Dia nanatona i Jesoa, nandray ny mofo, sy nanome azy ireo

Nampiditra : admin
Daty : 09/04/2016

Alahady 10 Avrily 2016

Alahady Fahatelo amin’ny Paka (Taona D)

« Dia nanatona i Jesoa, nandray ny mofo, sy nanome azy ireo » (Jo. 21 : 13)

 

Ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty dia tsy tantara noforonina fa tena zava-nisy marina araka ny efa voalazantsika ombieny ombieny. Hatramin’ny Alahadin’ny Paka dia ireo Evanjely mitantara fa velona tokoa i Jesoa no naroson’ny Fiangonana ho antsika. Maro ny zava-niseho taorian’io fitsanganan’i Jesoa ho velona io ary maro tahaka izany ihany koa ireo vavolombelona nahita maso azy ka nanambara fa tena velona tokoa izy. Mitohy amin’izao fankalazantsika ny Alahady Fahatelo amin’ny Paka izao ny fanomezan’ny Fiangonana antsika ny Evanjely izay mitantara ny fisehoan’i Jesoa tamin’ny mpianatra taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Nambaran’ny Evanjely tamin’ny Alahady heriny fa « ny harivan’ilay andro voalohan’ny herinandro, raha nirindrina ny varavaran’ny trano nivorian’ny mpianatra noho ny fahatahorany ny Jody, dia tonga i Jesoa ka nitsangana teo afovoany, sy nilaza tamin’izy ireo hoe ; Ho aminareo anie ny fiadanana ! Nony efa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ireo ny Tanany sy ny Tratrany, ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo » (Jo. 20 : 19 – 20).

Taorian’ny nitsanganany ho velona dia matetika i Jesoa no niseho tamin’ny mpianatra izay nihidy an-trano noho ny fahatahorana ny Jody. Azo lazaina fa tena kivy tanteraka ireo mpianatra ireo ary toa very fanahy satria tsy manan-kiateherana intsony. Noho izay hakiviana izay dia nihevitra izy ireo fa tsy misy azo antenaina intsony ka tsara raha miverina amin’ny asa fanao mahazatra talohan’ny niantsoan’i Jesoa azy ireo. Tamin’io fotoana io anefa no niseho tamin’izy ireo indray i Jesoa ary nankahery azy ireo. Izany indrindra no ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany satria « tamin’izany andro izany i Jesoa dia niseho tamin’ny mpianany indray, teo amoron’ny ranomasin’i Tiberiady, ary toy izao no nisehoany : Tafaraka i Simôna Piera sy i Tômà izay atao hoe Didimo, ary i Natanaely izay avy tany Kanàn’i Galilea, mbamin’ireo zanak’i Zebede sy mpianatra roa lahy hafa koa. Fa hoy i Simôna Piera tamin’izy ireo : Handeha hanarato aho. Fa hoy ireo taminy : Handeha hiaraka aminao koa izahay. Dia nandeha izy rehetra ka niditra tao an-tsambo kely, nefa tsy nahazo na inona na inona izy tamin’iny alina iny » (Jo. 21 : 1 – 3).

Raha dinihintsika lalina ny ambaran’ity Evanjely androany ity dia mampahatsiaro avy hatrany ny zava-niseho tamin’ny fotoana niantsoan’i Jesoa ny mpianatra voalohany. Tsy hafa fa ireto mpianatra ireto no nantsoin’i Jesoa tamin’izany fotoana izany araka ny nambaran’ny Evanjely izay naroson’ny Fiangonana ho antsika tamin’ny Alahady Faha-5 tsotra Mandavantaona (Taona D) ary efa nifampizarantsika teto ihany koa. Nambaran’io Evanjely io fa « tamin’izany andro izany raha nijoro teo amoron’ny farihin’i Genezareta izy, dia nifanesika taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin’Andriamanitra. Nahita sambo kely roa niantsona teo amoron-drano izy (fa niala hanasa ny haratony ny mpanarato), dia niditra tamin’ny sambo kely anankiray izay an’i Simona ka nangataka taminy mba hihataka kely amin’ny tany, vao nipetraka teo an-tsambo kely nampianatra ny vahoaka. Rahefa nitsahatra niteny izy, dia nanao tamin’i Simona hoe : Mandrosoa eny amin’ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano ; fa hoy ny navalin’i Simona azy : Tompoko, efa niasa mafy nandritra ny alina izahay, fa tsy nahazo na inona na inona ; nefa noho ny teninao dia halatsako ihany ny harato. Nony nanao izany izy, dia nahazo hazandrano be dia be ka nisy triatra ny haratony. Ary nanàtsika ny namany izay teny amin’ny sambo kely hafa izy ireo mba ho avy hanampy azy; dia tonga ireo, nofenoiny ny sambo kely roa ka efa saika nilentika ny sambo. Nony nahita izany Simona Piera dia niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa ka nanao hoe : Mialà amiko, Tompoko, fa mpanota aho ; fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy, noho ny habetsahan’ny hazandrano azony ; ary toy izany koa Jakoba sy Joany zanak’i Zebede izay iray raharaha tamin’i Simona. Dia hoy Jesoa tamin’i Simona : Aza matahotra, fa hatramin’izao dia hanarato olona hianao. Dia nampiantsona ny sambo kely tamin’ny tany niaraka tamin’izay izy ireo, ka namoy ny zavatra rehetra ary nanaraka azy » (Lk. 5 : 1 – 11).

