Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan'i Davida

Noely Atoandro

Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan'i Davida” (Lk 2, 1-14)

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Ny voalohanteny dia ny fiarahabana antsika mianakavy nahatratra izao andro lehibe izao. Arahabaina tratran’ny Noely; Noely ahatsiahivantsika ny nahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo. Dia mirary koa raha mirary: enga anie izao Fankalazana ataotsika mianakavy izao hampitombo sy hanamafy orina ny Finoantsika an’i Kristy. Ho mamy mandrakariva anie ny andavanandrom-piainantsika ary ho tò eo amin’izay ataotsika rehetra ny voninahitr’Andriamanitra. Ho tonga nofo amin’izay kasaintsika rehetra anie ny tenin’ny Tompo tonga Nofo. Hamirapiratan’ny voninahitrin’ny Tompo anie izay alin’ny fahasahiranana sy adisaina lalovantsika. Miara-dàlana amintsika ny Tompo koa mirahaba anao aho; fenoa zava-tsoa ny fiainanao.

Izany firariantsoa izany no anombohako ny fifampizarana hataoko aminao amin’izao andro lehibe eo amin’ny tantaram-pamonjena izao. Ataoko fa fifampizarana tsara raha hamafisiko amin’izany firariantsoa izany ny fifampiarahabana efa ifanolorantsika amin’izao vaninandro goavana izao. Ary ankoatr’izany, dia hozaraiko aminao, tsy hanampiako sady tsy hanalako, ny Evanjely atolotrin’ny Fiangonana ho sakafom-panahintsika amin’izao fety lehibe amin’ny Fiainan’ny Fiangonana izao. Manana vatomamy sy mofomamy hifampizarana aminao ihany aho, fa heveriko fa vatomamy ambonin’ny mamy rehetra ity Tenin’Andriamanitra hifampizarantsika ity. Izany Tenin’Andriamnitra izany no vary sy laoka mitam-pihavanana hifampizarantsika ka hiarahantsika homana, mba hahamandina sy hahavoky ny fanahintsika. Enga anie dia mba samy ho dôzidôzin’ny Tenin’Andriamanitra isika mianakavy, ho samy vokin’ny tavin’ny Bitsikin’ny Fanahin’Ilay Teny tonga nofo.

 “Tamin'izany andro izany dia namoaka didy Sezara Aogosta hampanoratra ny anaran'ny vahoakany amin'ny tany rehetra: 2dia fony Sirinosy no governoran'i Siria no natao izany fanoratana voalohany izany. Dia samy nankany amin'ny tanàna nihaviany avy izy rehetra mba hosoratana. Ary Josefa koa niakatra avy tany Galilea avy tao an-tanàna Nazareta hankany Jodea ho ao an-tanànan'i Davida atao hoe Betlehema, fa taranaka sy fianakavian'i Davida izy, mba hosoratana izy sy Maria vadiny izay bevohoka. Fa raha tao izy, dia tonga ny fotoana hiterahan'i Maria, ary niteraka ny zanany lahimatoa izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriny teo amin'ny fihinanam-bilona, fa tsy nisy hitoerany tao an-tranom-bahiny.

      Ary tamin'izany tany izany nisy mpiandry ondry nitoetra tany an-tsaha niambina ny ondriny nandritra ny alina. Ary nisy anjelin'ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitr'Andriamanitra nanelatrelatra manodidina azy ireo ka natahotra dia natahotra izy. Fa hoy ny anjely taminy: Aza matahotra hianareo, fa indro fifaliana lehibe ho an'ny vahoaka rehetra no lazaiko aminareo; fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan'i Davida, dia Kristy Tompo. Ary izao no ho famantarana ho anareo: dia hahita zaza kely voahodidina lamba-jaza, sady mandry ao amin'ny fihinanam-bilona hianareo. Ary niaraka tamin'izay nisy antokon'ny tafika any an-danitra tonga teo amin'ilay anjely, ka nidera an'Andriamanitra, nanao hoe: Voninahitra ho an'Andriamanitra any amin'ny avo indrindra, ary fiadanana etý an-tany ho amin'ny olona tsara sitra-po!” (Lk 2, 1-14)

Izany ary ny Tenin’ny Tompo. Mirary Krisimasy finaritra ho antsika rehetra

Mirary alahady finaritra.

 

Mompera Nary

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099