Alahady 24 janoary 2016
Alahady Faha-3 tsotra Mandavantaona (Taona D)
« Nampianatra tao amin’ny sinagôgan’izy ireo Izy, ka nankalazain’izy rehetra »
(Lk. 1: 15)
Ny nanovan’i Jesoa ny rano ho divay tany Kanà any Galilea no voalazan’ny Evanjely izay naroson’ny Fiangonana ho antsika tamin’ny Alahady heriny. Nambaran’io Evanjely io mazava tsara fa « izany nataon’i Jesoa tany Kanà any Galilea izany no santatry ny famantarana nataony ; naneho ny voninahiny Izy ka nino Azy ny mpianany. Ary rehefa afaka izany, dia nidina nankany Kafarnaôma Izy sy ny Reniny mbamin’ny rahalahiny sy ny mpianany ; nefa tsy nitoetra ela tao izy ireo » (Jo. 2 : 11). Io tsy fitoeran’i Jesoa sy ireo mpanara-dia azy tao Kafarnaôma io indrindra no ambaran’ny Evanjely amin’izao Alahady Faha-3 tsotra Mandavantaona izao. Mialohan’izany anefa dia ny fiatombohan’ny Evanjely nosoratan’i Md Lioka no aroson’ny Fiangonana ho antsika. Ambarany ary fa « noho ny maro efa nanoratra ny tantaran’ny zavatra inoana tokoa amintsika sy noraisintsika tamin’ny vavolombelona sady nahita maso no mpitory teny hatramin’ny voalohany, dia nataoko fa mety koa, rehefa niala nenina aho hahalala tsara ny zavatra rehetra hatramin’ny niandohany, ny hanoratra azy milamina tsara ho anao, ry Teôfily manan-kaja, mba ho fantatrao fa marina tokoa izay nampianarina anao » (Lk. 1: 1 – 4).
Ny antony anomezana antsika ity Tenin’Andriamanitra ity dia mba hahafahantsika mino sy matoky fa tena marina avokoa ny teny rehetra voalazan’ny Evanjely fa tsy zavatra noforonin’ny sain’olombelona tsy akory. Efa fantantsika fa i Lioka dia tsy anisan’ireo Apostoly roambinifolo lahy izay niara-dia tamin’i Jesoa nandritra ny androm-piainany fa anisan’ireo mpianatra nihaino ny fampianaran’ny Apostoly izay nijoro ho vavolombelona ary nilaza mazava tsara ny zava-niseho rehetra nandritra ny fotoana niarahan’izy ireo niaina tamin’i Jesoa. Izay fijoroana ho vavolombelona nataon’ny Apostoly izay no ambaran’i Md Lioka fa nalaminy tsara ary dia nosoratany mba ho fantantsika fa tena marina tokoa izay ampianarina antsika. Voalazany mazava tsara fa niala nenina izy hahalala tsara ny zavatra rehetra hatramin’ny niandohany ka izany no nahatonga azy tsy nisalasala nanoratra Evanjely mba hahafahan’ny mpino rehetra mahalala ny tena zava-nisy marina mahakasika an’i Jesoa nandritra ny fotoana niainany teto an-tany.
Vakiteny I : Neh. 8: 2 – 4a, 5 – 6, 8 – 10
Tononkira : Sal. 19: 8, 9, 10, 15
Vakiteny II : 1 Kor. 12: 12 – 30
Evanjely : Lk. 1: 1 – 4, 4: 14 – 21
Ambaran’ity Evanjely androany ity ary fa « indray andro i Jesoa, dia nentin’ny herin’ny Fanahy niverina tany Galilea indray, ary niely tamin’ny manodidina rehetra ny lazany. Nampianatra tao amin’ny sinagôgan’izy ireo Izy, ka nankalazain’izy rehetra » (Lk. 1: 14 – 15). Araka ny voalaza tamin’ny Alahady heriny dia « naneho ny voninahiny Izy ka nino Azy ny mpianany ». Androany kosa dia tsy ny mpianatra fotsiny no nino azy fa ny olona rehetra. Tsy vitan’ny hoe nino fa tena nankalaza azy noho ny fampianarana nataony tao amin’ny sinagôgan’izy ireo. Voalaza mazava tsara eto fa niely tamin’ny manodidina rehetra ny lazany. Midika izany fa tena tafiditra tanteraka amin’ny asam-pamonjena izay nanirahan’Andriamanitra Ray azy i Jesoa ary eto dia tsy ny herin’ny tenany no nitondra azy niverina tany Galilea fa ny herin’ny Fanahy. Io fitondran’ny herin’ny Fanahy azy io no manambara mazava amintsika fa tsy niasa irery velively i Jesoa fa niara-niasa tamin’ny Ray izay naniraka azy ary niara-dalana taminy mandrakariva ihany koa ny Fanahy. Izany hoe, tena ilay Andriamanitra Ray, Zanaka sy Fanahy Masina mihitsy no manambara amintsika ny Vaovao Mahafaly sy manao ny asam-pamonjena izy tanterahin’i Jesoa.
