Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie any amin’ny avo indrindra

Nampiditra : admin
Daty : 19/03/2016

Alahady 20 martsa 2016

Alahadin’ny Sampakazo (Taona D)

 

« Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie any amin’ny avo indrindra »

(Lk. 19: 38)

 

Miditra anatin’ny Herinandro Masina isika manomboka anio ka mankalaza ny Alahadin’ny Sampakazo izay ahatsiarovana indrindra ny nidiran’i Jesoa tao Jerosalema, fony izy nanatanteraka hatramin’ny farany ny misterin’ny fanavotany antsika olombelona. Tahaka ny isan-taona dia misy roa ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany, ny voalohany dia ny vakiana mandritra ny fitsofandrano ny Sampakazo ary ny faharoa dia ny Evanjely mitantara ny Fijalian’i Jesoa Kristy. Ambaran’ny Evanjely voalohany izay aroson’ny Fiangonana ho anatsika ary fa « nony mby akaikin’i Betifage sy i Betania anilan’ny tendrombohitra Oliva i Jesoa, dia naniraka ny mpianany roa lahy, nanao hoe : Mankanesa amin’itsy vohitra aloha itsy, fa rehefa miditra ao ianareo dia hahita zanak’ampondra mifatotra tsy mbola nitaingenan’olona, ka vahao izy dia ento aty. Ary raha misy manontany anareo hoe : Nahoana io no vahanareo ? valio hoe : Misy ilàn’ny Tompo azy » (Lk. 19 : 28 – 31).

Betifage sy i Betania moa dia tanana tsy lavitra avy ao Jerosalema satria ambaran’ity Evanjely ity fa anilan’ny tendrombohitra Oliva izay toerana falehan’i Jesoa matetika rehefa mivavaka izy ary tao amin’io toerana io no nisamborana azy mialohan’ny nijaliany sy ny nahafatesany. Io fahatongavany ao Jerosalema io dia manambara mazava amintsika fa vonona tanteraka hiatrika ny fijalina sy ny fahafatesana izay tsy maintsy hanjo azy i Jesoa. Mialoha izany anefa dia tiany hampahafantarina fa Mpanjaka izy ary nirahin’Andriamanitra Ray hamonjy ny olona rehetra. Tsy Mpanjaka araka ny fihevitr’olombelona anefa no nisehoany teo anivon’ny olona fa Mpanjaka manetry tena sy malemy fanahy. Tamin’izany fotoana izany mantsy dia soavaly sy kalesy no nitaingenan’ny mpanjaka, fa ny an’i Jesoa kosa dia ampondra no mba nitaingenany araka ny voalazan’ity Evanjely androany ity manao hoe : « Dia lasa ireo iraka ka nahita ny zavatra araka ny voalazan’i Jesoa taminy. Teo am-pamahana ny zanak’ampondra dia hoy ny tompony tamin’izy ireo : Nahoana no vahanareo ity zanak’ampondra ? Ka novaliany hoe : Misy ilàn’ny Tompo azy. Dia nentiny tany amin’i Jesoa ny zanak’ampondra, ka nataony teo amboniny ny fitafiany, dia natainginy teo i Jesoa » (Lk. 19 : 32 – 35).

Teo amin’ny fiarahamonina Jody dia ny olon-tsotra sy ny mahantra no mampiasa sy mitaingina ampondra. Mampahatsiaro antsika an’i Maria sy Josefa rehefa nadeha nisoratra anarana tany Betelehema sy nandositra tany Ejipta izany. Mazava ho azy fa ampondra no nitondra an’i Jesoa tamin’ny fotoana niterahana azy ary mbola ampondra ihany koa no nitaingenany rehefa niditra tamim-boninahitra tao Jerosalema izy. Manambara izany fa tena tao anatin’ny halemem-panahy tanteraka no nanatanterahany ny asam-pamonjena nanirahana azy. Ambaran’ity Evanjely ity fa tamin-kafaliana no nandraisan’ny olona azy sy nihobian’izy ireo azy ho Mpanjaka satria « nony nandroso izy, dia novelaran’ny olona ny fitafiany ny làlana. Ary rahefa mby akaikin’ny fidinana amin’ny tendrombohitra Oliva izy, dia nientan-kafaliana ny mpianany maro be ka nankalaza an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery, noho ny fahagagana rehetra hitany. Hankalazaina anie, hoy izy ireo, ny Mpanjaka avy amin’ny anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie amin’ny avo indrindra! » (Lk. 19 : 36 – 38).

