Taiza no nahazoan’Izy io izany rehetra izany

Alahady 05 Jolay 2015

Alahady Faha – 14 tsotra Mandavan-taona (Taona B)

« Taiza no nahazoan’Izy io izany rehetra izany ? Fahendrena manao ahoana izao nomena azy izao ? » (Mk. 6: 2)

Nambarantsika tamin’ny Alahady heriny fa ny hamonjy ny olona rehetra no nahatongavan’i Jesoa, tsy nizaha tavan’olona izy ary tsy nanavakavaka na iza na iza fa samy novonjeny daholo izay rehetra nitalaho famonjena taminy. Izany indrindra no nahatonga azy nanasitrana ilay vehivavy anankiray nitsi-drà nandritra ny roa ambin’ny folo taona sy ny zanaka vavin’ilay lehiben’ny sinagôga atao hoe Jaïra araka ny voalazan’ny Evanjely naroson’ny Fiangonana ho antsika tamin’ny Alahady Faha – 13 tsotra Mandavan-taona. Voalazantsika fa ny finoana tao amin’ilay vehivavy narary nandritra ny roa ambin’ny folo taona no nahavonjy azy. Io finoana io ihany koa no tao amin’i Jaïra ka nahatonga azy niankohoka sy nihanta mafy tamin’i Jesoa mba ho avy hanasitrana ny zanany vavy izay narary mafy ary voalaza fa maty mihitsy aza saingy natsangan’i Jesoa ka tonga salama tsara.

Rehefa avy nanatanteraka ireo fanasitranana ireo i Jesoa dia nankany amin’ny tany nahabe azy araka ny ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao Alahady Faha – 14 tsotra Mandavan-taona izao. Tamin’ny toerana rehetra nalehan’i Jesoa dia nitangoronan’ny vahoaka hatrany izy ary maro tamin’ireny olona nanantona azy ireny no nino sy natoky fa izy tokoa no ilay Mpamonjy nirahin’Andriamanitra Ray hamonjy ny olona rehetra. Izany no tsy nisalasan’izy ireny nitalaho fanasitranana sy famonjena taminy. Porofon’izay ilay vehivavy narary nandritra ny roa ambin’ny folo taona sy ilay lehiben’ny sinagôga atao hoe Jaïra. Tsy tahaka izany anefa no zava-niseho rehefa niverina tany amin’ny tanana nahabe azy i Jesoa. Noho izy ireo niara-nonina taminy nandritra ny fahazazany dia gaga tokoa mahita ny fahefana sy ny fahendrena tao aminy. Izany no nahatonga azy ireo hifanontany manao hoe : « Taiza no nahazahoan’izy io izany rehetra izany? » (Mk. 6: 2).

Vakiteny I : Ez. 2: 2 – 5

Tononkira : Sal. 123: 1bc – 2ab, 2cdef, 3ab – 4abc

Vakiteny II : 2 Kor. 12: 7 – 10

Evanjely : Mk. 6: 1 – 6

Ambaran’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity mazava tsara fa : « tamin’izany andro izany i Jesoa nankany amin’ny tany nahabe Azy, ary nanaraka Azy ny mpianany. Ary rehefa sabata ny andro, dia nampianatra tao amin’ny sinagôga Izy, ka be tamin’izay nihaino Azy no gaga tamin’ny fampianarany sy nanao hoe : “Taiza no nahazoan’Izy io izany rehetra izany? Fahendrena manao ahoana izao nomena Azy izao, ary ahoana no ahefan’ny tanany izany asa lehibe izany? Moa tsy io va ilay mpandrafitra, zanak’i Maria, rahalahin’i Jakôba sy i Jôsefa ary i Joda sy i Simôna? Moa tsy aty amintsika va ny anabaviny?” Dia tafintohina taminy izy ireo » (Mk. 6: 1 – 3). Fahita matetika amin’ny fiarahamonina ity zava-niseho tamin’i Jesoa ity. Mazava ho azy fa tsy nino ny fampianarana nataony ireo niara-nonina taminy nandritra ny fahazazany na dia fianakaviany sy havany aza ny ankamaroan’izy ireo. Voalazan’ny Evanjely fa : « hoy i Jesoa taminy: “Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin’ny taniny sy amin’ny fianakaviany ary amin’ny havany ihany”. Ary tsy nahazo nanao fahagagana akory Izy teo, fa marary vitsivitsy monja no nositraniny tamin’ny fametrahan-tanana, ary gaga Izy noho ny tsy finoan’ireo. Dia nitety ny vohitra manodidina Izy sy ny mpianany » (Mk. 6: 4 – 6).

