Alahady 08 febroary 2015
Alahady Faha-5 tsotra Mandavantaona (Taona B)
« Tadiavin’ny olona rehetra Ianao » (Mk. 1: 37)
Nambaran’ny Evanjely tamin’ny Alahady heriny fa « tamin’izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany nankany Kafarnaôma, ka ny sabata voalohany ihany, dia niditra tao amin’ny Sinagôga Izy ary nampianatra ny olona » (Mk. 1: 21). Voalaza tamin’izany fa gaga ny olona tamin’ny fampianarany, satria nampianatra azy toy ny manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna. Fa ny tena nahatalanjona ny olona rehetra tao amin’ny Sinagôga dia ny nahita ny fahagagana nataony tamin’ny nandroahany ny fanahy maloto tao amin’ny lehilahy anankiray. Hita miharihary fa mifampitohy tanteraka ny voalazan’io Evanjely tamin’ny Alahady heriny io (Mk. 1: 21 – 28) sy ny aroson’ny Fiangonanana hodinihintsika amin’izao Alahady Faha-5 tsotra Mandavantaona izao (Mk. 1: 29 – 39). Ambaran’ity Evanjely androany ity tokoa fa « raha nivoaka avy tao amin’ny Sinagôga i Jesoa sy i Jakôba ary i Joany, dia nankany an-tranon’i Simôna sy i Andre. Ary ny rafozambavin’i Simôna nandry teo am-pandriana fa nanavy, ka noresahin’izy ireo taminy niaraka tamin’izay. Dia nanatona nandray ny tanany i Jesoa sy nanarina azy, dia afaka ny tazony ka nanompo Azy izy » (Mk. 1: 29 – 31).
Araka ny voalaza eto dia noresahin’ny mpianatra tamin’i Jesoa ny nahazo ny rafozambavin’i Simôna izay nandry teo am-pandriana fa nanavy. Niaraka tamin’izay dia tsy nisalasala i Jesoa nony nandre izany fa nanatona nandray ny tanan’ilay marary sy nanarina azy ka afaka ny tazony ary nanompo Azy izy. Manaraka izany dia ambaran’ity Evanjely androany ity fa « nony hariva efa maty masoandro, dia nentina teo aminy ny marary rehetra sy ny azon’ny demony, ary ny tao an-tanàna rehetra nitangorona teo am-baravarana avokoa. Dia nanasitrana olona maro nararin’ny aretina samihafa Izy, sady nandroaka demony maro, fa tsy navelany hiteny ny demony, satria nahafantatra Azy » (Mk. 1: 32 – 34). Azo ambara fa tsy niafina tamin’ny olona ny fanasitranan’i Jesoa ilay rafozambavin’i Simôna ka izany no nahatonga ny marary rehetra tao an-tanàna nentina teo aminy. Tahaka izany dia nentina teo aminy ihany koa ny azon’ny demony rehetra satria samy nahita ny nandroahan’i Jesoa ilay fanahy maloto tao amin’ny Sinagôga ny olona ka tsy nisalasala nanatona azy satria izy ireo ihany no niteny hoe : « Inona ity ? Fampianarana vaovao inona re ity ? Fa ny fanahy maloto avy no didiany ka manaiky Azy » (Mk. 1: 27).
Vakiteny I : Job. 7: 1 – 4, 6 – 7
Tononkira : Sal. 147: 1 – 2, 3 – 4, 5 – 6
Vakiteny II : 1 Kor. 9: 16 – 19, 22 – 23
Evanjely : Mk. 1: 29 – 39
Fomban’i Jesoa moa ny mndeha mankany amin’ny tany mangingina ka mivavaka rehefa avy manasitrana sy mandroaka demony, izany indrindra no ambaran’ity Evanjely androany ity satria « nony ampitso nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany amin’ny tany mangingina, ka nivavaka tany. Dia lasa nitady Azy i Simôna sy ny namany, ka nony nahita Azy dia nilaza taminy hoe: “Tadiavin’ny olona rehetra Ianao”. Fa izao no navaliny: “Andeha isika hankany amin’ny tanàna akaiky, mba hitoriako any koa; fa izany no nivoahako”. Dia lasa Izy nitory tamin’ny sinagôgan’ny olona sy eran’i Galilea rehetra, sady nandroaka ny demony » (Mk. 1: 35 – 39). Tena natoky tanteraka an’i Jesoa ireto mpianatra ireto ka izany no nahatonga azy ireo tsy nisalasala nilaza tamin’ny Jesoa mahakasika io aretina nahazo ny rafozambavin’i Simôna io, izany ihany koa no nahatonga azy ireo nitady azy ka nilaza hoe : « Tadiavin’ny olona rehetra Ianao ». Mazava ho azy fa tena niara-niasa tamin’i Jesoa tanteraka ny mpianatra satria izy ireo hatrany no mitondra an’i Jesoa hanasitrana ny marary. Adidin’izy ireo tokoa ny mitondra eo anatrehan’i Jesoa ny fahoriana sy ny fijalian’ny olona ary nanao izany adidy izany tamim-pitiavana tokoa sady tsy nahalala sasatra fa niaraka tamin’ny Jesoa mandrakariva tamin’ny toerana rehetra nalehany.
