Izay te hamonjy ny ainy dia hahavery azy

Alahady 19 Jiona 2016

Alahady Faha – 12 tsotra Mandavantaona (Taona D)

« Izay te hamonjy ny ainy dia hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko no hahavonjy azy »

(Lk. 9: 24)


Nambaran’ny Evanjely tamin’ny Alahady heriny fa nisy Farisianina anankiray nanasa an’i Jesoa hiara-mihinana aminy, ka niditra tao an-tranon’ilay Farisianina Izy, dia nipetraka nihinana. Nandritra izany fotoana izany no namelany ny helok’ilay vehivavy voalaza fa ratsy fitondran-tena ka nahatonga ireo niara-nihinana taminy nanao anakampo hoe : « Iza moa ity no mamela na dia ny heloka aza ? » Maro ny zava-mahagaga nataon’i Jesoa ka nahatonga ireo izay tafara-dia taminy ho velom-panontaniana hatrany rehefa mahita ny asam-pamonjena tanterahiny. Amin’ny ankapobeny dia sondriana fotsiny amin’ireo fahagagana ataon’i Jesoa ny olona fa tsy mahalala akory ny ny maha Andriamanitra azy. Izany no nahatonga azy hanontany ny mpianatra mahakasika izay mba fahalalan’ny olona momba azy araka ny ambaran’ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao Alahady Faha – 12 tsotra Mandavantaona izao.

voalazan’ity Evanjely ity tokoa fa « tamin’izany andro izany, raha nivavaka tany amin’ny toerana mangingina i Jesoa ka teo aminy koa ny mpianany, dia nanontany azy ireo Izy nanao hoe : Ataon’ny vahoaka ho iza moa Aho? Ary namaly ireo ka nanao hoe : Ny sasany manao hoe i Joany Batista, ny sasany milaza hoe i Elia, ary ny sasany manao hoe : ny anankiray amin’ny Mpaminany taloha no nitsangan-ko velona » (Lk. 9: 18 – 19). Araka ny nambaran’ny mpianatra dia hita miharihary fa tsy misy mahalala an’i Jesoa ny olona na dia iray aza. Ny fantatry ny olona dia tahaka ireny mpaminany taloha ireny no fahitana ny fomba fiainany. Marina fa tena ny asan’ny mpaminany tokoa no ataony satria sady mitory ny Fanjakan’Andrimanitra izy no manao fahagagana ary sahy mijoro amin’ny fahamarinana ka tsy matahotra fanenjehana sy fandrahonana ho faty.

Manolona io tsy fahalalan’ny olona azy io dia nitodika tamin’ny mpianany izy ary nananontany azy ireo raha toa ka mitovy amin’ny valin-tenin’ny olona no havalin’izy ireo azy. « Fa hoy Izy : Ianareo kosa, mba manao Ahy ho iza ? Dia namaly i Piera ka nanao hoe : I Kristin’Andriamanitra. Nefa noraràny mafy izy ireo mba tsy hilazalaza izany aman’olona, sady nampiany hoe : Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’Olona, ka harian’ny loholona sy ny lehiben’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna ary hovonoiny ; fa hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo » (Lk. 9: 20 – 22). Mazava araka ny ambaran’ity Evanjely ity fa nahalala tsara an’i Jesoa ny mpianany. Ny valin-teny nataon’i Piera izay nisolo tena azy ireo no porofo ahafahana milaza fa nahalala azy ho Zanak’Andriamanitra izy ireo. Na izany aza anefa dia nambarany mazava tsara tamin’izy ireo ny tsy maintsy hijaliany sy hahafatesany sy hitsanganany ho velona amin’ny andro fahatelo.

