Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra

Alahady 22 febroary 2015

Alahady Voalohany amin’ny Karemy (Taona B)

« Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra ; mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely » (Mk. 1: 15)

« Te-hihavana amintsika Andriamanitra », izany no teny fanentanana omen’ny Fiangonana antsika androany. Be fitiavana tokoa izy ka tsy mamela antsika mpanota ho very fa mandray antsika ho zanany ary maniry mandrakariva ny hihavanantsika aminy rehefa misaraka aminy isika amin’ny alalan’ny fahotana vitantsika. Amin’ny alalan’ny fibebahana no ahafahantsika miverina amin’Andriamanitra indray ka io fibebahana io no anasan’ny Fiangonana antsika isan-taona mandritra ny vanin’androny Karemy izay efa natombontsika hatramin’ny Alarobia lasa teo. Androany dia ny Alahady Voalohany amin’ny Karemy no ankalazaina ka anasan’ny Fiangonana antsika hiara-dia amin’i Jesoa any an’efitra mba hivavaka sy hifady hanina ho mariky ny fibebahana. Ambaran’ny Evanjely androany fa : « tamin’izany andro izany, i Jesoa dia nentin’ny Fanahy ho any an’efitra, ka nitoetra tany efapolo andro dia nalain’i Satana fanahy sy niara-nitoetra tamin’ny bibidia, ary ny Anjely nanompo Azy » (Mk. 1: 12 – 13).

Efa nambarantsika teto tamin’ny taona lasa fa isan-taona, amin’ny Alahady Voalohany amin’ny Karemy, dia ny Evanjely mitantara ny misterin’i Jesoa tany an’efitra nandritra ny efa-polo andro sy efa-polo alina no aroson’ny Fiangonana hodinihintsika. Raha ny Evanjely nosoratan’i Md Matio no naroso antsika tamin’ny taona lasa (Taona A), dia ny voalaza ao amin’i Md Marka no atolotry ny Fiangonana hovakiana amin’ity anio ity (Taona B), ary ny ambaran’ny Md Lioka no haroso antsika amin’ny taona ho avy (Taona D). Midika izany fa ny Karemy dia fotoan-dehibe izay ampisehoana fa tena mpanara-dia an’i Jesoa tokoa isika ka tahaka ny nataony dia mivavaka sy mifady hanina ihany koa isika mandritra ny efa-polo andro ho fiomanana amin’ny Paka izay ankalazana amin’ny fomba manetriketrika ny mistery lehibe nanavotany antsika dia ny nanolorany ny tenany ho faty teo ambony Hazofijaliana saingy nitsangan-kovelona tamin’ny andro fahatelo.

Raha ampitahaina amin’ny voalazan’i Md Matio sy Md Lioka dia hita fa fohy kokoa ny ambaran’ny Evanjely nosoratan’i Md Marka izay aroson’ny Fiangonana hodinihitsika androany. Ny tena zava-dehibe anefa dia ny fahatsapantsika fa raha fiomanana tamin’ny asa nanirahana azy no nahatonga an’i Jesoa nentin’ny Fanahy ho any an’efitra ka nifady hanina efa-polo andro sy efa-polo alina, ny Karemy kosa ho antsika dia natao ho fiomanana amin’ny Paka amin’ny alalan’ny fifadian-kanina sy fivavahana ary fiantrana araka ny voalazan’ny Evanjely izay naroso antsika tamin’ny Alarobia fanosorana lavenona (jereo Mt. 6: 1 – 6; 16 – 18). Mazava ho azy fa ny tena hevi-dehibe tian’ny Evanjely hampitaina amintsika androany dia ny fanasan’i Jesoa antsika hibebeka satria tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra araka ny ambarany amintsika. « Ary rahefa natao an-tranomaizina i Joany, dia nankany Galilea i Jesoa nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ka nanao hoe : “Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra ; mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely” » (Mk. 1: 14 – 15).

