Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany

Alahady 13 martsa 2016

Alahady Fahadimy amin’ny Karemy (Taona D)


 

« Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany »

(Jo. 8: 7)

 

Nambarantsika tamin’ny Alahady heriny fa be fitiavana sy be famindram-po tokoa Andriamanitra. Isika olombelona no mitsaratsara foana ny namana indraindray ary manavakavaka, fa izy kosa dia mandray ny olona rehetra izay manatona azy sy mitalaho ny famindram-pony. Ny fanoharana mahakasika ilay Ray be fitiavana sy be famindra-po no nambaran’i Jesoa tamin’ny Evanjely izay naroson’ny Fiangonana ho antsika tamin’ny Alahady heriny. Androany kosa dia tsy fanoharana intsony no nataony fa tena ilay famindram-po sy famelan-keloka amin’ny maha Andriamanitra azy no nataony manoloana ilay vehivavy nampangain’ny mpanora-dalana sy ny Farisianina fa hoe azo nijangajanga. Ambaran’ity Evanjely androany ity tokoa fa « tamin’izany andro izany i Jesoa dia nankany an-tendrombohitra Oliva, fa nony maraina koa vao niverina tany an-Tempoly Izy, ka nanatona Azy ny vahoaka rehetra, dia nipetraka nampianatra azy ireo Izy. Ary nisy vehivavy anankiray azo nijangajanga nentin’ny mpanora-dalana sy ny Farisianina, ka narosony teo afovoany » (Jo. 8: 1 – 3).

Voalohany indrindra dia voalaza eto fa tamin’izany andro izany i Jesoa dia nankany an-tendrombohitra Oliva, fa nony maraina koa vao niverina tany an-Tempoly Izy. Midika izany fa fanaon’i Jesoa matetika ny makany an-tendrombohitra Oliva mba hivavaka. Io toerana io indrindra no nisamborana azy tamin’ny fotoana nivavahany tao niaraka tamin’ny mpianatra. Efa manoma antsika sady hiditra tsikelikely amin’ny fankalazana ny Paka ity Evanjely ity ary efa mapahafantatra antsika fa tonga ao Jerosalema izy ary manomana ny fotoana hijaliany sy hahafatesany ary hitsanganany ho velona rehefa afaka hateloana. Manaraka izany dia tonga vao maraina tao an-Tempoly Izy. Mazava ho azy fa rehefa avy nivavaka samy irery nandritra ny alina  dia niditra tao an-Tempoly izy mba hiara-mivavaka amin’ny olona rehetra izay tonga mivavaka isan’andro ao. Hitantsika miharihary araka izany fa tena nifandray tsy tapaka tamin’Andriamanitra Ray izay naniraka azy i Jesoa ary mampianatra antsika hazoto mivavaka samy irery ihany koa sy manasa antsika tsy hanao ambanin-javatra ny fiaraha-mivavaka, indrindra ny fivavahana Alahady.

Tamin’io fotoana niverenany tao an-Tempoly io ihany koa dia tonga nanatona Azy ny vahoaka rehetra, dia nipetraka nampianatra azy ireo Izy. Saingy tamin’izay indrindra no voalaza fa nisy vehivavy anankiray nentin’ny mpanora-dalana sy ny Farisianina, ka narosony teo afovoan’i Jesoa satria nambaran’izy ireo fa azo nijangajanga. Araka ny ambaran’ity Evanjely androany ity dia hoy izy ireo tamin’i Jesoa : « Ry Mpampianatra, azo nijangajanga ity vehivavy ity. Ary i Môizy ao amin’ny lalàna dia nandidy antsika hitora-bato ny olona toy izany, fa Ianao kosa mba ahoana, hoy Ianao ? Izy no nanao izany dia ny hakany fanahy Azy, mba hisy hiampangany Azy » (Jo. 8: 4 – 6a). Tena mibaribary eto ny haratsiam-panahy tao amin’ny mpanora-dalana sy ny Farisianina satria ny nitondran’izy ireo ilay vehivavy voalaza fa tratran’izy ireo nijanganjanga dia ny mba hahafahan’izy ireo mahita fomba hiampangana an’i Jesoa. Izany hoe, nataon’izy ireo izay hakana fanahy an’i Jesoa mba hahitan’izy ireo mazava tsara izay heviny mahakasika ny lalàn’ny Moizy, mandidy ny olona tratra tahaka izany hovonoina amin’ny alalan’ny fitoraham-bato.