Fampianarana maro no azontsika raisina amin’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity. Voalohany indrindra dia mahakasika ny filazan’ny olona fa : « moa tsy io va ilay mpandrafitra, zanak’i Maria, rahalahin’i Jakôba sy i Jôsefa ary i Joda sy i Simôna ? Moa tsy aty amintsika va ny anabaviny ? » (Mk. 6: 3). Indraindray dia misy mampianatra hevi-diso mahakasika ny voalazan’ity Evanjely ity. Misy milaza fa araka ny ambaran’ny Evanjely eto dia tsy i Jesoa irery izany no zanak’i Maria fa nanana rahalahy sy anabavy izy ary ireo rahalahiny ireo dia voatanisa mazava tsara ao amin’ny Evanjely. Tokony hazava amintsika anefa fa tsy hoe zanak’i Masina Maria izy ireo satria araka ny finoantsika dia Virjiny izy ary tsy niteraka afa-tsy Jesoa Zanak’Andriamanitra irery ihany. Tahaka ny fombantsika Malagasy dia rahalahy sy anabavy daholo ny zanan-kavana rehetra ka ireo rahalahy sy anabavin’i Jesoa ambaran’ny Evanjely ireo dia tsy hoe zanaka naterak’i Masina Maria fa ireo zanaky ny havany.

Hampazava misimisy kokoa izany dia izao no ambaran’ny fampianarana hita ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika : « Ny fandalinan’ny Fiangonana ny finoany ny amin’ny maha-reny virjiny no nitarika azy hanambara ampahibemaso ny tena maha-virjiny tokoa sady mandrakizay an’i Maria4, na dia tamin’izy nïteraka ny Zanak’Andriamanitra tonga olombelona aza. Satria “tsy nampihena, fa vao mainka nanamasina ny tena maha-virjiny tsy misy tomika tokoa” an-dreniny, ny nahaterahan’i Kristy. Ilay Aeiparthenos, “virjiny mandrakizay” no ankalazan’ny litorzian’ ny Fiangonana, an’i Maria. Indraindray toherin’ny olona izany, noho ny Soratra Masina milaza an’ireo rahalahy sy anabavin’i Jesoa. Mahazo an-tsaina lalandava ny Fiangonana, fa ireo tsongan-dahatsoratra ireo dia tsy manondro zanaka hafa naterak’i Maria Virjiny : satria, i Jakôba sy i Josefa, “rahalahin’i Jesoa” ( Mt 13,55), dia zanak’i Maria anankiray mpianatr’i Kristy, izay notondroina amin’ny filazana mazava hoe : “Maria anankiray”( Mt 28,1). Ny lazaina amin’izany, dia havana akaikin’i Jesoa, araka ny fomba fiteny fantatra ao amin’ny Testamenta Taloha » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 499 sy 500).

Mazava io fampianaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika io, ary izany fampianarana izany no arahintsika Katolika rehetra, koa raha misy mampianatra zavatra hafa ankotr’io voalaza io dia tsy izy ary tsy marina fa fampisavorovoroana ny saintsika fotsiny ka tsy maintsy toherina sy ahitsy avy hatrany. Manaraka izany dia ambaran’i Jesoa fa : « tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin’ny taniny sy amin’ny fianakaviany ary amin’ny havany ihany ». Midika izany fa ny samy mpianakavy ihany no tsy mifanaja sy mifanenjika ary mifampiahiahy. Zavatra mety miseho ihany koa izany na amintsika samy vita Batemy sy iray fiangonana aza, koa mampianatra antsika i Jesoa eto mba hifampatoky sy hifampihaino. Mazava ho azy fa isika ihany no voa mafy rehefa tsy mihaino sy mino izay ambaran’ireo izay heverintsika fa olom-patatra sy nifanerasera tamintsika. Tahaka ny niseho tamin’ireto mpiara-monina tamin’i Jesoa ireto araka ny ambaran’ity Evanjely ity manao hoe : « tsy nahazo nanao fahagagana akory Izy teo, fa marary vitsivitsy monja no nositraniny tamin’ny fametrahan-tanana, ary gaga Izy noho ny tsy finoan’ireo ».

Miara-mivavaka ary isika amin’izao Alahady Faha – 14 tsotra Mandavan-taona izao mba hahay hifampihaino sy hifampatoky marina tokoa. Mety sarotra ny manatanteraka izany satria matetika dia ny kileman’ireo mpiara-monina amintsika no hita taratra mialoha ka zary sakana tsy inoana izay ambarany. Amin’ny maha Kristianina dia ny zavatra tsara mandrakariva no tokony ho hita taratra ; noho izany na Pretra isika na Relijiozy na Lahika dia manana adidy hijoro ho vavolombelon’ny finoana ka tsy hatahotra ny hijoro amin’izany finoana izany na dia eo aza ny fanenjehana sy ny tondro molotra mety mahazo antsika ataon’ny mpiara-monina amintsika. Efa niaretan’i Jesoa izany ka andeha isika hitalaho aminy mba hanomezany antsika ny herim-panahy sy herin-tsaina hahafahantsika miatrika ireny sakana samihafa avy amin’ny fiarahamonina ireny. Amin’izay dia tsy hisalasala isika ny hiteny tahaka an’i Md Paoly araka ny voalaza ao amin’ny Vakiteny Faharoa androany manao hoe : « koa dia vao mainka sitrako aza ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko. Izany no ifaliako amin’ny fahalemeko, amin’ny fahafaham-baraka, amin’ny fahaterena, amin’ny fanenjehana, amin’ny fahantrana, noho ny amin’i Kristy, satria ny fahalemeko no heriko » (2 Kôr. 12, 9 – 10)


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097