Alahady 10 mey 2015
Alahady Faha-6 amin’ny Paka (Taona B)
« Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany » (Jo. 15: 13)
Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra Ray antsika tamin’ny nandefasany ny Zanany tiany dia i Jesoa Kristy Mpamonjy izay nidina tety ambonin’ny tany mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny fahotana. Tamin’ny alalan’ny fanekeny ho faty teo amin’ny Hazofijaliana no nanatanterahan’i Jesoa izany iraka nampanaovin’ny Ray izany, ary mandritra izao fotoan-dehibe ankalazantsika ny Paka izao no andinihantsika manokana io mistery lehibe nanoloran’i Jesoa ny ainy io sy ny nitsanganany tamin’ny maty mba hampisehoana amintsika fa ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona no lalan-tokana netiny nanavotra antsika ho afaka amin’ny fahafatesana mandrakizay. Azaka izany dia mahazo toky isika fa hovelona mandrakizay miaraka aminy rehefa miala amin’ity tany fandalovana ity satria efa nialoha lalana antsika izy tamin’ny nandravany ny herin’ny fahafatesana. Fitiavana maimaim-poana ary tsy misy takalony no nanaovan’i Jesoa izany ka amin’izao Alahady Faha-6 amin’ny Paka izao dia ampahafatariny antsika ny didim-pitiavana izay tsy maintsy hifankatiavantsika mpanara-dia azy ihany koa. Ambaran’ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany fa : « tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe : Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo koa, koa mitomoera amin’ny fitiavako ianareo. Raha mitandrina ny didiko ianareo no hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany. Izaho no milaza izany aminareo, dia mba ho ao aminareo ny fifaliako, ary mba ho lavorary ny fifalianareo » (Jo. 15: 9 – 11).
Vakiteny I : Asa. 10: 25 – 26, 34 – 35, 44 – 48
Tononkira : Sal. 98: 1, 2 – 3ab, 3cd – 4
Vakiteny II : 1 Jo. 4: 7 – 10
Evanjely : Jo. 15:9 – 17
Arakany voalazan’i Jesoa amin’ity Evanjely ity dia manentana antsika izy mba hitoetra mandrakariva ao amin’ny fitiavany satria tahaka ny nitiavan’ny Ray Azy no nitiavany antsika koa. Ambaranay mazava tsara eto fa amin’ny alalan’ny fitandremantsika ny didiny no hitoerantsika ao amin’ny fitiavany tahaka ny nitandremany ny didin’ny Ray. Efa fantantsika fa ny didin’i Jesoa dia ny mba hitivantsika an’Andriamanitra sy hifankatiavantsika samy isika ka ny fanatanterahantsika izany no hahafahantsika mitoetra mandrakizay ao amin’ny fitiavany sy hahatonga ao amintsika ny hafaliany sy hahalavorary izany fifaliantsika izany araka ny voalazany. Mety mieritreritra isika hoe lalina ary sarotra takarina izany tenin’i Jesoa izany, saingy raha raisintsika amin’ny fiainana an-davan’andro dia mazava fa ny hahazoantsika hafaliana mandrakizay amin’ny fanarahana ny didiny no tiany hambara eto. Izany hoe, manasa antsika izy voalohany indrindra ho tia an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fahazotoana mivavaka sy mandray ireo Sakramenta samihafa omen’ny Fiangonana. Manasa antsika ihany koa izy ho tia ny namana amin’ny alalan’ny fahaizantsika mifanampy sy mifanao soa ary mifampitsinjo amin’izay rehetra ataontsika. Izany indrindra no nilazany hoe : « izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany. Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo » (Jo. 15: 12 – 13).