Manoloana io fihetsiky ny mpanora-dalana sy ny Farisianina io dia ambaran’ny Evanjely fa « i Jesoa kosa niondrika, dia nanoratra tamin’ny rantsan-tanany teo amin’ny tany. Ry zareo amin’izany tsy nitsahatra, fa mbola nanontany Azy ihany, ka nitraka Izy dia nanao taminy hoe : Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany » (Jo. 8: 6b – 7). Azo lazaina fa tsy nahomby ny teti-dratsy nataon’ireto mpanora-dalana sy Farisianina ireto satria tsy niteny tamin’izy ireo i Jesoa hoe mety tokoa ny hitoraham-bato ity vehivavy ity na hoe tsy mety izany ka dia ho avy izy ireo hisambotra azy satria mpandika lalàna. Tsotra ny valin-teny nomeny azy ireo tamin’ny nilazany fa izay tsy manam-pahotana aminareo hoy izy no aoka hitora-bato azy voalohany. Rehefa avy niteny izany i Jesoa dia niondrika indray ary «nanoratra teo amin’ny tany. Fa ry zareo kosa nony nandre izany, dia nihatakataka tsirairay, ny zokinjokiny no lohalalana, ka i Jesoa irery sisa nijanona sy ilay vehivavy teo afovoany. Izay vao nitraka i Jesoa, ka nanao taminy hoe : Ravehivavy, aiza ry zareo niampanga anao teo ? Moa tsy nisy nanameloka anao va ? Novaliany hoe : Tsy nisy, Tompoko. Dia hoy i Jesoa : Izaho koa tsy hanameloka anao. Mandehana, ka aza manota intsony » (Jo. 8: 8 – 11).

Matetika dia miseho amin’ny fiainantsika ihany koa ny fanamelohana ny hafa rehefa mba misy hadisoana kely ataony. Ny tsy fantantsika anefa dia mihoatra lavitra noho ny hadisoana vitan’ny hafa ny vitantsika, saingy tsy misy mpahalala sy tsy misy mpahita miharihary ka dia mihevi-tena ho mendrika sy tsy manan-tsiny. Indraindray ihany koa dia ny lalàna no ahindrahindra sy anamelohana ny hafa fa tsy mijery akory ny lafiny maha olona sy ny maha izy ny tsirairay. Aoka hazava amintsika fa ny lalàna ho antsika Kristianina dia natao harahina sy hohajaina saingy natao hanafaka izy ireny fa tsy natao hanamelohana na hanapotehana ny hafa. Ny tena tanjona amin’ny fampiharana ny lalàna dia ny hitarika ny olona tsirairay ho voavonjy fa tsy sanatria hitarika amin’ny fahaverezana tsy akory. Hitantsika ny nataon’i Jesoa amin’ity Evanjely androany ity. Tsy nilaza velively izy fa tsy tokony harahina ny lalàna saingy tsy ny fampiharana izany mba hanamelohana ho faty ity vehivavy ity ihany koa no namporisihiny fa ny fandinihan-tena eo amin’ny tsirairay.

Tena zava-dehibe tokoa io fahaizana mandini-tena io amin’izao fotoanan’ny Karemy izao. Hitantsika fa tonga saina daholo ireo izay nitondra ity vehivavy ity teo amin’ny Jesoa ka rehefa avy nandini-tena dia niala moramora satria samy nahatsapa fa tsy mendrika ary mpanota mila fibebahana daholo. Tahaka izany, tsy nanameloka ilay vehivavy ihany koa i Jesoa eto, fa nampandini-tena azy ary niteny taminy nanao hoe : « Izaho koa tsy hanameloka anao. Mandehana, ka aza manota intsony ». Tsy nilaza izy hoe mandehana fa mety ny nataonao fa ny nambarany dia ny hoe : « aza manota intsony ». Io teny nataon’i Jesoa io no manamafy amintsika sy amerimberenana hatrany ny fampianaran’ny Fiangonana mahakasika ny famelan-keloka sy ny famindram-pon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Sakramentan’ny Fampihavanana. Tena voavela tanteraka ny fahotantsika rehefa mandray io Sakramenta lehibe io isika, saingy tsy fombafomba ivelany fotsiny no anaovana izany fa mila fibebahana sy fiovan-toetra tanteraka. Isaky ny mandray ny Sakramentan’ny Fampihavana isika dia miteny amintsika i Jesoa manao hoe : « Mandehana, ka aza manota intsony ». Noho izany dia mangataka mandrakariva ny fahasoavany isika amin’izao Alahady Fahadimy amin’ny Karemy izao mba tena hibebaka marina tokoa ka tsy hisalasala hanatona an’i Jesoa amin’ny alalan’ny Sakramentan’ny Fampihavanana satria tsy manameloka antsika izy fa mamela tanteraka ny fahotana rehetra vitantsika.



 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117