Dia niondrika izy ka nahita ny lamba nipetraka teo

Alahady 27 martsa 2016

Alahadin’ny Paka (Taona D)

« Dia niondrika izy ka nahita ny lamba nipetraka teo »

(Jo. 20: 5)

 

Voalazan’i Md Paoly tamin’ny Vakiteny Faharoa izay naroson’ny Fiangonana ho antsika tamin’ny Alahady heriny fa : « na dia tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza i Kristy, dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra ho zavatra nobaboiny, fa nialany izany tamin’Izy naka ny fomban’ny mpanompo, ka tonga mitovy amin’ny olombelona, sy hita ho olombelona tamin’ny fisehoany rehetra, ary nilatsa-Tenany ho ambany, hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana » (Fi. 2: 6 – 8). Tamin’ny alalan’io fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana io no nanolorany ny ainy manontolo ho famonjena antsika olombelona mpanota. Zava-poana anefa izany raha tsy nitsangana tamin’ny maty izy satria efa voalazany ombieny ombieny fa tsy maintsy ho faty izy saingy hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo. Io fitsanganany ho velona io no ankalazaintsika amin’izao Alahadin’ny Paka izao.

Tena nitsan-ko velona tokoa i Jesoa, nandresy ny fahafatesana izy ary velona mandrakizay ka manome aina vaovao ho antsika mino ka mandray azy ho Tompo sy Mpamonjy. Raha raisina amin’ny fisainan’olombelona fotsiny dia sarotra ny hino fa tena nitsangana tamin’ny maty tokoa ny Tompo. Ho antsika mpanara-dia an’i Kristy kosa dia tsy misy isalasalana fa tena velona tokoa izy ary ireo vavolombelona nahita maso ny fitsanganany no manambara amintsika izany fahamarinana tsy azo lavina izany. Ny Vakiteny Voalohany aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao Alahadin’ny Paka izao no mitantara ny toriteny nataon’i Piera izay nijoro ho vavolombelona ary nanambara mazava tsara fa tena nitsangana tamin’ny maty tokoa i Jesoa ary izy no vavolombelona nahita maso fa tena niara-nihinana sy nisotro taminy taorian’io fitsanganany ho velona io.

Ambaran’ny Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly araka izany fa : « nony tonga tany Sezarea i Piera tao an-tranon’i Kôrnely, dia niloa-bava hoe : Fantatrareo ny zavatra tanteraka eran’i Jodea manontolo, nanomboka tany Galilea taorian’ny batemy notorîn’i Joany : dia ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny heriny, ka nandeha nanao soa hatraiza hatraiza, nahasitrana izay rehetra azon’ny demony, satria nomba Azy Andriamanitra. Ary izahay no vavolombelon’ny zavatra rehetra nataony tany amin’ny tanin’ny Jody sy tany Jerosalema. Dia novonoiny Izy nahantony tamin’ny hazo ; nefa natsangan’Andriamanitra kosa Izy tamin’ny andro fahatelo, sady nasehony miharihary, tsy tamin’ny olona rehetra, fa tamin’ny vavolombelona efa voatendrin’Andriamanitra rahateo, dia taminay, izay niara-nihinana sy nisotro taminy, rehefa nitsangan-ko velona Izy. Izy nandidy anay hitory amin’ny vahoaka sy hanambara fa Izy no voatendrin’Andriamanitra ho mpitsara ny velona sy ny maty ». (Asa. 10: 34a, 37 – 42).

Io fijoroana ho vavolombelona nataon’i Piera io dia manambara mazava tsara amintsika fa tsy tantara noforonina ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty fa tena zava-nisy marina ary tsy izy irery ihany no vavolombelon’izany fa ireo mpianatra rehetra dia voalazany eto fa nahita azy satria niara-nihinana sy nisotro taminy rehefa tafatsangana tamin’ny maty izy. Ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ihany koa dia efa nilaza mazava tsara mahakasika izany satria ambaran’ity Evanjely ity fa « tamin’ny andro voalohan’ny herinandro, dia lasa maraina koa mbola maizina nankany amin’ny fasana Madelena, ka nahita fa voaesotra tamin’ny fasana ny vato. Dia lasa izy nihazakazaka nankany amin’i Simona Piera sy ilay mpianatra malalan’i Jesoa, ka nanao tamin’ireo hoe : Nalain’olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany azy » (Jo. 20: 1 – 2). Nitebiteby ny fon’i Madelena ary nalahelo tokoa satria noheveriny fa nangalarin’olona ny fatin’i Jesoa. Tamin’ny fomba Jody dia maro ny fombafomba tsy maintsy atao rehefa mandevina mba tena ho araka ny tokony ho izy ny fandevenana ny olona iray rehefa maty. Tsy afaka natao izany anefa i Jesoa satria noho izy maty andro mialohan’ny Sabata sady Pakan’ny Jody rahateo dia voatery nalevina haingana tsy nisy fikarakarana loatra mba tsy ho tratr’izany andro lehibe izany.

