Alahady 12 Jiona 2016
Alahady Faha – 11 tsotra Mandavantaona (Taona D)
« Dia hoy i Jesoa tamin-dravehivavy : Voavela ny helokao » (Lk. 7: 48)
Ny nananganan’i Jesoa tamin’ny maty ny zanak’ilay vehivavy mpitondratena tao amin’ny tanàna anankiray atao hoe Naima no nambaran’ny Evanjely naroson’ny Fiangonana ho antsika tamin’ny Alahady heriny. Voalazan’io Evanjely io fa « raiki-tahotra avokoa izay rehetra teo, sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe : Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika, ary Andriamanitra efa namangy ny olony. Dia niely eran’i Jodea sy ny tany manodidina rehetra izany teny fankalazana Azy izany » (Lk. 7 : 16 – 17). Izay maha Mpaminany lehibe an’i Jesoa izay tokoa no niely eran’i Jodea sy ny tany manodidina ka tamin’ny toerana rehetra nalehany dia nahalala izany daholo ny olona rehetra. Anisan’ny nahalala izany ihany koa ilay Farisianina iray izay nanasa azy hiara-mihinana aminy araka ny ambaran’ny Evanjely izay omena antsika amin’izao Alahady Faha – 11 tsotra Mandavantaona izao.
Ambaran’ity Evanjely androany ity tokoa fa « tamin’izany andro izany, nisy Farisianina anankiray nanasa an’i Jesoa hiara-mihinana aminy, ka niditra tao an-tranon’ilay Farisianina Izy, dia nipetraka nihinana. Ary indro nisy vehivavy anankiray ratsy fitondran-tena tao an-tanàna nahalala fa nihinana tao an-tranon’ilay Farisianina i Jesoa, ka dia nivimbina tavoara alabastra feno diloilo manitra, dia nijanona teo ivohony tanilan’ny tongony sady nitomany, ka kotsan’ny ranomasony ny tongony ; fa nofaohiny tamin’ny volon-dohany sy norohany, ary nohosorany diloilo manitra. Nony nahita izany ilay Farisianina nanasa Azy, dia nanao anakam-po hoe : Raha mpaminany Izy dia ho nahalala ny toetran’ity vehivavy mikasika Azy, fa hoe mpanota io » (Lk. 7: 36 – 39). Tena Mpaminany tokoa i Jesoa, fantany tsara ny zavatra niainan’ity vehivavy manoloana azy ity. Fantany ihany koa ny ao aneritreritr’ilay Farisianina, saingy tsy namaly azy mivantana izy fa nitodika tamin’i Simôna ka tamin’ny alalan’izany no nisarihany ny sainy hahafantatra fa tena tsy miafina aminy tokoa ny toetra ananan’ity vehivavy manosotra diloilo ny tongony ity.
Marina fa mpanota no fiheveran’ny olona rehetra ity vehivavy ity, saingy tsy nahasakana azy tsy hanatona an’i Jesoa izany. Mazava ho azy fa tsy i Jesoa mihitsy no handroaka azy satria tia ny olona rehetra tsy misy avakavaka izy ary mandray izay rehetra manatona azy, indrindra ireo iharan’ny fanilikilihana ataon’ny fiarahamonina tahaka ny marary, ny azon’ny demony, ny poblikana, ny mpanota tahaka ity vehivavy ity izay nijanona teo ivohony tanilan’ny tongony sady nitomany. Io fihetsika nataony io dia mampiseho miharihary fa manenina amin’ny fahotana vitany izy ary vonona ny hibebaka tanteraka ka mangatam-pamelan-keloka amin’i Jesoa izay tsy nisalsala akory niteny taminy fa voavela ny heloka be nataony araka ny ambaran’ity Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity. « Noho izany dia lazaiko aminao fa voavela ny heloka be nataony satria be fitiavana izy; fa izay amelana kely no kely fitiavana. Dia hoy i Jesoa tamin-dravehivavy : Voavela ny helokao. Ary izay niara-nihinana taminy nanao anakampo hoe : Iza moa ity no mamela na dia ny heloka aza ? Fa hoy Izy tamin-dravehivavy : Ny finoanao no nahavonjy anao, mandehana amim-piadanana » (Lk. 7: 47 – 50).
