Mikeleza aina hiditra amin’ny varavarana ety

Mikeleza aina hiditra amin’ny varavarana ety” (Lk 13, 24a)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Sanatria ve dia ho “lany andro toy ny hendry mananatra adala” i Kristy amintsika? Sanatria ve dia “ho rano atondraka ambohon-gisa” ny fampianarany antsika isan’andro? Sanatria ve dia hamaly isika hoe “misy mihaino”? Ataoko fa tsia; mino aho fa mihaino isika ary mampihatra an’izay lazainy. Mino aho fa manao izay ho vita isika amin’ny fampivelarana ny finoana fa saingy mahery loatra ny sangin’ny fiainana ka mila ho difotrin’ny adin’ny nofo ny adin’ny fanahy. Mino aho fa ianao manao izay ho vita amin’ny fiainana ny Tenin’ny Tompo, saingy rotoroto loatra ny fiainana ka zary somambisamby ny fiainam-panahy. Mino aho fa miezaka mba mikely aina ianao hiditra amin’ny varavarana ety saingy midanadana loatra ny varavarana ilany ka valalanina ianao mandinika ny tokony hatao. Azoko an-tsaina avokoa izany rehetra iainanao izany.

Saingy tsy tokony hionona fotsiny amin’izao aho, ianao, isika, fa hanao ezaka ary hanohy ny tolona ho amin’ny fihavaozam-panahy isan’andro. Tsy tokony hanaiky hataon’ny adim-piainana “tsindrio fa lavo” ianao ka hanaraka am-bokony ny filan’ny nofo fotsiny. Mazava ny tenin’i Jesoa amintsika androany: “mikeleza aina hiditra amin’ny varavarana ety”. Ny tsirairay mihitsy no tokony samy hisikiponitra hiditra ny lanitra. Dia hisy hanontany hoe: fa firy marina moa izany no ho tafiditra any? Betsaka sa vitsy? Satria misy manko mpitoriteny sy mpampianatra finoana sasany any am-piangonana sy ankalamanjana milaza fa izay mivavaka ao amin’ny fiangonany ihany no voavonjy; izany hoa fantatra mialoha ny isan’ny olona voavonjy.

Tsotra ny valintenin’i Jesoa: “mikeleza aina”, izay ihany. Tsy nilaza izy hoe izay mivavaka amin’ny fiangonana Antanimbarinandriana na Andohalo ihany no voavonjy; fa lazainy kosa fa izay mikely aina hiditra amin’ny varavarana ety. Dia hanitrikitrika ianao hoe: dia ahoana izany ny ilazan’ny bokin’ny Fanambarana fa 144000 no isan’ny voavonjy? Marina io valinteny io; satria ny dikan’io isa io dia hoe : maro tsy voatanisa, mihoatran’ny azo isaina.

Hamaranako ny fifampizarana dia ny fanazavana fohy momba ity varavarana ety lazain’i Jesoa ity. Angamba tsy zoviana aminao intsony fa rehefa milaza hevitra i Jesoa dia mampiasa sarinteny na ohabolana mandrakariva. Ka ny tiany holazaina amin’io hoe varavarana ety io dia tsy inona fa ny varan’ny lanitra arakin’ny efa natsidiko tery am-piandohana. Ety, izany hoe tery; satria mila ezaka goavana ny miditra ao fa tsy sanatria hoe gorobaka, tery satria mila manamaivan-tena miditra eo fa tsy hirongorongo an’izao karazam-pahotana sy fifikirana amin’ny karazam-piainana tsy manjary rehetra io. Tery ny vararavan’ny lanitra satria mason-tsivana hisivanana ireo marina sy meloka. Izany no ilazan’i Jesoa hoe: mikeleza aina. Miezaha mafy mba ho vonona mandrakariva hiditra rehefa tonga ny fotoana hivohan’ny varavarana ho anao. Miezaha mafy mba tsy ho be entana amin’ny fahotana fa tsy tafiditra amin’ny varavarana. Miezaha mba tsy ho voafatotrin’ny harena sy ny fitiavam-bola fa tsy misy toerana ho an’izany any. Tandremo dia tandremo anefa fa sao dia fisehosehoana no anaovanao ny fibebahana rehetra amin’izany fiomanana amin’ny fidirana amin’izany varavarana ety izany. Tandremo ihany koa sao dia alaim-panahy ka hionona fotsiny amin’ny hoe efa vita konfirmasiò, mpandray komonio isan’andro, zanak’i Masina Maria, masera, pretra, zanak’anabavin’ny eveka, sakristano, kôral dia hilaza fa mivoha mibanaka ho anao ny varavarana. Tsia, tsy izany no tena ilaina fa ny fanarahanao ny tenin’i Jesoa hoe: “mikeleza aina hiditra amin’ny varavarana ety”.

Mirary alahady finaritra.

 

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0515