Vakiteny I : Asa. 5: 27b – 32, 40b – 41

Tononkira : Sal. 30: 2, 4, 5 – 6, 11, 12a, 13b

Vakiteny II : Apok. 5: 11 – 14

Evanjely : Jo. 21: 1 – 19

Ny fampahatsiahivantsika ity Evanjely mahakasika ny niantsoan’i Jesoa ny mpianatra voalohany ity dia manampy antsika hahazo bebe kokoa ny hevitry ny Evanjely androany satria i Simona Piera izay mpanarato ka nantsoin’i Jesoa no nitarika ny namany hiverina hanarato indray. Ireo niray raharaha taminy dia ny zanak’i Zebede sy ireo mpianatra hafa no niaraka taminy ary ny zava-niseho tamin’ny fotoana niantsoan’i Jesoa azy ireo no niseho ihany koa tamin’io fotoana io satria « nony maraina ny andro, dia tonga teo amoron-drano i Jesoa; kanefa tsy fantatry ny mpianatra hoe i Jesoa Izy. Ka hoy i Jesoa tamin’izy ireo : Manan-kanina va ianareo, anaka? Dia hoy ny navaliny Azy : Tsia. Hoy Izy tamin’izy ireo : Alatsaho ao ankavanan’ny sambo kely àry ny haratonareo, fa hahazo ianareo. Dia nalatsany ny harato ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan’ny hazandrano. Ary hoy ilay mpianatra malalan’i Jesoa tamin’i Piera : Ny Tompo io. Nony ren’i Simona Piera fa hoe ny Tompo io, dia noraisiny nisikinany ny akanjony ivelany fa efa nesoriny, ka nirotsaka tamin’ny ranomasina izy. Ny mpianatra sasany kosa nandeha an-tsambo kely (fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roanjato hakiho monja), nitarika ny harato feno hazandrano. Nony tafakatra teo an-tanety izy ireo, dia nahita vainafo sy hazandrano iray teo amboniny ary mofo. Ary hoy i Jesoa taminy : Itondray ny hazandrano vao azonareo. Dia niakatra i Simôna Piera, ka nitarika ny harato feno hazandrano vaventy telo amby dimampolo amby zato; nefa tsy rovitra ny harato na dia betsaka toy izany aza izy. Dia hoy i Jesoa tamin’izy ireo : Avia hisakafo. Ny mpianatra izany tsy nisy na iray aza sahy nanontany Azy hoe : Iza moa Ianao? Satria fantany ihany fa ny Tompo io. Dia nanatona i Jesoa, nandray ny mofo, sy nanome azy ireo ; ary toy izany koa ny hazandrano. Izany no fanintelony nisehoan’i Jesoa tamin’ny mpianany, rehefa nitsangan-ko velona Izy » (Jo. 21 : 4 – 14).

