Ny olona manam-pinoana tsy miandry valisoa eo no ho eo

Alahady tsotra faha 27 mandavan-taona, taona D

Na hitsangana aza ny maty, raha tsy mihaino an’i Moizy sy ny Mpaminany izy ireo, tsy hino. Izay no valin-tenin’i Abrahama tamin’ilay mpanan-karena nitalaho fahagagana mba hibebahan’ny rahalahiny, henontsika tamin’ny Evanjely tamin’ny heriny. Tsy ny fahagagana manko no miteraka finoana, fa ny finoana no hahavitana fahagagaga.

Ny fihainoana an’i Moizy sy ny Mpaminany, izany hoe . ny fihainoana ny Lalàna (Torah) sy ny fanatanterahana azy [1] no miteraka ny Finoana. Ambaran’i Paoly amin’i Timote (“ 2Tim 1, 6-14 = Vak II) fa fanomezana avy amin’ny Fanahy izany, dia ilay Fanahy mahery, be fitiavana ary mahonon-tena, satria manampy antsika hiantehatra mandrakariva amin’ny herin’Andriamanitra, ka haharitra amin’ny fiantsoana niantsoana antsika : ny “ho masina tahaka ny Raintsika izay Lavorary” (Mt 5, 48).

Tsy moramora anefa ny mitahiry izany fitokisana izany, indrindra rehefa sendra ny fahasahiranana sy tojo ny mangidy. Tsy Habakoka [2] irery no nitaraina tamin’ny Tompo hoe . “Mandrapahoviana no hiantso Anao aho, nefa tsy mihaino ahy ihany ianao…mitaraina aminao aho nefa tsy vonjenao!” Fiainantsika isan’andro io. Ny Papa ao amin’ny Taratasy Ansiklikany [3] milaza fa mety hitaraina toa an’i Joba isika… mety hikiakiaka toa an’i Kristy teo ambony Hazofijaliana, nefa tsy izay akory no tokony ho farateny! Jereo fa avy namaky ny fitaraina’i Habakoka isika tao amin’ny vakiteny voalohany dia niantsa ny hatsaram-pon’Andriamanitra tamin’ny Salamo fandinihana (Sal 94). Izany koa no nataon’i Kristy ho ohatra ho antsika, na mafy aza ny nanjò, tsy takatry ny saina ny tsiambaratelon’ilay Ray namela hijaly, hanohy hoe : “Eo am-pelatananao no ametrahako ny fanahiko (Lk 23, 46)”.

Iverenantsika ny Evanjely, ny fangatahan’ny Mpianatra mba hampitomboan’i Jesoa ny Finoan’izy ireo toa tsy novaliany akory [4], tsarovy ny teny nolazainy tamin’ny Mpianatra raha tsy naharoaka ny demony izy ireo (Mt 17, 16ss[5] : “io karazany io tsy azo roahina raha tsy amin’ny alalan’ny Fivavahana sy ny Fifadiankanina”. Raha izany ary, afaka milaza ve isika fa tsy ilaina loatra ny hampitomboana ny finoana? Satria kely dia ampy hanaovana fahagagana? Tsy izay loatra angamba satria ny tsy ampy finoana koa notsinian’i Jesoa, fa tsy ny tsy manam-pinoana ihany! Tsy ny mampitombo ny finoana no tokony himasoana voalohany fa ny hitahiry ny Finoana efa noraisina aloha (Vak II), amin’ny fanaovana ny fahamarinana satria “Ny marina no ho velona amin’ny finoany” (Vakiteny I).

Tsy mamela antsika hipetrapetra-poana ny finoana marina fa manosika antsika hiasa, mba “tsy ho menatra ny hijoro ho vavolombelon’i Kristy” (Vak II), tsy hitarain-tana-miompaka, tsy hitaky karama akory aza, satria “mpanompo tsy inona akory, fa ny tokony hatao ihany no natao” (Evanjely). Tsarovy mandrakariva ny tenin’i Md Jakoba milaza fa “tsy mahavonjy ny finoana tsy arahin’asa” (Jak 2, 14s).

Mialoha ny hanavaozana ny fiekem-pinoana ary, samia mandini-tena aloha, hiheritreritra hoe : manova inona amin’ny fiainako marina moa ny finoako an’Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra, ilay Andriamanitra tokana olona telo? Raha tsy manova na inona na inona, angamba fotoana hanomboana ny Fivavahana sy ny Fifadian-kanina!

[1] Ny maha-mpaminany manko dia ny fijoroana ho vavolombelon’ny Tenin’Andriamanitra, ka fahasahiana hitory azy na hifanohitra amin’ny fomba fihevitra sy fiainan’ny mpiara-monina aza.

[2] Ara-bakiteny, midika ho fifamihinana, fitiavana…

[3] Deus Caritas est n°35 jereo eto

[4] Ao amin’i Matio dia i Jesoa no nanome tsiny ny Mpianatra ho tsy ampy finoana

[5] Io no parallèle amin’ny fitantaran’i Lioka.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0595