Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra

Alahady 15 martsa 2015

Alahady Faha-4 amin’ny Karemy (Taona B)

« Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’Olona koa » (Jo. 3: 14)

 

Amin’ny vavaka Fangatahana izay omen’ny Fiangonana antsika androany dia mitalaho amin’Andrimanitra isika manao hoe : « Andriamanitra ô, fomba mahagaga no nampihavananao ny olombelona aminao tamin’ny alalan’ny Teninao tonga nofo ; koa enga anie ny vahoaka kristianina hoentanim-pinoana, hidodododo hankalaza ny Paka efa akaiky ». Tena marina fa efa akaiky tokoa ny Paka ary araka ny efa nambarantsika teto tamin’ny Alahady heriny dia tafiditra tanteraka ao anatin’ny fiomanana amin’izany fankalazana lehibe izany isika. Raha tsiahivina dia ny Evanjely mitantara ny niakaran’i Jesoa tany Jerosalema mba hankalaza ny Pakan’ny Jody no nambaran’ny Evanjely tamin’ny Alahady heriny. Amin’izao Alahady Faha-4 amin’ny Karemy izao kosa dia ny mahakasika ny resaka nifanaovan’i Jesoa sy Nikôdema no ambaran’ny Evanjely. « Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’i Nikôdema nanao hoe : Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’Olona koa, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay » (Jo. 3: 14 – 15).

Tsy ho an’i Nikôdema irery ihany no nilazan’i Jesoa io teny io fa ho antsika rehetra mino azy ihany koa. Hita miharihary fa efa fantatr’i Jesoa mialoha ny fijaliana tsy maintsy hiaretany ka nahatonga azy hilaza fa tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana azy eo amin’ny Hazofijaliana ihany koa mba ho fanavotana izay rehetra mino azy. Mba hahafahantsika mahazo tsara ny tena zava-nisy marina tamin’io fotoana nanadratan’i Moizy ny bibilava tany an’efitra io dia indro aloha omena antsika ny voalaza ao amin’ny  Boky Fanisana izay mitantara indrindra mahakasika izany. Araka ny efa fantantsika moa dia nirahin’Andriamanitra nitondra ny Zanak’Israely niala tany Ejipta i Moizy ka lalan-davitra tokoa no nalehan’izy ireo. Noho izany rehefa « niala tany an-tendrombohitra Hora izy ireo, dia nihazo ny làlan’ny ranomasina Mena, hanodidina ny tanin’i Edoma. Namoifo tsy niaritra ny vahoaka tamin’io làlana io ka niteny nanome tsiny an’Andriamanitra sy Moizy hoe : Nahoana no dia nentinao niakatra avy tany Ejipta izahay ho faty aty an’efitra ? Ny mofo tsy misy, ny rano tsy misy, ary ny fanahinay efa monainan’itony hanina tsinontsinona itony » (Fan. 21 : 5).

Manoloana io fanomezan-tsiny nataon’ny vahoaka io indrindra no ilazan’ny Boky Fanisana hoe : « Ary Andriamanitra tamin’izay nandefa bibilava mahamay hamely ny vahoaka : nokekerin’ireny ny vahoaka ary nahafatesana betsaka ny olona tamin’Israely. Nankeo amin’i Moizy ny vahoaka ka nanao hoe : Efa nanota izahay fa niteny nanome tsiny an’ny Tompo sy hianao. Mivavaha amin’ny Tompo mba hoesoriny lavitra anay ireo bibilava ireo. Dia nivavaka ho an’ny vahoaka Moizy, ka hoy Andriamanitra tamin’i Moizy : Manaova hianao bibilava mahamay ka apetraho amin’ny tsato-kazo, fa ho velona aina izay rehetra voakaikitra ka mijery izany. Dia nanao bibilava varahina Moizy, ka napetrany teo amin’ny tsato-kazo lava, dia nijery ny bibilava varahina izy dia velona » (Fan. 21 : 6 – 9). Io bibilava varahina napetraky Moizy tamin’ny tsato-kazo ka nahasitrana izay rehetra nijery azy io no anoharan’i Jesoa ny tenany ka nilazany fa tsy maintsy hasandratra eo amin’ny tsato-kazo ihany ko izy, mba tsy ho very izay rehetra mino azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.

