Indro efa telo taona izay no tonga nitady voa amin’ity aviavy ity aho

Nampiditra : admin
Daty : 27/02/2016

Alahady 28 febroary 2016

Alahady Fahatelo amin’ny Karemy (Taona D)

 

 

« Indro efa telo taona izay no tonga nitady voa amin’ity aviavy ity aho »

(Lk. 13: 7)

 

Azo ambara fa tena tafiditra tanteraka anatin’ny fankalazana ny Karemy isika izao. Efa voalaza ombieny ombieny ary tsy sasatra isika ny manamafy fa ny fotoanan’ny Karemy dia natao indrindra hifadian-kanina mba hahafahana manao asa soa. Natao indrindra izao fotoana izao mba hivavahana sy hanatonana an’Andriamanitra bebe kokoa amin’ny alalan’ny fibebahana. Ny Alahady voalohan’ny Karemy no nandrenesantsika ny Evanjely nitantara indrindra ny fifadian-kanina nataon’i Jesoa nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina. Manambara ny maha zava-dehibe ny fifadian-kanina ataontsika ihany koa izany amin’izao Karemy izao. Tamin’ny Alahady heriny dia voalazan’ny Evanjely fa « tamin’izany andro izany i Jesoa dia nitondra an’i Piera sy i Jakôba ary i Joany ka niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka. Raha mbola nivavaka Izy, dia niova toetra ny Tarehiny sady tonga fotsy manjopiaka ny fitafiany » (Lk. 9 : 28b – 29). Izany dia manambara ihany koa ny maha zava-dehibe ny fivavahana izay tsy maintsy manova ny fiainantsika amin’izao fankalazana ny Karemy iomanana amin’ny Paka izao.

Vakiteny I : Eks. 3: 1 – 8a, 13 – 15

Tononkira : Sal. 103: 1 – 2, 3 – 4, 6 – 7, 8, 11

Vakiteny II : 1 Kor. 10: 1 – 6, 10 – 12

Evanjely : Lk. 13: 1 – 9

Raha ny Evanjely milaza indrindra ny fiainan’i Jesoa izany no naroson’ny Fiangonana ho antsika tao natin’izay Alahady roa voalohany amin’ny Karemy izay, dia ny maha zava-dehibe ny fibebahana kosa no anasan’i Jesoa antsika androany avy amin’ny alalan’ny fampianarana nomeny. Ambaran’ity Evanjely androany ity tokoa fa « tamin’izany andro izany, nisy olona tonga nilaza tamin’i Jesoa ny nanjo an’ireo Galileanina, fa nalatsak’i Pilaty niaraka tamin’ny soron’izy ireo ny rany. Ary novaliany hoe : Moa ataonareo fa ireny Galileanina ireny dia mpanota mihoatra noho ny Galileanina rehetra matoa nozoin-doza toy izany ? Tsia, hoy Izaho aminareo ; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho very tahaka azy avokoa ianareo rehetra. Na moa ataonareo fa ny olona valo ambin’ny folo maty nianjeran’ny tilikambon’i Silôe no meloka noho ny mponina rehetra tao Jerosalema ? Tsia, hoy Izaho aminareo ; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho very tahaka azy avokoa ianareo rehetra ». (Lk. 13: 1 – 5).

Manoloana ny loza mitranga na voina mahazo dia matetika isika no alaim-panahy hieritreritra fa mety sazy avy amin’Andrimanitra izany na vokatry ny fahotana natao. Ny fomba Jody dia tena nahitana taratra tanteraka izany fomba fisainana izany satria ho azy ireo dia noheverina ho sazim-pahotana ny aretina sy ny kilema ary ny fahafatesana. Hitantsika ohatra ireo voan’ny habokana, ny jamba sy ny marenina izay nositranin’i Jesoa fa dia noheverina ho mpanota na zanaky ny mpanota no nahavoa azy ireny fa tsy noheverina ho aretina toy ny aretina rehetra ihany. Tahaka izany ny fahafatesana amin’ny fomba mahatsiravina araka ny voalazan’ity Evanjely androany ity, izay niheveran’ny olona fa noho ny heloka natao no nahafaty ireo olona novonoin’i Pilaty na ireo izay nianjeran’ny tilikambon’i Siloe. Ny hanova izay fomba fijery izay no nahatonga an’i Jesoa hanazava fa tsy ny olona niharan-doza ihany no heverina ho mpanota ka tokony hibebaka sy hanatona an’Andrimanitra fa ny tsirairay mihitsy. Tsy misy olona afaka mihevi-tena ho mendrika sy tsy manam-pahotana fa samy manana ny kilemy daholo. Tsy hoe rehefa niharan-doza ny olona iray dia mpanota ary tehefa milamina sy tsy misy manahirana dia olo-marina sy mendrika.

