

[3] Raha azonao atao ny mijery ny Boky nosoratan’’ny Papa, Jesus von Nazareth, ao amin’ny toko faha-efatra, momba ny hasambarana, (Edizione italiana pejy.113-114) milaza fa ny “fahamarinana”, araka ny Testamenta Taloha, dia ny fifikirana amin’ny Lalàna (Torah), fiainana araka ny Tenin’Andriamanitra, araka ny hampahatsiahivan’ny Mpaminany azy mandrakariva, dia jereo Lk 16,16.31; ao amin’ny Testamenta vaovao kosa, dia ny Finoana an’i Kristy izay tsy fifanoherana fa fandavorariana ny Lalàna = fahamarinan'i Kristy

[4] Jereo Ilay Samaritanina Tsara fanahy (Lk 10, 25-37) Evanjely amin’ny alahady faha-15 D mandavantaona.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0868