Vakiteny I : Iz. 50: 4 – 7

Tononkira : Sal. 22: 8 – 9, 17 – 18a, 19 – 20, 23 – 24

Vakiteny II : Fi. 2: 6 – 11

Evanjely :  Lk. 19: 28 – 40 (Fitsofandrano ny sampakazo)

Lk. 22: 14 – 71, 23: 1 – 56

Na teo aza anefa izay fihobian’ny vahoaka azy ho Mpanjaka izay dia fantatr’i Jesoa mazava tsara fa tsy maintsy hijaly izy ary hovonoina mba ho fanavotana antsika olombelona. Izay indrindra no mahatonga ny Fiangonana hanome antsika ihany koa androany ny Evanjely mitantara ny Fijalian’i Jesoa Kristy. Mazava araka izany fa tsy afa-misaraka ny maha Mpanjaka azy sy ny fanolorany ny tenany mba hampijalina sy hovonoina ho faty. Fantany rahateo fa tonga ny fotoana izay hanatanterahany izany satria « nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana izy sy ny Apostoly roa ambin’ny folo lahy. Ary hoy izy tamin’izy ireo : Naniry dia naniry hiara-mihinana ity Paka ity aminareo aho alohan’ny hijaliako, fa lazaiko aminareo fa tsy mba hihinana azy intsony aho mandra-pahatanterany any amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Dia nandray kalisy izy ka nisaotra, ary nanao hoe : Raiso ity, ka zarao aminareo ; fa lazaiko aminareo fa hatramin’izao dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony aho mandra-pahatongan’ny fanjakan’Andriamanitra. Rahefa izany, dia nandray mofo izy, ka nony efa nisaotra dia namaky azy, sy nanome azy ireo nanao hoe : Ity no vatako, izay atolotra ho anareo ; manaova izany ho fahatsiarovana ahy. Dia nataony toy izany koa ny kalisy rahefa avy nihinana, ka hoy izy : Ity kalisy ity no fanekena vaovao amin’ny rako, izay alatsaka ho anareo » (Lk. 22 : 14 – 20).

Ambaran’ity Evajely mitantara ny Fijalian’i Jesoa Kristy ity fa nandritra io fotoana niarahany tamin’ny Apostoly roa ambin’ny folo lahy io dia « velona koa ny ady hevitra tamin’izy ireo, momba ny hahalalany izay lehibe indrindra amin’izy ireo, ka hoy Jesoa taminy : Amin’ny jentily ny mpanjaka no mizaka azy rehetra, ary izay mandidy azy no atao hoe mpanao soa ; fa aminareo kosa tsy mba toy izany, fa aoka izay lehibe aminareo no ho toy ny zandry, ary izay mandidy no ho toy ny mpanompo. Fa iza moa no lehibebe kokoa, ny mihinana amin’ny latabatra va sa ny manompo ? Moa tsy ny mihinana amin’ny latabatra va ? Ary izaho anefa eto aminareo dia toy ny mpanompo. Hianareo moa, naharitra nanaraka ahy tamin’izay nanjo ahy, izaho kosa hanamboatra fanjakana ho anareo, tahaka ny nanamboaran’ny Raiko fanjakana ho ahy, mba hihinananareo sy hisotroanareo eo amin’ny latabatro any amin’ny fanjakako, ary hipetrahanareo amin’ny seza fiandrianana hitsara ny foko roa amin’ny folo amin’Israely » (Lk. 22 : 44 – 30).

Hamafisin’i Jesoa eto ny maha Mpanjaka malemy fanahy azy ary anasany ny Apostoly mba hanao tahaka izany. Isika ihany koa dia asainy hanana halemem-panahy sy fanetren-tena satria mpanara-dia azy sy efa natsangan’Andriamanitra ho zanany tamin’ny Batemy noraisintsika. Koa amin’izao fotoan-dehibe izao, izay ankalazantsika indrindra ny Sampakazo sy idirantsika amin’ny Herinandro Masina fiomanana amin’ny Paka dia miara-mivavaka isika mba homen’i Jesoa ny fahasoavany ka ho ao amintsika tokoa ireo toetra sy hatsaram-panahy volazany ireo. Fotoana fandinihan-tena izao Herinandro Masina iomanana amin’ny Paka izao, koa enga anie ny fahasoavan’Andriamanitra no hameno ny fiainantsika tsirairay avy mba hahafahantsika manara-dia an’i Jesoa marina tokoa ka hanaiky hanompo ny namana fa tsy ho tompoina araka ny voalazan’i Md Paoly amin’ny Vakiteny Faharoa androany manao hoe : « na dia tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza i Kristy, dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra ho zavatra nobaboiny, fa nialany izany tamin’Izy naka ny fomban’ny mpanompo, ka tonga mitovy amin’ny olombelona, sy hita ho olombelona tamin’ny fisehoany rehetra, ary nilatsa-Tenany ho ambany, hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana » (Fi. 2: 6 – 8).




 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0981 s.] - Hanohana anay