Vakiteny I : 2 Sam. 12 : 7 – 10, 13
Tononkira : Sal. 32 : 1 – 2, 5, 7, 11
Vakiteny II : Ga. 2 : 16, 19 – 21
Evanjely : Lk. 7: 36 – 50 ; 8 : 1 – 3
Hitantsika eto fa izay niara-nihinana tamin’i Jesoa tao an-tranon’ilay Farisianina dia nanao anakampo hoe : Iza moa ity no mamela na dia ny heloka aza ? Tsy fantatr’izy ireo tokoa ny maha Andriamanitra an’i Jesoa satria tsy azo lavina fa Andriamanitra irery ihany no mamela heloka ary tsy misy na iza na iza afaka mano izany raha tsy izay fahefan’Andriamanitra izay no ao aminy. Tena manam-pahefana hamela heloka tokoa i Jesoa satria Izy sy ny Ray dia iray ihany, izany hoe ny maha Andriamanitra azy mihitsy no tiany hampisehoana amin’ny olona fa manana ny fahefana feno afaka mamela heloka izy. Noho izany, izay rehetra manatona azy sy mangatam-pamelana aminy dia havelany avokoa satria tena Andriamanitra marina sy be fitiavana izy ary mpamela heloka sy mpamindra fo. Ireo niara-nihinana taminy tao an-tranon’ilay Farisianina no tsy nahalala izany fa ity vehivavy ambara fa mpanota ity kosa dia nahalala tsara ary nino tamin’ny fony tokoa fa ho voavela ny fahotana rehetra nataony ka tsy nisalasala akory izy nanatona sy nitomany ary nanondraka ny tongotr’i Jesoa tamin’ny ranomasony sy namaoka azy tamin’ny volon-dohany.
Azo lazaina fa tsy nahamenatra ity vehivavy ity izay mety ho fanenjehana sy resaka hataon’ny olona mahakasika azy. Tsy natahorany ny niseho imasom-bahoaka fa mpanota ka tonga teo an-tongotr’i Jesoa ary nangatam-pamelana taminy. Isika rehetra ihany koa dia samy olombelona mpanota daholo, tsy misy afaka hihevi-tena ho tsy manam-pahotana fa izay mihevi-tena ho tsy mpanota dia mpandainga ary mamita-tena araka ny voalazan’i Md Joany ao amin’ny Taratasy voalohany nosoratany manao hoe : « Raha milaza antsika ho tsy manam-pahotana isika, dia mamita-tena, ary tsy ao anatintsika ny marina. Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Andriamanitra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika amin’ny tsy fahamarinanana rehetra. Raha milaza antsika ho tsy nanota isika, dia mampandainga azy isika, ary tsy ao anatintsika ny teniny » (1 Jn. 1 : 8 – 10).
Amin’izao taona voatokana hankalazana ny Famindram-pon’Andriamanitra izao ary dia manasa antsika ny Fiangonana tsy hisalasala hanatona ny Sakramentan’ny Fampihavanana izay hany lalan-tokana ahafahantsika miaiky ny fahotana vitantsika ary mandray ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra. Tsara averimberina sy hamafisina hatrany fa i Jesoa mihitsy no mamela ny fahotantsika amin’ny alalan’ny Eveka sy ny Pretra. Tena azo antoka ary tsy misy isalasalana fa voavela tanteraka ny fahotantsika rehefa mikôfesy isika satria tahaka ny nataon’i Jesoa tamin’ity vehivavy ambaran’ny Evanjely androany ity dia miteny amintsika ihany koa izy manao hoe : « Voavela ny helokao » ary mbola nampiany hoe : « Ny finoanao no nahavonjy anao, mandehana amim-piadanana ». Fiadanam-po sy hafaliana no vokatry ny Sakramentan’ny Fampihavanana koa aoka ho tsaroantsika mandrakariva fa na mpanota aza isika dia mamindra fo amintsika hatrany Andriamanitra ary mamela ny heloka rehetra vitantsika tahaka ny nambararan’i Natàna tamin’i Davida, araka ny voalazan’ny Vakiteny Voalohany androany manao hoe : « Navelan’ny Tompo ny helokao, ka tsy ho faty ianao » (2 Sam. 12 : 13).
P. Louis Martin
Assomptionniste