Hanatanteraka io fombafomba tsy maintsy atao io no nandehanan’i Madelena vao maraina koa mbola maizina nankany amin’ny fasana. Ireo Evanjely hafa moa dia milaza mazava tsara fa tsy i Madelena irery no nandeha tany fa nisy vehivavy maromaro izy ireo no niaraka mba hanatanteraka izany fomba izany. Tsy tao am-pasana intsony anefa i Jesoa ka noheveren’i Madelena fa nalain’olona ny fatiny ary lasa izy nihazakazaka nankany amin’i Simona Piera sy ilay mpianatra malalan’i Jesoa. Ambaran’ity Evanjely ity ary fa rehefa nandre izany ireto mpianatra ireto dia lasa « nankany amin’ny fasana, ka niara-nihazakazaka izy roa lahy, saingy nandeha faingampaingana kokoa ilay mpianatra anankiray, ka tonga talohan’i Piera tao amin’ny fasana. Dia niondrika izy ka nahita ny lamba nipetraka teo, nefa tsy niditra. Nony tonga kosa i Piera nanarakaraka azy, dia niditra tao am-pasana ka nahita ny lamba nipetraka teo, sy ny lamba nasarona ny lohany, tsy niara-nipetraka tamin’ny lamba fa nivalona nitokana tery. Dia niditra koa ilay mpianatra izay tonga taloha teo amin’ny fasana, ary nahita ka nino. Fa tsy mbola fantatr’izy ireo ny Soratra Masina milaza fa tsy maintsy hitsangan-ko velona i Jesoa » (Jo. 20: 4 – 9).

Io tsy fahitan’ny mpianatra ny fatin’i Jesoa io no porofo manambara fa tena nitsangana tamin’ny maty tokoa izy ary tsy tao am-pasana intsony fa ireo lamba nifonosany no sisa tavela tao. Marina fa araka ny ambaran’ity Evanjely ity dia tsy mbola fantatr’izy ireo ny Soratra Masina milaza fa tsy maintsy hitsangan-ko velona i Jesoa, saingy ny fahitan’izy ireo ny zava-niseho dia manamafy fa tsy maty intsony izy fa velona araka ny efa voalazany mialohan’ny nahafatesany. Io fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty io no fototra iorenan’ny finoantsika satria tahaka ilay mpianatra tonga taloha teo amin’ny fasana, izay nahita ka nino dia tsy misalasala ihany koa isika ny manambara fa tena mino ary manambara fa nitsangana tamin’ny maty tokoa i Jesoa Kristy Tompo ary velona mandrakizay ka miara-monina amintsika sy mitoetra ao am-pontsika isaky ny mandray azy amin’ny Eokaristia isika.

Izao fankalazantsika ny Paka izao indrindra no anasan’ny Fiangonana antsika hanamafy hatrany izay finoantsika izay koa miara-mivavaka isika androany mba tena hanana finoana mafy orina tsy azo hozongozonina fa tena velona miaraka amintsika tokoa i Jesoa ary hitarika antsika indray andro any ho velona mandrakizay miaraka aminy rehefa ho avy ny fotoana hialantsika amin’ity tany fandalovana ity araka ny voalazan’i Md Paoly amin’ny Vakiteny faharoa androany manao hoe : « Ry kristianina havana, raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho : ny zavatra any ambony no ankafizo, fa aza ny zavatry ny tany. Fa maty ianareo, ary miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra ny fiainanareo; fa rehefa hiseho i Kristy izay fiainantsika, vao hiara-miseho aminy amim-boninahitra koa ianareo » (Kol. 3: 1 – 4). Enga anie isika rehetra mino azy mba samy hiara-miseho amin’i Kristy amim-boninahitra tokoa rehefa ho tonga ny fotoana hananganany ny maty rehetra ka hitsangan-ko velona toa azy ihany koa.


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0698