Aza matahotra fa hatramin’izao dia hanarato olona ianao

Alahady 7 febroary 2016

Alahady Faha-5 tsotra Mandavantaona (Taona D)

« Aza matahotra fa hatramin’izao dia hanarato olona ianao »

(Lk. 5: 10)

 

Mitohy hatrany ny fanomezan’ny Fiangonana antsika ny Evanjely izay mitantara ny asam-pamonjena notanterahin’i Jesoa. Raha tsaroantsika tsara dia ny fandroahana azy hiala tao amin’ny sinagoga no niafaran’ny Evanjely nohenointsika tamin’ny Alahady heriny satria tezitra mafy izay rehetra nandre ny filazany fa izy no ilay voalazan’Izaia mpaminany fa ho tonga hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo, hankahery ny torotoro fo, hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahoriana ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo sy ny andron’ny famaliana. Tafavoaka tamin’izany fahatezeran’ny olona izany anefa i Jesoa satria « namaky teo afovoan’izy ireo izy dia lasa » (Lk. 4 : 30). Na teo aza nanefa izay fandroahana azy hiala tao Nazareta izay dia tsy nampihemotra azy kely akory fa vao maika aza nanosika azy handroso lalin-dalina kokoa tamin’ny fanantaterahany ny asa nanirahana azy dia ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly izay loharanom-pamonjena ho an’ny olona rehetra.

Iaraha-mahalala ihany koa fa ny olona tao Nazareta tanana nahabe azy no nandroaka azy hiala ny tanana fa ny olona rehetra kosa dia nandray azy ary tena maro tokoa no tonga nihaino ny fampianarany sy nandray fahasoavana avy aminy tamin’ny alalan’ireo fahagagana maro nataony. Izany indrindra no ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany satria « Tamin’izany andro izany i Jesoa nijoro teo amoron’ny farihin’i Genezareta, ary nifanesika taminy ny vahoaka mba hihaino ny Tenin’Andriamanitra » (Lk. 5 : 1). Tena tanteraka tokoa eto ny teny voalazan’i Jesoa tao amin’ny sinagoga tao Nazareta raha niteny izay nanao hoe : « lazaiko marina aminareo fa tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy » (Lk. 4 : 24). Raha fandroahana mantsy no nahazo azy tany Nazareta, izay tsy taiza fa ny tanana nahabe azy ihany, dia olona marobe nifanesika kosa no tonga nihaino azy teo amoron’ny farihin’i Genezareta ary ireo olona ireo dia tsy mbola nahalala azy akory fa teo am-pihainoana ny fampianarana nataony vao tena resy lahatra fa tena Tenin’Andriamanitra tokoa no ambarany sy lazainy.

Mazava araka izany fa tsy nahasaka an’i Jesoa tsy hitory ny Vaovao Mahafaly ny fandroahana azy hiala ny sinagoga tao Nazareta fa vao maika aza nahazo olona maro be izy tsy maintsy niantso olona hanampy azy amin’izany asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly izany. Ambaran’ity Evanjely androany ity fa « nahita sambo kely roa niantsona teo amoron-drano Izy (fa niala hanasa ny haratony ny mpanarato), dia niditra tamin’ny sambo kely anankiray izay an’i Simôna, ka nangataka taminy mba hihataka kely amin’ny tany, vao nipetraka teo an-tsambo kely nampianatra ny vahoaka. Rehefa nitsahatra niteny Izy, dia nanao tamin’i Simôna hoe : “Mandrosoa eny amin’ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano”; fa hoy ny navalin’i Simôna Azy : “Tompoko, efa niasa mafy nandritra ny alina izahay, fa tsy nahazo na inona na inona; nefa noho ny teninao dia halatsako ihany ny harato”. Nony nanao izany izy, dia nahazo hazandrano be dia be ka rovitra ny haratony. Ary nanàtsika ny namany izay teny amin’ny sambo kely hafa izy ireo mba ho avy hanampy azy ; dia tonga ireo, nofenoiny ny sambo kely roa ka efa saika nilentika ny sambo » (Lk. 5 : 2 – 7).

