Tonga avy any atsinanana izahay mba hitsaoka ny Mpanjaka

Fankalazana ny nisehoan'ny Tompo - Epifania - Taona A

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

 

Ankalazain’ny Fiangonana androany i Kristy Fahazavan’izao tontolo izao; izay no ankalazantsika ny Epifania. I Kristy no fahazavan’izao tontolo izao; hanilo sy hitarika ny olona rehetra mba hahafahan’ny olona rehetra hitodika any amin’Andriamanitra Ray. Io Kristy Zanak’Andriamanitra io no Fahazavan’i Ray; Zanany malala fa natolony hoa ahy mba tsy hijabajaba anaty haizina aho eto amin’ity tany fandalovana ity. Ny andalan-tSoratra Masin’ny Evanjely vakiana amintsika, ary atolotra ho sakafom-panahintsika amin’ity andro lehibe ity dia mitantara an’ireo Majy telo mirahalahy tonga hatrany Jerosalema mba hitsaoka Ilay Mpanjaka vao teraka. Ireo majy ireo dia tsy jody fa vahiny; ary avy amin’ny firenena samihafa avy any atsinanana. Samy notarihin’ny Kintana izy ireo ary tafara-dàlana handeha hitsaoka ny Mpamonjy vao teraka.

Tamin’ny endrikin’ny kintana no nitarihan’i Kristy Fahazavana an’ireo majy telolahy ireo. Fa amin’izao androtsika izao dia endrika hafa kosa indray. Isika no fahazavan’izao tontolo izao; ny kristianina tsirairay no kintana hitarika ny kristianina namany ka hitondra azy hanantona an’Andriamanitra sy hanoro azy ny famonjena. Tsiahiviko kely eto ilay tenin’i Masindahy Paoly hoe “matoa velona aho, dia tsy izaho intsony no velona, fa i Kristy no velona ato anatiko” (Gal 2, 20). Vita grefy amin’i Kristy isika rehetra tamin’ny Batemy maha zanak’Andriamanitra noraisintsika. Iray aina amin’i Kristy isika kristianina rehetra ao anatin’izany Sakramenta lehibe izany. Fa tsy izay ihany, fa ny Eokaristia, Vatana sy Ràn’i Kristy dia mahatonga antsika ho iray tanteraka amin’i Jesoa Kristy. Dia izany no mahatonga antsika rehetra ho velona amin’ny Ainy. Tsy isika intsony isika amin’ny maha-isy azy antsika, fa tonga Kristy hita maso. Kristy aho ary Kristy ihany koa ianao satria velona ao aminao ny Ainy.

Izany tari-kevitra fohy izany no hitondrako anao hahatakatra ny maha-fahazavana anao eo anivon’izao tontolo izao indray. Raha Fahavazana i Kristy, dia fahazavana koa ianao satria efa vita grefy Aminy ianao ary velona ao aminao Izy. Fahazavan’i Kristy aho satria tsy ny aiko intsony no ivelomako fa ny Ainy. Amin’ny maha kristianina ahy dia voahosotra aho hamirapiratany aminao; ary ianao koa voaantso hamirapiratany ho ahy. Izany no ilazako tery am-piandohana fa isika rehetra indray izao no Kintana fitarik’andro manazava ny tontolo. Ianao io no kintana fitarik’androko indray izao fa tsy ny kintana toy ny hitan’ireo majy telolahy. Mba te-hitsaoka ny Tompo aho; mba te-hanatona Azy aho hanatitra izay kely ananako sy ny fiainako manotolo hanomezako voninahitra Azy. Tsy hiandry ny kintany eny amin’ny lanitra intsony aho fa ianao io no kintana fitarik’andro ho ahy indray izao. Adidinao ny mitarika ahy ho amin’ny Kristy satria noho Izy velona ao aminao dia hamirapiratra ho ahy ianao mba ho faniloko. Izaho koa dia toy izany; kintana ho anao aho amin’ny fiteniko, amin’ny fihetsiko sy ny fampianarako ary ny oha-pinoana asehoko mba hahatonga anao eo anatrehan’i Tompo. Samy voaantso amin’izany famirapiratana izany avokoa isika rehetra satria Sakramenta mitovy no raisintsika; tsy misy hafa fa iray ihany. Adidiko amin’ny maha kristianina, ahy ny hamirapiratra, arakan’i Kristy, ho anao mba hahatonga anao eo anatrehan’Ilay antokin’ny Famonjena. Ny oha-piainana asehoko dia tokony ho taratr’ilay Kristy velona ato amiko mba ho fanilonao ho tody soa aman-tsara eo anatrehan’ny Tompo. Fa tsy izaho ihany, fa ianao ihany koa dia kintana ho ahy mba hitarika ahy ho tonga eo amin’Ilay Famonjena ho ahy.

Mirary alahady finaritra

 

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.098