Alahady 30 Aogositra 2015
Alahady Faha – 22 tsotra Mandavan-taona (Taona B)
« Tsy ny zavatra avy any ivelany miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy, fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy » (Mk. 7: 15)
Tao anatin’ny Alahady maromaro nifanesy dia naroson’ny Fiangonana ho antsika ny Evanjely mahakasika ny filazan’i Jesoa fa Izy no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra. Araka ny voalazan’ny Evanjely tamin’ny Alahady heriny dia betsaka tamin’ny mpianatr’i Jesoa, raha nandre ny Teniny, no nanao hoe : Sarotra izany teny izany, ka iza no mahahaino izany ? Noho izany indrindra dia voalazan’ny Evanjely fa maro tamin’ny mpianany no nihemotra, ka tsy niaraka taminy intsony. Na izany aza dia tsy ny mpianatra rehetra no nihemotra fa maro ihany koa no nijanona sy niara-dia tamin’i Jesoa hatrany. Anisan’izany ny Apostoly roa ambin’ny folo lahy satria hoy i Jesoa tamin’izy ireo : « Ianareo koa va mba te hiala ? Dia namaly i Simôna Piera ka nanao taminy hoe : Tompo ô, hankany amin’iza àry izahay ? Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay ; ary izahay efa nino sy nahalala fa Ianao no Ilay Masin’Andriamanitra » (Jo. 6, 68 – 69). Io tsy fihemoran’izy ireo io no nahatonga ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna hanenjika azy ireo sy hitsikilo izay rehetra ataon’izy ireo miaraka amin’i Jesoa.
Vakiteny I : Det. 4: 1 – 2, 6 – 8
Tononkira : Sal. 15: 2, 3 – 4ab, 5
Vakiteny II : Jak. 1: 17 – 18, 21b – 22, 27
Evanjely : Mk. 7: 1 – 8, 14 – 15, 21 – 23
Araka ny ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao Alahady Faha – 22 tsotra Mandavan-taona izao dia « niangona teo amin’i Jesoa ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema, ka nahita ny mpianany sasany nihinana tamin’ny tanana tsy madio, izany hoe tsy voasasa. Fa ny Farisianina sy ny Jody rehetra dia tsy mihinana raha tsy efa voasasany tsara aloha ny tanany, fa mitana ny fanaon-drazany izy ; ary raha avy any an-kianja izy dia tsy mihinan-kanina raha tsy efa nisasa. Maro koa ny fomban-drazana hafa noraisiny hotanana, dia ny fanasana ny kapoaka, ny tavoara, ny fanaka varahina, ary ny farafara fihinanana. Ka dia nanontany Azy ny Farisianina mbamin’ny mpanora-dalàna nanao hoe : Nahoana ny mpianatrao no tsy mitandrina ny fanaon-drazana, fa mihinana amin’ny tanana tsy misasa ? » (Mk. 7: 1 – 5). Hitantsika miharihary amin’ity Evanjely ity fa zava-dehibe ho an’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna ny fitandremana tsy misy tomika ny fomban-drazana Jody. Indraindray anefa toa lasa fisehoana ivelany fotsiny ny fanatanterahan’izy ireo ireny karazana fomban-drazana isankarazany ireny fa tsy latsa-paka ao anaty.
Manolona ity fanontan’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna ity dia tsy nisalasala i Jesoa namaly azy ireo nanao hoe : « Marina tokoa ny naminanian’i Izaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe : ‘Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony, fa manalavitra Ahy ny fony ; koa foana ny ivavahan’ireo amiko satria didin’olombelona no ataony fampianarana’. Ny didin’Andriamanitra afoinareo, fa ny fanaon’ny olona kosa tananareo » (Mk. 7: 6 – 8). Tamin’ny fomba mazava sy mahaitsy no nilazan’i Jesoa tamin’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna fa mpihatsaravelatsihy izy ireo satria variana amin’ny fitandremana ivelany fotsiny ny fomban-drazana ka zary tsy manatanteraka ny didin’Andriamanitra. Fampianarana ho antsika ny nataon’i Jesoa satria indraindray dia tsy sahintsika ny tena milaza ny marina rehefa misy zavatra hita fa tsy mety ataon’ny hafa. Tsy nanana henamaso na natahotra akory i Jesoa rehefa niteny ny marina tamin’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna manoloana ny fanarahan’izy ireo anjambany ny fomban-drazana. Tahaka izany ihany koa no tsy maintsy ataontsika rehefa mahita fa misy amin’ireo fomban-drantsika no tsy mifanaraka amin’ny maha Kristianina. Tsy hoe ny fomban-drazana no ratsy fa tsy maintsy mahay mandanjalanja hatrany isika ka mampifanaraka ireny fomban-drazantsika ireny amin’ny finoana izay noraisintsika tamin’ny Batemy.
Rehefa avy namaly ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna i Jesoa dia niantso ny vahoaka nankeo aminy ka nanao tamin’izy ireo hoe : « Mihainoa Ahy ianareo rehetra, ka mahafantara. Tsy ny zavatra avy any ivelany miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy, fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy, satria avy ao anaty, dia avy amin’ny fon’ny olona no iavian’ny sain-dratsy : dia ny fakàm-badin’olona, ny fijangajangana, ny famonoana olona, ny halatra, ny fahihirana, ny hasomparana, ny hafetsen-dratsy, ny fijejojejoana, ny fialonana, ny vava ratsy, ny fiavonavonana, ny fahadalana ; izany zava-dratsy rehetra izany no avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy » (Mk. 7: 14 – 15, 21 – 23). Tamin’ny Batemy noraisintsika dia lasa vahoakan’Andriamanitra isika, noho izany dia tsy ho an’izay nihaino azy ihany fa ho antsika ihany koa no nanaovan’i Jesoa io fampianarany io. Manoloana izany dia mila mandini-tena isika satria ireo toetra avy ao anaty, izay mahaloto ny olona araka ny ambaran’i Jesoa ireo dia fahita matetika amin’izao vanin’andro iainantsika izao.
Miara-mivavaka ary isika amin’izao Alahady Faha – 22 tsotra Mandavan-taona izao mba tena hiezaka tokoa handray ny fampianaran’i Jesoa ka tsy ho tahaka ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna izay voalaza fa tsy manaraka ny didin’Andriamanitra, fa mitana kosa ny fanaon’ny olona. Araka izany dia foana ny ivavahan’izy ireo amin’Andriamanitra satria didin’olombelona no ataony fampianarana araka ny faminanian’i Izaia ampahatsiarovin’i Jesoa amin’ity Evanjely androany ity. Manasa antsika i Jesoa androany mba tena hanana toetra mendrika fa tsy ho mpihatsaravelatsihy tahaka ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna. Izany indrindra no ambaran’ny Taratasin’i Md. Jakôba Apôstôly izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany manao hoe : « raiso amim-pahalemem-panahy ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fahasoavana tanteraka rehetra avy any ambony, ka midina avy amin’ny Rain’ny fahazavana, izay tsy manam-piovaovana na aloka avy amin’ny fihodinana. Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika. Ary raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo. Aza mamita-tena amin’ny hevi-poana anefa, fa miezaha ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny. Izao no fivavahana madio sy tsy misy tsiny eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny manampy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany; ary ny miaro tena tsy ho voaloton’izao tontolo izao » (Jak. 1: 17 – 18, 21b – 22, 27).
P. Louis Martin
Assomptionniste