Ity fisehoan’i Jesoa fanintelony tamin’ny mpianany ity no anamafisany fa tena velona tokoa izy, porofon’izany ny fiarahany nisakafo tamin’izy ireo tamin’ny nilazany hoe « Avia hisakafo » sy tamin’ny nanomezany azy ireo ny mofo sy ny hazandrano. Raha tsy velona tokoa izy dia tsy ho afaka niara-nisakafo tamin’izy ireo ka eto izany dia tsy misy isalasalana fa tena tafatsangan-ko velona tokoa izy. Ny tena hita misongadina ihany koa dia ny fahitana an’i Piera nitarika ny namany hiverina amin’ny asa fanao mahazatra. Manoloana izany dia nampahatsiaro azy i Jesoa fa manana adidy lehibe izy hitarika ny namany ihany koa hanatanteraka hatramin’ny farany ny adidy izay niantsoany azy ireo hatramin’ny voalohany. Tamin’ny voalohany « dia hoy Jesoa tamin’i Simona : Aza matahotra, fa hatramin’izao dia hanarato olona hianao » (Lk. 5 : 10). Amin’ity Evanjely androany ity dia mbola i Simona ihany koa no niresaka manokana tamin’i Jesoa. « Nony avy nisakafo izy ireo, dia hoy i Jesoa tamin’i Simona Piera : Ry Simona zanak’i Joany, moa tia Ahy mihoatra noho ireto va ianao? Ka hoy ny navaliny azy : Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao. Dia hoy Izy taminy : Fahano ny zanak’ondriko. Ary hoy indray Izy taminy fanindroany : Ry Simona zanak’i Joany, moa tianao va Aho? Ka hoy ny navaliny Azy : Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao. Dia hoy Izy taminy : Fahano ny zanak’ondriko. Ary hoy indray Izy taminy fanintelony : Ry Simona zanak’i Joany, moa tianao va Aho? Dia nalahelo i Piera fa nanontaniany fanintelony hoe : Moa tia Ahy va ianao? ka hoy izy taminy : Ianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko, ka fantatrao fa tiako Ianao. Dia hoy Izy taminy : Fahano àry ny reniondriko. Lazaiko marina dia marina aminao : Fony mbola tanora ianao, dia nahasikin-tena, sy nandeha tamin’izay tianao haleha; fa rehefa antitra kosa ianao, dia hiraviravy ny tananao, ka olon-kafa no hanasikina anao, sy hitondra anao amin’izay tsy tianao. Izy no nilaza izany, dia mba hanambara ny fombam-pahafatesana hanomezan’i Piera voninahitra an’Andriamanitra. Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanao taminy hoe : Manaraha Ahy » (Jo. 21 : 15 – 19).

Ambaran’ny Evanjely mazava tsara eto fa rehefa avy niresaka tamin’i Piera i Jesoa dia nanao taminy hoe : « Manaraha Ahy ». Tsy ho an’i Piera ihany no nilazany izany fa ho an’ny mpianatra rehetra. Mazava ho azy fa hatramin’io fotoana io dia tsy nisalasala intsony izy ireo fa tena natoky fa velona tokoa i Jesoa ary niantso azy ireo indray hanara-dia azy hatramin’ny farany. Miara-mivavaka ary isika androany mba tsy ho kivy tahaka ireto mpianatra ireto fa hanana hery hatrany hiatrehana ny fiainana maha Kristianina na dia eo aza ireo zava-manahirana isankarazany. Tahaka ny nataon’i Jesoa tamin’ny mpianatra dia tsy mandao antsika izy fa miara-dalana amintsika isanan’andro ary miantso antsika ihany koa hanaraka azy amin’ny fahazotoantsika mivavaka sy mandray azy ao amin’ny Eokaristia. Tahaka ny nataony tamin’ny mpianatra dia manasa antsika ihany koa izy manao hoe : « Avia hisakafo ». Tsy mofo na hazandrano intsony no omeny fa ny Tenany izay manome aina vaovao ho antsika satria isaky ny mandray ny Eokaristia isika dia tokony ho tsaroantsika mandrakariva fa tsy isika intsony no velona fa izy no velona ao anatintsika satria iray aina aminy isika.

Izao fankalazana ny Paka izao no ampahatisarovan’ny Fiangonana antsika mandrakariva fa tena velona mandrakizay i Jesoa ary miara-monina amintsika. Enga anie izay fahavelomany ao amintsika izay no hankahery antsika hatrany mba hahafahantsika mijoro ho vavolomben’ny finoana ka tsy hatahotra rehefa tojo fanenjehana tahaka ny nahazo an’i Piera sy ny Apôstôly izay tena nijoro ho vavolombelon’ny finoana an’i Jesoa tafatsangan-ko velona tokoa ary tsy natahotra fa, araka ny voalazan’ny Vakiteny Voalohany androany, dia nanambara mazava tsara nanao hoe : « Aleo manaiky an’Andriamanitra toy izay ny olombelona. Natsangan’ny Andriamanitry ny razantsika ho velona i Jesoa, izay novonoinareo nahantona tamin’ny hazo. Izy nasandratry ny tanana ankavanan’Andriamanitra ho Mpifehy sy Mpamonjy, mba hanome fibebahana sy famelan-keloka an’i Israely. Ary izahay sy ny Fanahy Masina, nomen’Andriamanitra an’izay rehetra manaiky Azy, no vavolombelon’izany zavatra izany » (Asa. 5: 29 – 32).


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0798 s.] - Hanohana anay