Ambaran’i Jesoa amintsika androany eto fa ny olona rehetra no mila fibebahana satria samy mpanota daholo. Mazava ny teniny « fa raha tsy mibebaka hianareo, dia ho very tahaka azy avokoa hianareo rehetra ». (Lk. 13: 3, 5). Fotoana natao hibebahana tokoa izao vanin’andron’ny Karemy izao ka manasa antsika ny Fiangonana mba hazoto handray ny Sakramentan’ny Fampihavanana. Raha misy moa tsy afa-manao izany noho ny fananany sampona ara-tsakramenta dia tokony hanatona ny tompon’andraikitra izy ary hiresaka mazava tsara izay sampona mahazo azy ka miara-mitady vaha olona hanalana izany sampona izany mba hahafahana mandray ireo Sakramenta rehetra omen’ny Fiangonana. Aoka ho tsaroantsika mandrakariva fa ny Fiangonana dia manome vaha olona hatrany amin’ireny sampona mety mahazo antsika ireny ka tsy tokony hisalasala isika fa indraindray noho isika tsy manatona ny tompon’andraikitra no mahatonga antsika tsy handray ny Sakramenta na dia tokony ho afaka manao izany aza. Anatin’ny fotoan-dehibe ankalazana ny Famindram-pon’Andriamanitra rahateo isika izao ka maro ny toro-lalana omen’ny Fiangonana antsika mba hanalana ireny sampona isan-karazany ireny ka aoka isika tsy hisalasala hanantona ny Pretra izay miandraikitra antsika any amin’ny ankohonana misy antsika tsirairay avy any fa afaka manome vaha olana antsika hatrany izy ireo.

Tena be famindram-po tokoa Andriamanitra ary manam-paharetana amintsika na dia mpanota aza isika. Koa rehefa avy nanamafy ny maha zava-dehibe ny fibebahana i Jesoa « dia nanao ity fanoharana ity koa Izy : Nisy lehilahy anankiray nanana aviavy nambolena tamin’ny tanimboalobony, ka nankeo aminy mba hitady voa fa tsy nahita. Dia hoy izy tamin’ny mpiasa ny tanimboalobony : Indro efa telo taona izay no tonga nitady voa amin’ity aviavy ity aho, nefa tsy nahita ; koa kapao io, fa nahoana no manimba ny tany foana eo ? Ary hoy ny mpiasa namaly azy : Aoka re ho eo ihany izy amin’ity taona ity, tompoko, dia hohevoiko ny fotony sady hasiako zezika ; angamba hamoa izy, fa raha tsy izany dia hokapainao ihany izy » (Lk. 13: 6 – 9). Ity fanoharana ity dia tena mahakasika tokoa ny halehiben’ny famindram-pon’Andriamanitra amintsika. Raha ny fahotana natao dia tena mendrika fandringanana tokoa isika ary tokony hotapahina tahaka ny aviavy tsy mamoa, saingy noho ny haben’ny famindram-pony dia omeny fotoana hatrany isika hiovan-toetra sy hibebebahana. Ny fahazotoana mivavaka sy mandray Sakramenta no ambaran’ity Evanjely ity fa fiangaviana nataon’ny mpiasa izay niteny hoe : « aoka re ho eo ihany izy amin’ity taona ity, tompoko, dia hohevoiko ny fotony sady hasiako zezika ; angamba hamoa izy ».

Tsy ity taona ity ihany no omen’Andriamanitra antsika hikolokoloana ny finoana sy hibebahana fa mandritra ny androm-piainantsika. Mazava ho azy fa ny hamonjy antsika no nahatongavan’i Jesoa ary manam-paharetana izy fa isika indraindray no misalasala tsy manatona azy. Koa manainga antsika izy amin’izao Alahady Fahatelo amin’ny Karemy izao mba hahatsapa ny lanjan’izay fibebahana sy fangatahana ny famelan-keloka izay. Izao taonan’ny famindram-pon’Andriamanitra ankalazaintsika izao ihany koa dia manampy antsika handini-tena sy hitalaho ny fahasoavana avy aminy koa raha sendra manana olana na zava-manahirana isika ka tsy afaka mandray ny Sakramenta araka ny tokony ho izy, dia tsy maintsy tsaroantsika mandrakariva fa misy ireo mpiasa izay natao hikoloko ny finoantsika tahaka ny mpiasa nikolokolo ny aviavy mba hamoa, arakany voalazan’ny Evanjely androany. Aoka ary isika tsy hisalasala hanatona azy ireny satria natao hiasa ho antsika izy ireny mba hanampy antsika hivelona bebe kokoa ny finoana.

Tompon’andraikitra voalohany amin’izany ny Eveka sy ny Pretra ka ity Evanjely androany ity dia mampahatsiaro fa manana adidy lehibe izy ireo hitalaho ny famindram-pon’Andriamanitra ho an’ny olona rehetra ka hanao izay azony atao mba hahatonga ny olona handray ny fahasoavana omen’i Jesoa fa tsy sanatria hamela azy ireo ho voaheloka sy hokapaina tahaka ny aviavy tsy mamoa. Matoa mantsy tsy mamoa ny aviavy dia mety ny mpiasa no tsy nanao tsara ny asany. Tahaka izany ihany koa, matoa misy ny Kristianina tsy mandray Sakramenta, dia tsy maintsy manontany tena ihany koa isika Mpandraharaha masiana rehetra raha toa ka nahavita ny adidy izay nanirahana antsika tokoa. Miara-mivavaka ary isika mba tena ho vonona hanatona an’i Jesoa amin’ny fo madio tokoa ary handray ny famelan-keloka amin’ny alalan’ny fanatonana ny Sakramentan’ny Fampihavanana izay adidy lehibe ankininy amin’ny Eveka sy ny Pretra rehetra. Enga anie izao fankalazana ny Alahady Fahatelo amin’ny Karemy izao hanampy antsika hahatsapa fa tena lehibe tokoa ny famindrampon’Andriamanitra ho antsika araka ny voalazan’ny Salamo androany manao hoe : « Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be fitiavana ; tahaka ny lanitra mambomba ny tany, ny fitiavany mambomba ny matahotra Azy » (Sal. 103: 8, 11).


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0516 s.] - Hanohana anay