“Manome rariny ny olom-pinidiny izay mitaraina Aminy andro aman’alina Andriamanitra ary malaky mamonjy azy” (Lk 18, 1-8)
Alahady 29 mandavan-taona, taona D
Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.
“Aiza ihany ary ny valim-bavaka nataoko?” Tsy indray, tsy indroa isika no manao izany fanontaniana izany eo amin’ny tenantsika sy amin’ny namantsika. Eny fa na dia izaho aza dia mba mametraka izany fanontaniana izany ihany koa rehefa misy fahasoavana iriko sy angatahako amin’Andriamanitra. Mivavaka aho, mangataka amin’Andriamanitra an’izao sy izao ho ahy hy sy ho an’ny namako. Dia miandry aho avy eo, adiny roa na telo; roa andro, telo volana; fa tsy mbola mivaly. Dia manontany tena aho avy eo hoe “Fa aiza ihany ary ilay valim-bavako ry Tompo? Dia tena tsy hasianao sira ve ilay fangatahako Taminao?” Angamba na ianao koa aza mba tojo toy izany amin’ny fotoana sasany.
Tsy hoe Andriamanitra midororororo ny Andriamanitra inoako; tsy hoe Andriamanitra mampitamby ny Andriamanitra inoanao. Fa ny Andriamanitra inoako dia Andriamanitra Fitiavana, Andriamanitra manam-paharetana amiko ary mihaino vavaka sy talaho miantefa Aminy. Fa Andriamanitra tsy manavaka koa anefa fa tia ny olon-drehetra ka tsy izay hampetipety ahy ihany no ataony fa ny hampetipety anao ihany koa. ka ireto antony roa ireto no mety ho antony tsy amaliany ny fangatahako. Voalohany: amin’ny maha Andriamanitra tsy manavaka Azy fa tia ny olon-drehetra dia tsy izay zavatra rehetra angatahako Aminy akory dia ho tanterahiny avokoa. Satria, misy amin’ireo zavatra iriko sy italahoako Aminy dia mahasoa ahy tokoa fa saingy tsy hahasoa ny hafa. Ohatra: raha mivavaka Aminy aho androany ka miteny aminy hoe “omeo fahasalamana fa efa te-hitsangana teto am-pandriana teto”. Fantany mialoha anefa fa raha salama aho ka ho tafantsangana teo dia hanangam-bovona ka haka lagy sy hifamaly amin’ny anona. Noho izany, tsy omeny ahy izay ilaiko izay. Faharoa: tsy omeny ahy ny fangatahana nindramiko Taminy satria tsy manam-paharetana mivavaka aho. Amin’ny zavatra rehetra ataoko dia ilaina dia ilaina ny faharetana mivavaka. Tsy hoe sanatria mampitamby hoy aho Andriamanitra fa ny tiany dia ny hananako faharetana eo anatrehany; izany hoe ny Finoana. Mila Finoana mafy orina amiko Andriamanitra amin’izay zavatra iriko sy angatahako Aminy. Tsy tiany ho fangatahana faohy any faohy any no atao Aminy fa tiany aho hanam-pinoana lalina amin’izay fahasoavana angatahako Aminy. Ireo lafin-javatra anakiroa fototra ireo no ijeren’Andriamanitra ny vavaka ataotsika alohan’ny hamaliany antsika amin’izay angatahantsika Aminy: ny soa ho an’ny besinimaro ary ny Finoana arahin’asa anatin’ny faharetana. Inoako fa mbola misy hafa ankoatr’ireo saingy tsiambararoan’Andriamanitra indray izay.
Dia inona ary no hataoko? Inona no hataontsika? Ny voalohany indrindra dia tsy ho hadinoiko fa “Manome rariny ny olom-pinidiny izay mitaraina Aminy andro aman’alina Andriamanitra ary malaky mamonjy azy”. Mpihaino vavaka Andriamanitra ary mamaly ahy amin’ny andro hiantsoako Azy satria nofinidiny aho, tahaka anao koa. Ny hataoko ary ny hataonao dia tsotra: mitaraina Aminy amim-paharetana sy Finoana ary rehefa hivavaka aho dia hangataka izay fahasoavana ilaiko mba tsy ho ahy irery fa izay hahasoa ny besinimaro sy ny manodidina ahy ihany koa. Rehefa hivavaka aho dia hampandeferiko ny “ahy”, “izaho” fa hampiasa matetika ny teny hoe “anay” sy “izahay” mba tsy ho fitiavan-tena ny vavaka ataoko ary ho vavaka hitsinjo ny hafa ka hikatsaka ny hahamanimanitra ny fiainan’ny olona manodidina ahy ihany koa.
Mirary alahady finaritra.
Mompera Nary