Alahady 17 janoary 2016
Alahady Faha-2 tsotra Mandavantaona (Taona D)
« Naneho ny voninahiny Izy ka nino Azy ny mpianany »
(Jo. 2: 11)
Nambarantsika tamin’ny Alahady heriny fa ny fankalazana ny nanaovana Batemy an’i Jesoa no mamarana tanteraka ny fankalazana ny Noely. Araka izany, taorian’io fankalazana manetriketrika io dia tafiditra tanteraka ao anatin’ny vaninandro tsotra mandavantaona isika ka ny Alahady Faha-2 no ankalazaina androany izay anomezan’ny Fiangonana antsika ny Evanjely mitantara ny fahagagana voalohany nataon’i Jesoa dia ny nanovany ny rano ho divay tany Kanà any Galilea. Ambaran’ity Evanjely ity tokoa fa « tamin’izany andro izany, dia nisy fampakaram-bady tany Kanà any Galilea, ary tao ny Renin’i Jesoa. I Jesoa sy ny mpianany koa dia nasaina tao amin’ny fampakaram-bady. Nony inona, lany ny divay ka hoy ny Renin’i Jesoa taminy : Tsy manan-divay izy ireo. Ary hoy i Jesoa taminy : Izaho sy ianao moa no ahoana amin’izany, ravehivavy ? Tsy mbola tonga ny fotoako. Dia hoy ny Reniny tamin’ny mpanompo : Ataovy izay rehetra holazainy aminareo. Ary nisy siny vato enina teo, fidiovana araka ny fanaon’ny Jody, nahalany rano indroa na intelon’ny famarana avy, ka hoy i Jesoa tamin’izy ireo : Fenoy rano ireo siny ireo. Dia nofenoiny hatramin’ny molony. Ary hoy i Jesoa taminy : Tovozy amin’izao, ka ento amin’ny mpandahatra ny fanasana. Dia nentiny » (Jo. 2 : 1 – 8).
Vakiteny I : Iz. 62: 1 – 5
Tononkira : Sal. 96: 1 – 2a, 2b – 3, 7 – 8a, 9 – 10ac
Vakiteny II : 1 Kor. 12: 4 – 11
Evanjely : Jo. 2: 1 – 11
Niverimberina tamin’ny fifampizarana nataontsika teto nandritra ny fankalazana ny Noely fa tena olombelona feno ary niaina teo anivon’ny fiarahamonina niaraka tamin’ny olona rehetra i Jesoa. Manamafy izany indrindra ny filazan’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity fa « i Jesoa sy ny mpianany koa dia nasaina tao amin’ny fampakaram-bady ». Io fanasana an’i Jesoa sy ny mpianany tao amin’ny fampakaram-bady io dia mampiseho miharihary amintsika fa nifandray tamin’ny olona rehetra izy ireo ary tsy mizaha tavan’olona fa maiky hasain’ny olona rehetra tsy misy avakavaka. Raha dinihana akaiky ny ambaran’ity Evanjely ity dia hita avy hatrany fa tsy dia mpanakarem-be fa olona tso-piainana no nanasa an’i Jesoa ho avy amin’ny fampakaram-bady. Raha tena mpanakerem-be mantsy no nanasa azy dia azo antoka fa tsy ho lany laniana ny divay nomanina hankalazana ny fety. Ny an’ireto nanasa an’i Jesoa sy ny mpianany ireto kosa dia voafetra ihany ny divay azon’izy ireo naroso ka lany mialohan’ny fotoana. Ho an’ny Jody anefa, eny fa ho antsika rehetra ihany koa, dia henetra lehibe izany hoe manasa olona hisakafo izany nefa tsy manana ny ampy ho an’ny olona rehetra nasaina.
Ambaran’ny Evanjely moa fa anisan’ny tao amin’io fampakarma-bady io ihany koa i Maria Renin’i Jesoa ka izy no niteny mangingina tamin-janany sy nampahafantatra azy ny mahakasika io fahalanian’ny divay io. Tena Reny be fitiavana tokoa i Maria ary mangoraka sy miahy ny olona rehetra ka tsy nisalasala izy niteny tamin’ny mpanompo nanao hoe : « Ataovy izay rehetra holazainy aminareo ». Marina fa namaly azy i Jesoa nanao hoe : « Izaho sy ianao moa no ahoana amin’izany, ravehivavy ? Tsy mbola tonga ny fotoako » saingy tena azony antoka fa afa-manampy ireto olona sahirana ireto izy amin’ny maha Zanak’Andriamanitra azy. Ity fihetsika miavaka nataon’i Maria tamin’ny fampakaram-bady tao Kanà any Galilea ity dia mampiseho fa afaka mitondra any amin’i Jesoa ny hetahetam-pon’izay mitalaho ny vavaka ataony izy. Tena azo antoka fa atolony an’i Jesoa zanany tokoa ny vavaka sy fangataham-pahasoavana ataontsika rehefa mitalaho ny vavaka ataony sy miara-mivavaka aminy isika. Hita miharihary eto ny ny ohatra velona asehon’i Maria mahakasika ny fitiava-namana sy fahaiza-mangoraka ary fiahiana ny hafa ka tsara alain-tahaka rehefa mahita olona tojo fahasahiranana isika.
