Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra

Alahady 22 mey 2016

Fankalazana ny Trinite Masina

 

« Fa rehefa tonga ny Fanahy fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra »

(Jo. 16: 13)

 

Ny fidinan’ny Fanahy Masina tamin’ny Apôstôly no nankalazaintsika tamin’ny Alahady heriny. Tamin’izay indrindra no nanomezantsika ny fampianaran’ny Fiangonana izay nanamafy fa « ny mino ny Fanahy Masina àry dia ny miaiky fa anankiray amin’ny Olon’ny Trinite Masina ny Fanahy Masina, iray fombam-pisia-maha-izy amin’ny Ray sy ny Zanaka, “tsaohina sy omem-boninahitra miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka”. Izany no antony nahatonga ny resaka momba ny mistery maha-Andriamanitra ny Fanahy Masina ho ao amin’ny “teôlôjia” momba ny Trinite » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 681). Ity fampianaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika ity dia manambara mazava tsara amintsika fa tena tsy afa-misaraka tokoa ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ka izany no anasana antsika anio mba hankalaza amin’ny fomba manokana ny fetin’ny Trinite Masina.

Raha ny fandinihan’ny saina sy ny fahaizan-tsika olombelona dia tsy afaka hahatakatra velively ny tena hevitry ny hoe « ny Fanahy Masina dia iray fombam-pisia-maha-izy amin’ny Ray sy ny Zanaka ». Izany indrindra no mahatonga ny Fiangonana hampianatra antsika fa ny Trinite Masina dia misterin’ny finoana. Araka ny voalazan’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 234 dia io misterin’ny Trinite Masina io indrindra no « mistery foiben’ny finoana sy ny fiainana kristianina. Io no misterin’Andriamanitra ao amin’ny Tenany ihany. Io izany no loharanon’ny mistery hafa rehetra momba ny finoana, fahazavana izay mitsilo azy ireo. Io no fampianarana fototra indrindra sy tsy azo avela indrindra amin’ny “ambaratongam-pahamarinan’ny finoana”. Ny tantaram-pamonjena manontolo dia tsy hafa, fa tantaran’ny fanabeazan’ Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fomba maro sy amin’ny alalan’ny sain’ny olombelona, momba ny Tenany marina sy tokana, Ray, Zanaka sy Fanahy Masina, manambara tena sy mamerim-pihavanana ary miray amin’ny olombelona izay nibirioka noho ny fahotana ».

Vakiteny I : Oh. 8: 22 – 31

Tononkira : Sal. 8: 4 – 5, 6 – 7, 8 – 9

Vakiteny II : Rom. 5: 1 – 5

Evanjely : Jo. 16: 12 – 15

Araka izay maha mistery azy izay dia ambaran’i Jesoa mazava tsara amin’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ny fiombonany tanteraka amin’i Ray sy ny Fanahy Masina. Mazava ho azy fa i Jesoa Zanaka izay nirahin’ny Ray hamonjy antsika mihitsy no manazava amintsika ny hevitry ny fisia-maha-izy mampiombona ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Ambaran’ity Evanjely androany ity ary fa « tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe : Mbola manan-javatra betsaka holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny ; fa rehefa tonga ny Fanahy fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra, satria tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy, ary ny zavatra ho avy no hambarany aminareo. Hanome voninahitra Ahy Izy, satria handray ny avy amiko ka hanambara izany aminareo. Ahy izay rehetra ananan’ny Raiko, ka izany no nanaovako hoe : Handray ny avy amiko Izy, ka hanambara izany aminareo » (Jo. 16: 12 – 15).

Nambaran’i Jesoa tamin’ny mpianatra fa « rehefa tonga ny Fanahy fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra ». Tena tanteraka tokoa io teny voalazany io satria efa nambarantsika tamin’ny Alahady heriny fa « nony tonga ny andro Pantekôty, dia tafavory tao amin’ny trano anankiray ny Apôstôly rehetra, ary tampoka injay nisy feo avy any an-danitra toy ny rivotra nifofofofo mafy ka nahenika ny trano nitoerany : sady nisy lela maro mitarehina afo niseho taminy sy nizarazara nipetraka teo amboniny tsirairay avy, ka samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra sy niteny tamin’ny fiteny maro samihafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy avy » (Asa. 2 : 1 – 4). Ny fahafahan’ny Apôstôly rehetra niteny tamin’ny fiteny maro samihafa dia midika fa tao amin’izy ireo tokoa ny Fanahy fahamarinana ka nitari-dalana azy ireo tamin’ny marina rehetra, dia ny fitorina ny fahamarinan’ny Vaovao Mahafaly ka nahatonga ny olona hibebaka sy hizotra amin’ny lalam-pamonjena.

Io Vaovao Mahafaly io no mirakitra ny Teny rehetra nambaran’i Jesoa izay voalazany amin’ity Evanjely andraony ity fa avy amin’i Ray satria hoy izy hoe : « Ahy izay rehetra ananan’ny Raiko ». Mazava araka izany fa ny Vaovao Mahafaly izay torina amintsika dia avy amin’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Noho izany dia mamporisika antsika ny Fiangonana androany mba tena hahatsapa tokoa ny fiombonana misy eo amin’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina izay ankalazaintsika amin’izao fetin’ny Trinite Masina izao. Mazava ho azy fa tena zava-dehibe tokoa izao fankalazana ataontsika androany izao satria manamafy ny finoana izay ananantsika ka itodihantsika mandrakariva amin’izay Andriamanitra Ray, Zanaka sy Fanahy Masina izay. Andriamanitra tokana olona telo, izay tsy afa-misaraka fa mitambatra ho ira sy mandrotsaka ho antsika ny fahasoavana izay ilaintsika.

Io fiombonana misy ao amin’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina io dia mampianatra antsika vita Batemy rehetra ihany koa hanana fiombonana sy hifankatia marina tokoa. Noho izany dia miara-mivavaka isika androany mba tena hisy tokoa izay fiombonana izany ka hahatonga antsika ho fanasin’ny tany eo anivon’ny fiarahamonina misy antsika tsirairay avy. Io fahaizantsika miombona sy mifankatia io no hahafahantsika mijoro ho vavolombelona tahaka ny Apôstôly fa tena ao amintsika tokoa ny Fanahy Masina izay nomen’Andriamanitra antsika mba hitari-dalana antsika amin’ny marina rehetra. Mazava ho azy fa izay rehetra nandray ny Fanahy Masina tamin’ny alalan’ny Sakramentan’ny Batemy sy ny Fankaherezana dia manana adidy hanao ny marina sy hitarika ny olona rehetra hanao ny marina satria ny fahamarinana atoron’ny Fanahy Masina antsika dia avy amin’ny Ray sy ny Zanaka. Indrisy fa manjaka loatra ny tsy fahamarinana, ny lainga sy ny fitaka ary ny fisolokiana isan-karazany koa enga anie izao fankalazana ny Trinite Masina izao hanampy antsika handini-tena ka hahatonga antsika hiaina ny fahamarinana sy ny fitiavana marina satria « efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavan’Andriamanitra », araka ny voalazan’i Md Paoly ao amin’ny Vakiteny Faharoa izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany.


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01