Tsy ny fanaovana fahagagana ihany araka izany no tena nahatongavany teto an-tany fa ny fitorina sy fampianarana ny olona rehetra ny Vaovao Mahafaly araka ny itarihan’ny Fanahy azy araka ny ambaran’ity Evanjely androany ity manao hoe : « Nony tonga tany Nazareta tanàna nahabe Azy Izy, dia niditra tao amin’ny sinagôga araka ny fanaony tamin’ny andro sabata, ary nitsangana hanao ny famakian-teny. Natolotra Azy ny bokin’i Izaia mpaminany, ka nony novelariny dia hitany ny teny voasoratra hoe : “Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka Ahy hankahery ny torotoro fo, hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahorîna ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo sy ny andron’ny famaliana”. Nony nahorony ny boky dia naveriny tamin’ny mpitandrina ka nipetraka Izy, ary nifantoka tany aminy avokoa ny mason’izy rehetra tao amin’ny sinagôga. Dia rafitra niteny taminy indray i Jesoa nanao hoe : Androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany » (Lk. 1: 16 – 21).
Tena ny fandaharan’asa izay notanterahan’i Jesoa mihitsy no ambaran’ny bokin’Izaia mpaminany izay novakiany tao amin’ny amin’ny sinagôga tao Nazareta izay tanàna nahabe Azy. Efa voalazantsika fa niara-dalana taminy mandrakariva ny Fanahy ary nitondra azy niverina tany Galilea. Io Fanahy io no ambarany fa ao aminy, araka ny efa voalazan’ny bokin’Izaia mpaminany, ka nanosotra azy hitory teny soa mahafaly. Tsy olon-kafa fa i Jesoa mihitsy no manambara fa teny soa mahafaly ny teny ambarany sy toriny koa manasa antsika izy amin’izao Alahady Faha-3 tsotra Mandavantaona izao mba hanana fahazotoana mandrakariva handray sy hivelona ny Vaovao Mahafaly izay entiny ho antsika amin’ny fotoana rehetra. Noho izany amporisihina tanteraka isika hazoto mivavaka Alahady satria isaky ny manao izany isika dia mandray anjara feno amin’ny fandraisana sy fihainoana ny Tenin’Andriamanitra izay vakiana mandritra ny fankalazana izay ataontsika. Azo lazaina fa tena tsara ary ampy tokoa ny fiahainoana ny Tenin’Andriamanitra rehefa mivavaka Alahady, saingy amporisihina ihany koa isika mba samy hanana Baiboly any antokan-trano misy antsika tsirairay avy any, eny fa na Baiboly iray aza no itambaran’ny mpianakavy dia tsy maninona satria ilay teny soa mahafaly araka ny voalazan’i Jesoa no ifampizarana.
Mialohan’ny hamaranantsika izao fifampizarana ataontsika izao dia tsara ihany ny mampahatsiahy fa ao anatin’ny Herinandro ivavahana ho an’ny firaisan’ny mpino isika izao. Noho izany dia miara-mivavaka isika mba tena hihatsara hatrany ny ezaka ataon’ny samy hafa finoana hifanantona sy hiara-mivavaka. Tsy sitrak’i Jesoa ny fisarahan’ireo rehetra mino azy sy miantso ny anarany ka milaza hoe Kristianina, saingy noho ny hambom-pontsika olombelona dia nisy ny fisaraha kanefa araka ny voalazan’i Md Paoly ao amin’ny Vakiteny faharoa androany dia « toy ny maha-iray ny vatana, na dia maro rantsana aza, sy toy ny maha-vatana iray ny rantsam-batana, na dia maro aza izy, dia toy izany koa i Kristy. Fa Fanahy iray ihany no nanaovana Batemy antsika rehetra, mba ho vatana iray ihany isika, na Jody na Jentily, na mpanompo na tsy mpanompo ary Fanahy iray ihany no nampisotroana antsika rehetra. Koa ny vatana dia tsy rantsam-batana iray ihany, fa maro » (1 Kôr. 12, 12 – 14). Enga anie ilay Fanahy nitarika an’i Jesoa niverina tany Galilea indray no hitari-dalana antsika ihany koa, mba hahafahantsika rehetra mino azy hiaina ao anatin’ny fiombonana tanteraka indray satria samy natsony hanara-dia azy isika ary samy efa nandray ny Fanahy iray avy aminy tamin’ny alalan’ny Batemy noraisintsika.
P. Louis Martin
Assomptionniste