Natao hibebahana tokoa ny fotoanan’ny Karemy ka anasan’ny Fiangonana antsika tsy hisalasala hangataka ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fandraisana ny Sakramentan’ny Fampihavanana. Efa nambarantsika ombieny ombieny fa io Sakramentan’ny Fampihavanana io no fomba ampisehoana miharihary fa mibebaka tokoa isika ary mandray ny famelan-keloka tanteraka avy amin’Andriamanitra ka izao Karemy izao no fotoan-dehibe anasan’ny Fiangonana antsika hanao izany araka ny volazan’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika manao hoe : « Ny fotoana sy ny andron’ny fivalozana mandritra ny taona litorzika (ny fotoanan’ny karemy, isaky ny zomà ho fahatsiarovana ny nahafatesan’ny Tompo) no fotoan-dehibe anaovan’ny Fiangonana ny fivalozana. Ireny fotoana ireny no sahaza indrindra ho an’ny fampiasam-panahy, ny litorzia momba ny fivalozana, ny fivahiniana masina ho mariky ny fivalozana, ny fihafiana an-tsitrapo toy ny fifadian-kanina mbamin’ny asa fiantrana, ny fifampizaràna maha-mpiray tam-po ara-pinoana (asa fitiava-namana sy asa misiônera) » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 1438).

Araka izany dia tena zava-dehibe tokoa ny fibebahana satria mahatonga antsika hihavana amin’Andriamanitra ka ho afaka handova ny Fanjakany araka ny anasan’i Jesoa antsika. Mampihavana antsika amin’ny Fiangonana sy ny namana ihany koa ny fibebahana satria tsy fombafomba fotsiny no tokony hanaovana azy io fa tsy maintsy misy vokany hita maso amin’ny fiainana andavanandro araka ny ampianarin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika antsika manao hoe : « Eo amin’ny fiainana andavanandro no hisehoan’ny fanatanterahana ny fibebahana, amin’ny alalan’ny fihetsika mampihavana, amin’ny alalan’ny fiahiana ny mahantra, ny fanaovana sy ny fiarovana ny rariny sy ny hitsiny amin’ny alalan’ny fiekem-pahadisoana amin’ny mpiray tam-po ara-pinoana, ny fanitsiana ny hadisoan’ny mpiray tam-po ara-pinoana, ny jery todika ny fiainana, ny fandinihan-tena, ny fitantanam-panahy, ny fanekena ny fijaliana, ny fiaretana fanenjehana noho ny fahamarinana. Ny mitondra ny Hazofijaliany isan’andro sy ny manaraka an’i Jesoa no lalana azo antoka indrindra amin’ny fivalozana » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 1435).

Miara-mivavaka ary isika amin’izao Alahady Voalohany amin’ny Karemy izao mba tena hibebaka marina tokoa araka ny fanasan’i Jesoa antsika. Mazava ny fanetanan’ny Fiangonana antsika amin’ny Ranombavaky ny mpino androany manao hoe : « ry kristianina havana, tsy fotoana natao hivavahana sy hamolahan-tena fotsiny ny Karemy, fa hiezahana hanaraka an’i Kristy koa hatrany an-tampon’ny Kalvery mba hitsanganantsika ho velona tahaka Azy ; koa mivavaha mba ho hain’izao tontolo izao toherina ny Ratsy izay fahavalo mandoza ny taranak’olombelona, tahaka ny nanoheran’i Kristy azy ». Enga anie ny fahasoavan’Andriamanitra no hirotsaka amintsika tsirairay avy mandritra izao Karemy izao ka hahafahantsika manohitra tokoa ireo ratsy isan-karazany izay miseho amin’ny fiainantsika andavanandro. Tahaka an’i Jesoa nandresy ny ratsy sy ny fahafatesana dia miara-mandresy aminy ihany koa isika rehefa miankina aminy, koa amim-pinoana mandrakariva no anolorantsika ny tenantsika manontolo aminy satria izy no « hahatonga antsika ho mpandova ny fiainana mandrakizay » araka ny voalazan’i Taratasy voalohan’i Md Piera Apôstôly izay aroson’ny Fiangonana ho antsika ao amin’ny Vakiteny faharoa androany.

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1128