Ilay ity mandray ny mpanota sy miara-mihinana aminy

Alahady 06 martsa 2016

Alahady Fahaefatra amin’ny Karemy (Taona D)

 

 

« Ilay ity mandray ny mpanota sy miara-mihinana aminy »

(Lk. 15: 2)

 

Ny halehiben’ny fitiavan’Andriamanitra antsika olombelona sy ny famin-drampo tsy hay lazaina ananany no ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao Alahady Fahaefatra amin’ny Karemy izao. Isika olombelona tokoa no mitsaratsara foana indraindray ary manavakavaka fa Andriamanitra kosa dia mandray ny olona rehetra izay manatona azy sy mitalaho ny famindram-pony. Hanatanteraka izany indrindra no nahatongavan’i Jesoa hiara-monina amintsika ombelona ka ilay toetra maha Andriamanitra be fitavana azy no nentiny niaina niaraka tamin’ireo niara-nonina taminy. Tsy nanavakavaka izy ary nandray ny olona rehetra, indrindra ny madinika sy ireo heverin’ny fiarahamonina ho mpanota. Tsy nahazo izany ny Farisiana sy Mpanora-dalàna ka nimonjomonjo taminy araka ny voalazan’ity Evanjely izay vakiana amintsika androany ity. « Tamin’izany andro izany dia nanatona an’i Jesoa ny Poblikanina sy ny mpanota ka nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: “Ilay ity mandray ny mpanota sy miara-mihinana aminy”. » (Lk. 15 : 1 – 2). Tsy namaly mivantana ireto Farisiana sy Mpanora-dalàna ireto anefa i Jesoa fa fanoharana no nambarany tamin’izy ireo mba hanazavany fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra ary be fitiavana sy be famindram-po ka mandray ny olona rehetra tsy misy avakavaka, indrindra ny mpanota izay mangataka ny famelan-keloka avy aminy

Manoloana ny Farisiana sy ny Mpanora-dalàna izay nimonjomonjo « dia nanao ity fanoharana ity tamin’izy ireo i Jesoa nanao hoe : « nisy lehilahy anankiray nanan-janaka mirahalahy, ka hoy ilay zandriny tamin-drainy: “Dada ô, omeo ahy ny anjara fananana tokony ho ahy”. Dia nozarainy tamin’izy roa lahy ny fananany » (Lk. 15 : 11 – 12). Efa nambarantsika teto ihany ary tsara ny mampahatsiahy fa ny tantaran’ilay zaza mpandany no mahazatra antsika rehefa mihaino ity fanoharana nataon’i Jesoa ity. Saingy ny tena izy dia ity fanoharana ity no antsoina hoe fanoharana ny amin’ilay Ray be fitiavana sy be famindra-po. Raha dinihinana lalina tokoa  ny fampianaran’i Jesoa izay nomeny tamin’ny alalan’ity fanoharana ity dia mazava ny tiany hambara fa tonga hamonjy ny olombelona mpanota izy fa tsy ireo izay mihevi-tena ho masina sy marina ka tsy mila fibebahana. Asehony miharihary fa be famindram-po Andriamanitra ka na eo aza ny fahotana vitantsika olombelona dia mandray antsika mandrakariva izy rehefa miverina aminy sy mibebaka marina isika amin’ny alalan’ny fandraisana ny Sakramentan’ny Fampihavanana.

Anatin’ny fotoan-dehibe ankalazana ny Karemy isika izao, efa Alahady fahaefatra amin’ny Karemy sahady androany, izany hoe andro vitsivitsy sisa dia ho tonga ny Paka. Manaraka izany dia fantantsika tsara fa anatin’ny taona manokana ankalazana ny famindram-pon’Andriamanitra isika ka miverimberina matetika ny fanentanana antsika fa ny fotoanan’ny Karemy sy ity taona manokana ankalazaintsika ity dia manan-daja sy saro-bidy tokoa hibebahana sy hiverenana amin’Andriamanitra ary handraisana ny famindram-pony. Tsy mahagaga ary raha ity Evanjely mitantara ny fanoharana mahakasika ny Ray be fitiavana sy be famindram-po ity no aroso antsika androany mba hahafahantsika tena mandini-tena marina tokoa sy manao jeri-todika amin’izay ezaka antaontsika amin’izao Karemy izao sy mandritra ity taona Masina ankalazana ny famindram-pon’Andriamanitra ity.

