“Mitsangàna, ary mandehana fa ny Finoanao no nahavonjy anao” (Lk 17, 11-19)
Alahady faha 28 tsotra mandavantaona, Taona D
Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.
Matetika isika no mampifangaro ny teny hoe “Finoana” sy “finoana”. Ny Finoana dia ny fifikiranao amin’Ilay Andriamanitra Mpahary anao sy nanao anao hitovy endrika Aminy, ka ho sambatra dieny ety an-tany ary ho mpandova ny lanitra. Ny finoana kosa dia ny ankohonam-pivavahana iombonanao ara-potokevitra sy fampianarana, ankohonana manampy anao hivelona ny Finoana, izany hoe hivelona sy hifikitra amin’Ilay Andriananahary tompoinao sy ankatoavinao ho Andriamanitra. Ho antsika rehetra Kristianina tsy ankanavaka, ny Finoantsika dia tokana ihany: Andriamanitra tokana. Fa ny finoantsika kosa no mahatonga antsika hitsitokotoko ho Katolika na Protestanta. Ny Finoako dia Andriamanitra tokana olona telo ary ny finoako dia Katolika. Zay raha fintinina amin’ny teny fohy dia fohy ny maha samihafa ny Finoana sy ny finoana.
Ny fampianaran’ny Fiangonana ho antsika amin’ity herinandro ity ary dia ny hifikirantsika amin’ny Finoana fa izany no antokin’ny famonjena. Tsy takona afenina toy ny tafika andrefatanana intsony manko amin’izao ny fidradradran’ny finoana sasany; ka milaza ankalamanjana fa ny finoana ao amin’ny zareo ihany no mahavonjy. Izany hoe, raha tsy ao amin’ilay fiangonana ianao no mivavaka dia tsy ho voavonjy. Tsy izany anefa no nolazain’i Kristy; tsy nilaza Izy fa hoe izay tsy Katolika dia tsy ho voavonjy, tsy nilaza Izy fa hoe “izay tsy vahao ny oloko dia tsy hahazo ny famonjena”. Tsy nilaza an’izany Izy; ary izay mpitory milaza izany dia mampandainga an’i Kristy sy manohitra ny Teniny ary mpanao velapandrika ara-pinoana fotsiny.
“Mitsangàna ary mandehana fa ny Finoanao no nahavonjy anao” hoy i Kristy tamin’ilay Samaritana niverina nankasitraka Azy rehefa nositraniny tamin’ny areti-kodiny. Ny tian’i Kristy ho lazaina dia hoe “ny fifikiranao amin’ny Tompo sy ny fahatokisanao ny Teniny no antokin’ny fahavelomanao sy andraisanao ny fahasoavana manana amby ampy avy Aminy.” Matokia ny Tompo, mankatoava ny Teniny ary iaino ny fitsimbinany anao isan’andro fa izany no làlan-tokana hahazahoanao ny Famonjena. Izany no fampianaran’i Kristy. Fa ireo mpanararao-pahoriana mianjady amin’ny vahoaka tsy mandady harona mitady lalan-kòmbana, no mavo vava milaza fa izay mivavaka amin’ny fiangonany ihany no hahazo famonjena. Tsy hoe rehefa katolika ianao dia tsy ho voavonjy, tsy hoe rehefa advantisita ianao dia ho azo antoka ny famonjena, tsy hoe rehefa vahao ny oloko dia hitobaka bobaka be ny famonjena. Tsy izany ary tena tsy izany mihitsy. Tonga amin’ilay fitenintsika ankehitriny hoe “tsisy idirany”. Fa ny mazava ary tokana azo antoka dia ny Tenin’i Kristy: ny Finoana ihany no mahavoavonjy, ny fifikiranao amin’ny Tompo ihany no mahavoavonjy. Ka na Katolika na Rhema na Jesosy Mamonjy dia tsy izany no hahavoanjy anao fa ny Finoanao ihany, izany hoe ny Fandraisanao ny Tompo ho Andriamitra mahefa ny zavatra rehetra eo amin’ny Fiainanao. Fa ireo antokom-pinoana idirantsika ireo dia antoko ihany; antoko iombonantsika ka ny olona miaraka mivavaka amintsika ao anatin’ilay antoko dia natao hanampy antsika hifikitra amin’ny Finoana ary hatoky ny Tompo.
Halalino àry ny Finoanao ao amin’izay finoana iombonanao amin’ny hafa; aza manaratsy ny finoan’ny hafa fa izay hampetipety ny Finoanao no ataovy. Aza lany andro mitsikera ny finoan’ny hafa fa izay mahadiavolana ny Finoanao no ataovy. Aza sendaotra amin’ny fanakianan’ny hafa ny finoanao; avelao ny helony fa tsy fantany izay ataony.
Mirary alahady finaritra.
Mompera Nary