“Hisy hafaliana lehibe any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka” (Lk 15, 1-32)
Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.
Ray aman-dreny tsy mahafoy zanaka Andriamanitra. Ny iriany dia ny mba hahafantsika rehetra tsirairay handova ny lanitra feno hasambarana mandrakizay; lanitra lavitrin’ny ranomaso sy ny fijaliana, lanitra tsy misy dahalo sy mpilaiso mandatsaka aina, lanitra anjakan’ny fiadanana sy ny fandriampahalemana, lanitra tsy misy mahery fihetsika ara-pinoana sy firehan-kevitra. Izany no lanitra anjara lovantsika olombelona rehetra tsy misy avakavaka; tsy anavahana finoana na antoko politika, tsy anavahana volon-koditra na lokon-kolontsaina, tsy anavahana fiaviana na firazanana. Fa samy zanak’Andriamanitra isika rehetra ary samy zanany tiany; samy zanany lalainy sy tsy foiny satria nohariany mitovy endrika Aminy. Na mainty ianao na fotsy, na maditra na hendry, na degany na mandamina, na HVM na TIM, dia tian’Andriamanitra Ray amin’ny maha ianao anao ary antsoiny handova ny lanitra miaraka Aminy, higoka ny hasambarana tsy manam-pahataperana. Noho izany, ny tsirairay amintsika dia manana zo feno handova ny lanitra.
Saingy tahaka ny zo rehetra dia misy adidy takiana; tsy afaka hitonona ho mpitondra ny anarandray ny taranaka raha tsy mahavita ny adidy takiana amin’izany fandovana ny anarandray izany. Ny adidy takiana amiko sy aminao mba hahafantsika manana zo feno handova ny lanitra dia ny Finoantsika fa Andriamanitra no Tompo ary Izy irery no mendrika ho tompoina. Raha manompo andriamanitra hafa isika, toy ny nataoin’ireo zanak’Israely tany an’efitra (Eks 32,4), dia mazava hoazy fa tsy hanana zo handova ny lanitra ary tsy mendrika ny hantsoina hoe zanak’Andriamanitra. Andriamanitra Ray dia mijanona ho raintsika fa isika mihitsy, noho ny fahotana natao teo anatrehany no manary tena tsy ho zanany ka mandao Azy. Izany no atao hoe fahotana.
Ny fahotana dia izay rehetra ataontsika amin’ny fihetsika, na fiteny, na eritreritra tsy mifanaraka amin’ny irin’Andriamanitra hiainantsika ka mampisaraka antsika Aminy. Izany hoe: izay rehetra ataoko ka tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra Ray dia fahotana. Raha atao bango tokana, ny fahotana dia ny “ratsy sy fankahalana” satria Andriamanitra dia “Tsara ary Fitiavana”. Rehefa manao ny ratsy isika ary manao fihetsika manohitra ny fitiavana dia manalavitra an’Andriamanitra ary manary tena tsy ho zanany. Rehefa manao tsinotsinona ny Fitiavana aho dia manao tsinotsinona ihany koa ny zo maha zanak’Andriamanitra ahy ary manalavitra ny làlana idirako amin’ny lanitra anjara lovako.
Fa soa ihany Andriamanitra fa mpamindra fo ary tsy mitana heloka. Ary ny tena mahavariana aza, rehefa miverina Aminy isika amin’ny fon-janaka manetry tena sy manenina amin’ny tsy mety natao, dia Izy indray no faly sy mihidakida-karavoana voalohany. Ary lehibe lavitra noho izanyaza fa Izy mihitsy no mandeha mitady antsika any amin’izay ahaverezantsika, ary tonga amin’ilay ohabolan-drazantsika hoe “ny zanaka mahafoy ray aman-dreny fa ny ray aman-dreny tsy mahafoy zanaka”. Tsy foin’Andriamanitra hisy ho very isika na dia iray aza ka dia Izy mihitsy no mandadilady sy manambitamby antsika hiverina Aminy mba hahatonga antsika higoka ny hasambarana maha-zanaka miaraka Aminy. Izany no endrik’Andriamanitra sy ny Fitiavany mihoam-pampana itiavany ahy sy ianao. Ny filazana anefa fa hoe “Hisy hafaliana lehibe any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka” (Lk 15, 1-32) dia tsy midika fa fanaovana tsinontsinona ireo olo-marina tsy mila fibebahana intsony, fa kosa halalin-teny entina hilazana ny halehibeazan’ny hafalian’Andriamnitra amin’ny fiverenantsika eo anatrehany indray. Sarobidy eo imason’Andriamanitra aho, ianao, isika rehetra; tsy misy tiany ho very na iray aza fa tiany higoka miaraka Aminy ny hasambarana mandrakizay dieny ety an-tany. Koa aza mangataka andro àry, aza atao ela; miverèna amin’Andriamanitra fa mivoha midanadana ny Tranony mafana Fitiavana.
Mirary alahady finaritra.
Mompera Nary