Na dia teo aza ny valin-teny nomen’i Jesoa an’i Maria Reniny dia tsy namela ny tompon’ny fanasana hitsanga-menatra izy ka niteny tamin’ny mpanompo nanao hoe : « fenoy rano ireo siny ireo ». Tsy nisalasala moa ireto mpanompo ireto nanatanteraka izany ka nofenoin’izy ireo hatramin’ny molony ny siny vato enina izay voalaza fa fidiovana araka ny fanaon’ny Jody. Ambaran’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika andraony ity fa « vao nanandrana ny rano voaova ho divay ny mpandahatra ny fanasana (izay tsy nahalala ny niaviany, fa ny mpanompo nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny mpampakatra ka nanao taminy hoe : Ny an’ny olona rehetra, dia ny divay tsara no arosony aloha, ary rehefa nisotro be ny olona vao arosony izay tsy tsara loatra ; fa ny anao kosa, dia ny divay tsara indray no notahirizinao mandraka ankehitriny » (Jo. 2 : 9 – 10). Voalaza ihany koa fa « izany nataon’i Jesoa tany Kanà any Galilea izany no santatry ny famantarana nataony ; naneho ny voninahiny Izy ka nino Azy ny mpianany. Ary rehefa afaka izany, dia nidina nankany Kafarnaôma Izy sy ny Reniny mbamin’ny rahalahiny sy ny mpianany ; nefa tsy nitoetra ela tao izy ireo » (Jo. 2 : 11).
Azo ambara fa tena tafiditra tanteraka amin’ny fanatanterahana ny iraka nampanaovin’Andriamanitra Ray azy i Jesoa ka na nilaza aza fa tsy mbola tonga ny fotoany dia nangoraka ireto olona nanasa azy ireto ka nanova ny rano ho divay. Asa fanasoavana no nanombohan’i Jesoa ny asam-pamonjena notanterahiny, voalaza mazava tsara amin’ity Evanjely ity fa io fahagagana nataony io no santatry ny famantarana nataony, izany hoe mbola tsy nanao fahagagana hafa izy talohan’io fotoana io. Midika izany fa tsy fanasitranana na fandroahana demony no voloham-pahagagana nataon’i Jesoa fa famantarana mifandray amin’ny asa fitiava-namana sy fangorahana. Niara-dahalana mandrakariva taminy ireo mpianatra nofidiny manokana ary voalaza mazava tsara fa « naneho ny voninahiny Izy ka nino Azy ny mpianany ». Teo ihany koa i Maria reniny izay tsy nisaraka taminy fa sady miahy an-janany no mitsinjo ihany koa izay hahasoa ny mpiara-belona aminy, indrindra ireo rehetra mandalo fahasahiranana sy tojo zava-tsarotra amin’ny fiainana tahaka ireto olona nanasa azy amin’ny fampakaram-bady tany Kanà ireto.
Midera sy mankalaza an’Andriamanitra isika amin’izao Alahady Faha-2 tsotra Mandavantaona izao tamin’ny nandefasany an’i Jesoa Zanany hamonjy antsika. Tena fitiavan-dehibe tokoa izany satria na dia olombelona tsy mendrika aza isika dia nomeny ny Zanany Lahitokana mba hanavotra antsika amin’ny zava-manahirana rehetra atrehintsika. Tena tia sy miahy antsika isan’andro izy fa indraindray isika no tsy mahatsapa izany ka ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity no mampahatsiaro fa rehefa tojo ny manahirana isika dia tsy tokony hisalasala hitalaho ny famonjeny. Eo ihany koa i Maria Reny izay tsy misaraka aminy ary tsy misaraka amintsika ihany koa satria mahita ny manjo antsika isan’andro. Tena Reny mpiahy sy be fitiavana izy koa amim-pinoana no iarahantsika mivavaka aminy sy angatahantsika aminy mba hitondra any amin’i Jesoa ny vavaka ataontsika. Efa nanao izany izy ho an’ireto olona nanasa azy tao Kanà ireto ka azo antoka fa hanao izany ihany koa ho antsika rehefa manantona azy amim-pinoana isika sy matoky fa mivavaka ho antsika izy. Enga anie mba hihamafy hatrany ny finoantsika ka hahafahantsika matoky marina tokoa fa miahy antsika isan’andro i Jesoa ary manome izay ilaintsika satria efa naneho ny voninahiny Izy ka tahaka ny mpianany dia mino Azy ihany koa isika.
P. Louis Martin
Assomptionniste