Mampianatra antsika ny maha zava-dehibe ny adidy sy andraikitra apetrak’i Jesoa amin’ny Eveka izay dimbin’ny Apostoly sy ny Pretra mpiara-miasa aminy ity Evanjely androany ity. Tahaka ny mpianatra dia manana adidy hitondra eo anatrehan’i Jesoa ny fahoriana sy ny fijalian’ny olona ny Eveka sy ny Pretra. Izy ireo tokoa no mpizara ny Sakramentan’ny fanasitranana ka tsy tokony hisalasala isika hanatona azy ireo. Ny Eveka sy ny Pretra no mpanasitrana antsika rehefa azon’ny demony isika amin’ny alalan’ny Sakramentan’ny Fampihavanana. Tsy ny Eveka sy ny Pretra no mamela ny fahotantsika sy mandroaka ny demony mitarika antsika amin’ny ratsy fa i Jesoa izay nanome fahefana azy ireo tahaka ny nanomezany fahefana ny Apostoly, noho izany raha tiantsika ny ho afaka amin’ny fahotana sy ny fanahy maloto rehetra dia tsy maintsy mandray io Sakramentan’ny Fampihavanana io isika satria tena mamela ny fahotantsika tokoa i Jesoa amin’ny alalan’ny vavaka famelan-keloka ataon’ny Eveka sy ny Pretra ho antsika rehefa mandray izany Sakramenta izany isika.
Manaraka izany dia ny Eveka sy ny Pretra ihany koa no mpanasitrana antsika amin’ny alalan’ny Sakramenta fanosorana ny marary. Tahaka ny amin’ny Sakramentan’ny Fampihavanana ihany dia i Jesoa mihitsy no manasitra antsika rehefa mandray io Sakramenta fanosorana ny marary io isika satria ny adidin’ny Eveka sy ny Pretra dia ny mitondra antsika eo amin’i Jesoa mba hositraniny tahaka ny nataon’ny mpianatra. Maro amintsika no diso hevitra ka mieritreritra fa ny olona marary efa hofaty ihany no tokony handray ny Sakramenta fanosorana ny marary. Tsy Sakramentan’ny fahafatesana izy io fa Sakramentan’ny fanasitranana ka sady mamelombelona ny Fanahy no mampatanjaka ny vatana izay osa sy malemy noho ny aretina. Ny hositrana sy hatanjaka indray no tena fahasoavana angatahintsika rehefa mandray ny Sakramenta fanosorana ny marary fa tsy ny ho faty. Noho izany dia tsy tokony hatahotra isika handray io Sakramentan’ny fahavelomana io satria ny fandraisana io Sakramenta fanosorana ny marary io no anomezan’i Jesoa fahasalamana ara-panahy sy ara-batana ho antsika.
Miara-mangataka ny fanilovan’ny Fanahy Masina isika amin’izao Alahady Faha-5 tsotra Mandavantaona izao mba hitari-dalana antsika mandrakariva izy hanantona amim-pinoana an’i Jesoa izay mpamela heloka sy mpanasitrana antsika amin’ny alalan’ny Sakramentan’ny Fampihavanana sy fanosorana ny marary. Ny fandraisatsika ireo Sakramenta ireo no lalana mitondra antsika any amin’ny hasambarana mandrakizay rehefa hotonga ny fotoana hialantsika amin’ity tany fanadalovana ity. tahaka ny voalazan’ny Bokin’i Jôba amin’ny alalan’ny Vakiteny Masina Voalohany androany dia mivavaka ihany koa isika manao hoe : « Mihelina faingana toy ny famahanan-tenona ny androko, dia lany: tsy misy fanantenana intsony! Andriamanitra ô! tsarovy fa fofona kely foana ny aiko! ka tsy hahita fiadanana intsony ny masoko » (Job. 7: 7). Enga anie ny fiadanana lavorary avy amin’Andriamanitra no hameno ny fiainantsika mandakariva.
P. Louis Martin
Assomptionniste