Azo ambara fa tsy netin’i Jesoa hireharehana ny maha Andriamanitra azy fa nampiasany kosa hamonjena antsika olombelona mpanota. Fiainana tsotra sy feno fanetren-tena no nasehony ka izany no tsy nahalalan’ny olona azy ary ireo mpianatra nahalala kosa dia noraràny mafy mba tsy hilazalaza izany aman’olona. Raha Mesia be voninahitra sy midina avy eny amin’ny rahon’ny lanitra no nadrasan’ny olona tamin’izany fotoana izany, dia Jesoa malemy fanahy sy manetry tena no teo anivon’izy ireo saingy tsy fantatr’izy ireo. Io fiainana tsotra sy mahay manetry tena io no ampianariny antsika amin’izao Alahady Faha – 12 tsotra Mandavantaona izao. Matetika tokoa mantsy dia saika ny fireharehana sy fizahozahoana no fahita amin’izao vanin’andro ankehitriny izao. Ny fidokafan-tena ho mahavita zavatra sy mahay an’izao na izao no fahita sy re amin’ny resaka ifanaovana etsy sy eroa, hany ka na zavatra kely tsy dia manao ahoana loatra dia ireharehana sy ibitabitahana. Ireny rehetra ireny anefa dia zava-mandalo sy maivana ihany raha oharina amin’ny fiainan’i Jesoa izay tena Andriamanitra marina tokoa no tonga olombelona, saingy tsy mba nirehareha tamin’izany fa nietry tena ho ambany tahaka ny tsy manana na inona na inona hambara mahakasika ny tenany ireny.

Io fanetren-tena sy fahavononana hahafoy tena io no ampianarin’i Jesoa ombieny ombieny ka rehefa avy niresaka manokana tamin’ny mpianatra izy sy nandrara azy ireo tsy hiteny na amin’iza na amin’iza fa izy no i Kristin’Andriamanitra dia niverina niresaka tamin’ny vahoaka indray ary nanasa ireo rehetra izay nihaino azy mba hanana fahafoizan-tena marina tokoa ho famonjena ny namana satria, « hoy koa Izy tamin’ny olona rehetra : Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany isan’andro, ka hanaraka Ahy. Izay te hamonjy ny ainy dia hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko no hahavonjy azy » (Lk. 9: 23 – 24). Tsy fireharehana, tsy fizahozahoana ary tsy filan-dera sy voninahitra na fitadiavana tombontsoa manokana no toetra takian’i Jesoa ho an’ireo izay manara-dia azy fa fandavan-tena sy fitondrana ny hazofijaliana isan’andro.

Isika vita Batemy rehetra no mpanara-dia an’i Jesoa. Araka izany dia isika no asany hanatanteraka io teny voalazany io. Azo ambara fa tena zava-tsarotra no angatahiny hataontsika satria raha tontolo feno rehereha sy fizahozahoana no misy antsika ankehitriny dia fahafoizan-tena sy fitondrana ny hazofijaliana isan’andro no anasany antsika. Miara-mivavaka ary isika androany mba hanatanteraka marina tokoa io hafatra napetrak’i Jesoa io. Matetika ny tsy fisian’ny fifankatiavana marina eo anivon’ny fiarahamonina no miteraka fizahozahoana sy fiheveran-tena ho ambonin’ny hafa. Noho izany, raha tiantsika ny hiaina ny fandavan-tena araka ny ampianarin’i Jesoa dia ny fifankatiavana marina sy ny firaisan-kina no tsy maintsy ampanjakaina mandrakariva eo anivon’ny seham-piainana misy antsika tsirairay avy. Izany indrindra no anasan’i Md Paoly antsika ao amin’ny Vakiteny Faharoa androany manao hoe : « Ry kristianina havana, ianareo efa zanak’Andriamanitra amin’ny finoana ao amin’i Jesoa Kristy. Satria ianareo rehetra efa natao Batemy ho an’i Kristy, dia mitafy an’i Kristy avokoa. Ka tsy misy Jody na Jentily intsony; tsy misy mpanompo na tsy mpanompo, tsy misy lahy na vavy intsony, fa tena iray ihany ianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesoa. Ary raha an’i Kristy ianareo, dia taranak’i Abrahama tahaka Azy, ka mpandova araka ny fampanantenana » (Ga. 3: 26 – 29).


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0199