Efa naverimberintsika matetika teto ny fanazavana mahakasika ny maha zava-dehibe ny Sakramentan’ny Fampihavanana, izay Sakramentan’ny fitiavana mahatonga antsika handray ny famelan-keloka avy amin’Andrimanitra sy mahatonga antsika hihavana tanteraka amin’ireo olombelona namantsika, rehefa avy miaiky heloka sy mibebaka marina isika. Ity fanoharana ambaran’ny Evanjely androany ity no anazavan’i Jesoa amintsika mazava tsara ny mahakasika izany satria voalazany fa « nony afaka andro vitsivitsy, dia nangonin’ilay zandriny ny fananany rehetra ka lasa nankany an-tany lavitra izy, nandany ny fananany tamin’ny fitondran-tena ratsy. Rehefa laniny avokoa ny fananany rehetra, dia nisy mosary lehibe tamin’izany tany izany ka nahantra izy. Dia lasa ny anao nikarama tamin’ny tompon-tany anankiray tany, ka nirahiny hiandry kisoa tany an-tsaha. Naniry hivoky tamin’ny hodiboan-javatra nohanin’ny kisoa izy, fa tsy nisy nanome azy. Izay vao nody ny sainy ka hoy izy : Firifiry akory moa ny mpikaraman’i dada no manan-kanina be, nefa izaho kosa ity maty noana aty ! Hitsangana aho ho any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe : Dada ô ! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hantsoina hoe zanakao intsony ; fa mba ataovy tahaka ny anankiray amin’ny mpikaramanao re aho » (Lk. 15 : 13 – 19).

Mazava ny fanoharana nomen’i Jesoa fa na be famindram-po sy be fitiavana aza Andriamanitra dia manam-paharetana ihany koa izy ary miandry ny fiverenantsika mpanota aminy indray. Midika izany fa raha tiantsika ny hahazo ny famelan-keloka sy ny famindram-po dia tsy maintsy miezaka aloha isika hahatsapa ny hadisoana vitantsika ary manenina mafy amin’izany ka rehefa tonga saina sy vonona ny hibebaka marina dia tsy misalasala ny mandray fanapahan-kevitra hitalaho izay famindram-po avy aminy izay. Hitantsika amin’ity fanoharana ity fa, mba hahafahan’ilay zaza mpandany mahazo ny famelan-keloka avy amin’ny rainy dia vonona izy ny hiaky heloka ary handray izay sazin’ny heloka nataony na dia hiafara amin’ny tsy fandraisana azy tsy ho zanaka intsony aza izany fa mba handraisina azy ho tahaka ny anankiray amin’ny mpikarama ao an-trano. Tsara mazava tsara amintsika araka izany fa ny famelan-keloka sy ny famindram-po dia tsy azo sarahina velively amin’ny fieken-keloka sy fahavononana hanao asa fanonerana amin’izay tsy mety atao.

Ny tiana hohamafisina manolona ity fampianaran’i Jesoa ity dia ny fahaizantsika miaky ny hadisona vitantsika ihany koa ary manome toky fa tsy hamerina intsony izany hadisoana izany ka manaiky amim-pitiavana hanao fanonerana izay tsy nety natao tamin’ny hafa. Tsy amin’ny Sakramentan’ny Fampihavanana ihany fa amin’ny fiainantsika andavan’andro mihitsy no tsy maintsy anaovantsika izany. Zavatra fahita matetika eny anivon’ny fiarahamonina eny ny filazana fa taonan’ny famindram-po izao ka tokony hahay hamindra fo. Tena marina izany ary tokony hanao izany tokoa isika rehetra, saingy aoka ho tsaroantsika ihany koa fa raha tiantsika ny hahazo ny famindram-po sy hihavana marina amin’ny hafa dia tsy ny famindram-po no takina mialoha fa ny fieken-keloka avy amin’ny tena aloha no tsy maintsy atao, rehefa izany dia manome toky fa tsy hamerina intsony ny ratsy natao ary farany dia miezaka araka izay tratra hanonitra izay tsy mety natao satria tsy azo lavina fa izay rehetra ataontsika amin’ny hafa dia misy fiatraikany hatrany amin’ny fiainany ka raha tsy manome fanonerana azy isika dia tsy ho feno ny famindram-po angatahintsika aminy.

Aoka anefa ho tsaroantsika mandrakariva fa ny famindram-pon’Andriamanitra dia tsy misy fetra ary maimaim-poana ka na mbola eny an-dalana hibebaka aza isika dia efa mamela ny fahotantsika izy. Tahaka ny volazan’ny fanoharana izay omen’i Jesoa antsika androany manao hoe : mbola lavitra kosa ilay zaza mpandany, « dia nahatazana azy rainy, ka onena nidodododo nitsena azy, ary namihina ny vozony sy nanoroka azy » (Lk. 15 : 20). Tahaka izany no ataon’Andriamanitra amintsika, isaky ny manatona Azy amin’ny alalan’ny Sakramentan’ny Fampihavanana isika. Tsara hamafisina ary fa ny Sakramentan’ny Fampihavanana dia Sakramentan’ny fitiavana izay andraisan’Andriamanitra antsika ka ilazany amintsika fa « ity zanako ity dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray » (Lk. 15 : 24). Amin’izao Alahady Fahaefatra amin’ny Karemy izao ary dia misaotra an’Andriamanitra lehibe isika satria na mpanota tsy mendrika aza dia amindrany fo sy raisiny amim-pitiavana ary mahazo ny famelan-keloka hatrany rehefa manatona ny Pretra ka mandray io Sakramentan’ny Fampihavanana io. Enga anie izay famindram-pony izay no hameno ny fiainantsika isan’andro ka hahatonga antsika ho mpamindra fo tahaka azy ihany koa amin’izao taona manokana ankalazantsika ny Jobilin’ny Famindram-pon’Andriamanitra izao.

 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103