Efa voalazantsika fa fitiavana maimaim-poana ary tsy misy takalony no netin’i Jesoa namonjy antsika ary izay fomba netiny nitia antsika izay no andidiany antsika ka nilazany fa « izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo ». Tena fitiavana vokatry ny fo ary tsy misy fihatsaram-belatsihy no anasan’i Jesoa antsika koa tsy maintsy miezaka mandrakariva isika hampiseho izany fitiavana marina izany eo amin’ny fiainantsika andavan’andro. Tokony hotsaroantsika mandrakariva fa olombelona tsy mendrika isika, mpanota ary matetika no mivily lalana tsy manaraka ny didin’i Jesoa saingy tsy mamela antsika amin’izany izy fa tia antsika hatrany ary mandray antsika ho sakaizany fa tsy ho fahavalony sanatria. Hoy indrindra izy hoe : « tsy ataoko hoe mpanompo intsony ianareo, satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony ; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo, ka nanendry anareo mba handehananareo sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, sy hanomezan’ny Raiko anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako. Ny andidiako anareo dia ny mba hifankatiavanareo » (Jo. 15: 14 – 17).
Zavatra tokana no andidian’i Jesoa antsika dia ny mba hifankatiavantsika tahaka ny nitiavany antsika fa tsy hoe fifankatiavana araka izay iheverantsika azy. Ny tena mifankatia marina dia ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany araka ny ampianarin’i Jesoa antsika amin’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity. Mazava ho azy fa raha tsy manao izany isika dia tsy afaka hilaza fa tena tia marina tokoa. Marina fa tsy mora ny miaina io tena fitiavana marina araka ny andidian’i Jesoa io saingy miantso antsika izy mba hiezaka mandrakariva hitady izay mahasoa ny namana fa tsy ho variana amin’izay mahasoa ny teny samy irery. Ny mahafoy ny aina ho an’ny sakaiza dia tsy midika ho fahafatesana fa midika indrindra ho fahafoizan-tena ho fanasoavana ny hafa. Maro ny fomba azo anatanterahana izany, eo ohatra ny fanaovana asa fiantrana sy asa soa isankarazany izay tsy miandry valiny na tsy mitady tombontsoa ho an’ny tena. Eo ihany koa ny fahaizana mifampihaino sy mifanakalo hevitra ka tsy ny hevitry ny tena no ampanjakaina fa manaiky sy mandray izay hevitra mahasoa avy amin’ny hafa. Matetika tokoa dia io tsy fahaizana mihaino ny hafa io no mitarika fifankahalana sy fiafampiahiahiana ary tsy fifampitokisana ka miteraka tsy fifankatiavana.
Miara-mivavaka ary isika amin’izao Alahady Faha-6 amin’ny Paka izao mba tena hisy eo amintsika tokoa ny fifankatiavana marina tahaka ny nitiavan’i Jesoa antsika. Ny tena anasany antsika amin’izany dia ny mba hifankatiavantsika amin’ny fo tokoa. Mamasa antsika izy mba tena ho tia marina tokoa ka hijery mandrakariva izay hahasoa ny sakaiza fa tsy sanatria hanao fitiavana am-bava fotsiny. Ny tena fitiavana marina dia ny fitiavana vokatry ny fo fa tsy fihatsaram-belatsihy na fitadiavana izay tombotsoa ho an’ny tena. Tena misy tokoa mantsy ny milaza hoe tia saingy tsy ny namana no tiany fa ny tenany ihany ka rehefa tsy mifanaraka amin’ny tombontsoany dia rava ho azy ilay fitiavana. Io ilay antsointsika Malagasy hoe fihavanan-jiolahy ka tsy miady tsy miady nefa ny kobay an-kelika ihany. Ny tena fitiavana marina dia ny mahafoy izay tsara indrindra eo amin’ny fiainantsika mba ho fanasoavana ny hafa, eny fa hatramin’ny aina aza araka ny ampianarin’i Jesoa antsika. Noho izany dia tsy sasatra ny Fiangonana miantso antsika hifankatia marina tokoa araka ny voalazan’i Md Joany ao amin’ny Vakiteny Faharoa androany manao hoe : « ry hava-malala, aoka hifankatia isika, fa ny fitiavana dia avy amin’Andriamanitra, sy mahalala an’Andriamanitra. Izay tsy tia dia tsy mahalala an’Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana. Ary nampiseho ny fitiavany antsika Izy, tamin’ny nanirahany ny Zanany Lahy tokana ho amin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany. Ary toy izao izany fitiavana izany: tsy isika no tia an’Andriamanitra rahateo, fa Izy no tia antsika mialoha, sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana antsika amin’ny fahotantsika » (1 Jo. 4: 7 – 10).
P. Louis Martin
Assomptionniste