Tena zava-dehibe tokoa io fanoloran-tena nataon’i Jesoa teo amin’ny Hazofijaliana io. Izany no nilazany hoe « Fa lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao tontolo izao, mba hitsara an’izao tontolo izao, fa mba hamonjy an’izao tontolo izao. Izay mino Azy dia tsy tsaraina; fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo, satria tsy mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra tokana » (Jo. 3: 14 – 15). Nomen’Andriamanitra Ray antsika tokoa i Jesoa Zanany tokana mba hamonjy antsika. Voalaza mazava tsara amin’ity Evanjely ity anefa fa izay rehetra mino azy no hovoavonjy sy hanana ny fiainana mandrakizay ary naveriny in-droa mihitsy ny filazana izany satria sady efa nambarany tamin’i Nikôdema izany teny izany no mbola naveriny ihany koa rehefa nilaza ny maha lehibe ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao izy.

Raha tsy mino an’i Jesoa Mpamonjy ary isika dia mazava fa tsy ho afaka hanana ny fiainana mandrakizay mihitsy. Tamin’ny alalan’ny Batemy no nandraisantsika izany finoana izany ka manasa antsika izy mba tena hiaina sy hivelona io finoana noraisintsika io mba hahafahantsika mahazo antoka fa tena handova ny fiainana mandrakizay miaraka aminy tokoa isika rehefa tonga ny fotoana hialantsika amin’ity tany fandalovana ity. Izao anefa no tsy maintsy tsaroantsika mandrakariva. Tsy mitsara antsika i Jesoa na dia tsy mino azy aza isika fa tena safidim-pontsika malalaka ny handeha amin’ny lalan’ny fahazavana mitondra any amin’ny famonjena na hanaraka ny lalan’ny maizina mitarika ho any amin’ny fahaverezana. Izany indrindra no nilazany amin’ity Evanjely androany ity manao hoe : « Ary izao no fitsarana : tonga amin’izao tontolo izao ny fahazavana, nefa naleon’ny olona ny haizina toy izay ny fahazavana, satria ratsy ny asany. Fa izay rehetra manao ratsy dia tsy tia ny fahazavana, ka tsy manatona ny fahazavana sao hita miharihary ny asany ; fa izay manao ny marina no manatona ny fahazavana, mba hiharihary ny asany, fa atao amin’Andriamanitra » (Jo. 3: 19 – 21).

Mampianatra antsika handeha amin’ny marina mandrakariva i Jesoa eto satria izay manao ny marina hoy izy no manatona ny fahazavana, mba hiharihary ny asany fa izay manao ratsy kosa dia tsy tia ny fahazavana sao hita miharihary izany asa ratsy ataony izany. Manasa antsika ary i Jesoa amin’izao Alahady Faha-4 amin’ny Karemy izao mba hanatona azy, izay fahazavana manilo ny diantsika mandrakariva. Raha sendra nisy ny zavatra ratsy izay natao ka mahatonga antsika tsy hanatona ny fahazavana dia tsy tokony hisalasala isika hangataka aminy ny famelan-keloka sy famindram-po amin’ny alalan’ny fanatonana ny Sakrametan’ny Fampihavanana. Araka ny fampianaran’i Papa François vao tsy ela akory izay dia nambarany mazava tsara fa ny Sakramentan’ny Fampihavanana dia Sakramentan’ny fitiavana ka isaky ny mandray izany isika dia tokony ho faly sy hidera an’Andriamanitra satria nahazo ny famindram-pony ary afaka hanana ny fiainana mandrakizay miaraka amin’i Jesoa Kristy Zanany. Miara-mivavaka ary siaka androany mba hihamafy hatrany ny finoana ananantsika mba hahafahantsika manatona mandrakariva ny fahazavana dia i Kristy Tompo izay mampiseho ny lala-marina mitondra antsika ho any amin’ny fiainana mandrakizay, dia ny fialana amin’ny ratsy sy fanaovana ny marina.


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117