Raha dinihintsika tsara ny voalazan’ity Evanjely ity dia hita fa zava-dehibe roa samy hafa no vitan’i Jesoa amin’ny fotoana iray. Voalohany dia nampianatra ny vahoaka izy rehefa nihataka kely tamin’ny tany ny sambo kely nidirany. Manaraka izany dia nanao fahagagana ihany koa izy satria nampahazo hazandrano be dia be an’i Simôna sy ny namany na dia tsy nahazo na inona na inona aza nandritra ny alina. Tena fomban’i Jesoa ny mampianatra aloha, izay vao manome sakafo amin’ny alalan’ny fanaovana fahagagana. Izany ihany koa no anasan’ny Fiangonana antsika rehefa mankalaza ny Eokaristia isika. Aroso antsika aloha ny Tenin’Andriamanitra izay teny mahavelona tokoa satria ao no ahitantsika ny hafatr’Andriamanitra hatramin’ny Testamenta Taloha ka hatramin’ny fampianaran’i Jesoa ao amin’ny Evanjely. Rehefa izany dia miroso amin’ny fankalazana an’i Jesoa Eokaristia isika ka mandray amim-pinoana ny Vatany sy ny Rany izay atolon’ny ho famonjena ireo rehetra mandray azy. Tena fahagagana tokoa no miseho amin’izany satria ny mofo sy divay izay vokatry ny asan-tanan’olombelona dia tonga Mofon’aina mahavelona mandrakizay ka tsy mofo sy divay intsony izy amin’izay fa tena Vatana sy Ran’i Jesoa izay velona sy miray aina tanteraka amintsika.

Araka ny ambaran’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity dia hita fa tena taitra sy variana tokoa ry Simôna sy ireo mpiara-dia taminy nahita ity fahagagana lehibe ity. Tsapany avy hatrany ny maha Andriamanitra an’i Jesoa satria raha ny herin’olombelona dia tsy hahavita fahagagana tahaka izao. Efa asa fiveloman’izy ireo ny manarato ary fantatr’izy ireo tsara fa tsy afaka mahazo hazandrano velively izy ireo raha vao  mazava ny andro fa tsy maintsy miandry ho alina vao manao izany saingy noho ny Tenin’i Jesoa dia nalatsak’izy ireo ny harato ary dia nahazo hazandrano marobe. « Nony nahita izany i Simôna Piera dia niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa ka nanao hoe : “Mialà amiko, Tompoko, fa mpanota aho”, fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy, noho ny habetsahan’ny hazandrano azony; ary toy izany koa i Jakôba sy i Joany zanak’i Zebede izay iray raharaha tamin’i Simôna. Dia hoy i Jesoa tamin’i Simôna : “Aza matahotra fa hatramin’izao dia hanarato olona ianao”. Dia nampiantsona ny sambo kely tamin’ny tany niaraka tamin’izay izy ireo, ka namoy ny zavatra rehetra ary nanaraka Azy » (Lk. 5 : 8 – 11).

Noho ny faneken’i Simôna ny Tenin’i Jesoa no nahatonga azy ireo hahazo hazandrano be dia be. Tsy mamitaka ny Tenin’Andriamanitra fa tena marina ary mamelon’aina ho an’izay mihaino azy. Noho izany, amin’izao Alahady Faha-5 tsotra Mandavantaona izao dia manasa antsika i Jesoa mba hanam-pinoana sy hatoky ny Teniny ihany koa. Ohatra velona ho antsika ny nataon’i Simôna Piera fa na teo aza ny fisalasalana ka nilazany hoe « Tompoko, efa niasa mafy nandritra ny alina izahay, fa tsy nahazo na inona na inona; nefa noho ny teninao dia halatsako ihany ny harato ». Eo amin’ny fiainantsika andavan’andro dia mety misy ihany koa ny fisalasalana saingy tsy tokony hatao sakana tsy handrosoana bebe kokoa amin’ny finoana izany. Koa raha sendra misy tokoa izay fisalasalana na tsy fahatokisan-tena izay dia tsy tokony hihemotra isika fa tsy maintsy mandroso hatrany satria ny fanaovantsika izany no iantsoan’i Jesoa antsika sy anirahany antsika tahaka ny nataony tamin’i Simôna izay nilazany hoe : « Aza matahotra fa hatramin’izao dia hanarato olona ianao ». Enga anie ny fahasoavan’Andriamanitra no hirotsaka amintsika mba hahafahantsika mamaly amim-pitokiana hatrany ny antson’i Jesoa izay miatefa amintsika tsirairay avy ka na amin’ny mora na amin’ny sarotra dia hatoky hatrany isika fa miara-dalana amintsika izy ary manoro antsika ny lalan-kizorana tahaka ny nataony tamin’ny Simôna sy ireo iray raharaha taminy.


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.057