Rehefa tonga ny Fanahy fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo

Alahady 24 Mey 2015

Alahady Pantekôty (Taona B)


« Rehefa tonga ny Fanahy fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra » (Jo. 16: 13)

 

Andro lehibe tokoa no ankalazaintsika androany satria rehefa avy nibanjina an’i Jesoa nitsangana tamin’ny maty sy niakatra any an-danitra isika nandrindra ny Alahady fito nifanesy dia tonga amin’ny fankalazana ny Pantekôty. Ity fankalazana ity no ahatsiarovana ny nidinan’ny Fanahy Masina tamin’ny Apostoly rehetra. Izany indrindra no voalazan’ny Vakiteny Voalohany izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany manao hoe : « nony tonga ny andro Pantekôty, dia tafavory tao amin’ny trano anankiray ny Apôstôly rehetra, ary tampoka injay nisy feo avy any an-danitra toy ny rivotra nifofofofo mafy ka nahenika ny trano nitoerany : sady nisy lela maro mitarehina afo niseho taminy sy nizarazara nipetraka teo amboniny tsirairay avy, ka samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra sy niteny tamin’ny fiteny maro samihafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy avy » (Asa. 2: 1 – 4). Araka izany dia ampianarin’ny Fiangonana antsika mazava tsara fa « ny andro Pantekôty (faran’ny herinandro fito ny Paka) no tanteraka ny Pakan’i Kristy, tamin’ny fandrotsahana ny Fanahy Masina izay naseho, nomena, nampitaina amin’ny maha-Olona-Andriamanitra : avy amin’ny Hafenoany, i Kristy, Tompo, no mandrotsaka be dia be ny Fanahy » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 731).

Araka ny voalazan’ny Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly sy nohamafisin’ny fampianaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika dia tsy isalasalana fa tena misy tokoa ny Fanahy Masina ary tena nidina tamin’ny Apostoly tamin’ny andron’ny Pantekôty. Izany no mahatonga antsika hanambara miharihary ao amin’ny vavaka Fiekem-pinoana ataontsika manao hoe : « Izaho mino ny Fanahy Masina. Tompo Loharanon’aina avy amin’ny Ray sy ny Zanaka. Tsaohina sy omem-boninahitra miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka ». Hita amin’ity vavaka Fiekem-pinoana  ity fa tsy afa-misaraka ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Noho izany dia azo lazaina fa tamin’ny andro Pantekôty, izay fotoana nidinan’ny Fanahy Masina no ahitantsika miharihary ny maha Andriamanitra tokana Olona telo ny Trinite Masina. Mazava ho azy fa « tamin’io andro io no nambara manontolo ny Trinite Masina. Hatramin’io andro io, ny Fanjakana nolazain’i Kristy dia misokatra ho an’ireo izay mino Azy : amin’ny fanetren-tenan’ny nofo sy amin’ny finoana no efa andraisan’ izy ireo anjara sahady amin’ny fiombonana amin’ny Trinite Masina. Amin’ ny fahatongavany, ary tsy mitsahatra izany, no ampidiran’ny Fanahy Masina an’izao tontolo izao ao amin’ny “fotoana farany”, ny fotoanan’ny Fiangonana, ilay Fanjakana efa nolovàna, nefa tsy mbola tomombana » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 732).

Ity fampianaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika ity izany no mampiseho amintsika fa tsy afa-misaraka ny Pantekôty izay ankalazaina androany sy ny Fetin’ny Trinite Masina izay hankalazaintsika amin’ny Alahady heriny ho avy izao. Araka ny ambaran’ny Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ihany koa dia « nisy Jody mpivavaka tsara nitoetra tao Jerosalema, avy tamin’ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra, nony nahare izany izy ireo, dia nidodododo maro be ka very hevitra izay tsy izy, fa samy nandre azy ireo niteny ny fiteniny avy izy rehetra. Gaga sy talanjona izy ireo, ka vaky nanao hoe: “Endre, tsy avy any Galilea daholo va ireo miteny ireo? Ka nahoana àry ity isika no samy mandre azy miteny ny fitenin-drazantsika avy; dia ny Parta, ny Meda, ny Elamita sy ny mponina any Mezôpôtamia, Jodea, Kapadôsa, Pônto, Azia, Frijia, Panfilia, Ejipta, ary ny any Libia akaikin’ny Sirena, sy ny vahiny avy any Rôma, na Jody na prôzelita, ary ny any Kreta sy ny Arabo, dia ahoana no samy mandre azy ireo milaza amin’ny fitenintsika avy ny zava-mahagaga ataon’Andriamanitra isika rehetra » (Asa. 2: 5 – 11).

Ambaran’ity Tenin’Andriamanitra ity mazava tsara fa ny olona « avy tamin’ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra », no samy mandre ny Apostoly niteny ny fitenin-drazany avy. Midika ihany koa izany fa ny andro Pantekôty no fotoana nahaterahan’ny Fiangonana ka nitory ampahibemaso ny Vaovao Mahafaly nampianarin’i Kristy. Mazava ny fampianaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika mahakasika izany manao hoe : « vantany vao tontosa ny tsangan’asa izay nankinin’ny Ray tamin’ny Zanany hotanterahina eto an-tany, ny andro Pantekôty, dia nirahina ny Fanahy Masina mba hanamasina maharitra tsy tapaka ny Fiangonana. Tamin’izany no “nisehoan’ny Fiangonana ampahibemaso teo anatrehan’ny vahoaka be dia be sy nanombohan’ny fampielezana ny Evanjely niaraka tamin’ny fitorian-teny”. Noho izy “fiantsoana” ny olombelona rehetra ho amin’ny famonjena, dia misiônera irahin’i Kristy ho any amin’ny firenena rehetra ny Fiangonana, amin’ny fomba aman-toetra maha-izy azy, mba hahatonga ny olona rehetra ho mpianatra » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 767).

Araka ireo fampianarana ireo dia azo lazaina fa fotoana natao hibanjinana manokana ny Fanahy Masina ity andro Pantekôty ankalazaintsika androany ity. Matetika dia hadinontsika fa ny Fanahy Masina dia Andriamanitra marina, tsaohina sy omem-boninahitra miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka. Noho izany dia mitodika sy mivavaka manokana amin’Andriamanitra Fanahy Masina isika androany satria io Fanahy io no mpitari-dalana antsika araka ny voalazan’i Jesoa ao amin’ny Evanjely androany manao hoe « rehefa tonga ny Fanahy fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra » (Jo. 16: 13). Io Fanahy io ihany koa no mitarika antsika amin’ny lala-mahitsy ka ahafahantsika manao ny tsara mandrakariva satria hoy i Md Paoly ao amin’ny Vakiteny Faharoa androany hoe : « ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao : fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, tsy fivadihana, fahalemem-panahy, fahalalana onony ; tsy misy izay lalàna mikasika an’ireo. Izay an’i Kristy Jesoa dia efa namàntsika ny nofony mbamin’ny faniriana amam-pilàndratsiny tamin’ny Hazofijaliana. Velona amin’ny Fanahy isika, ka aoka handeha amin’ny Fanahy ; fa aza te hoderaina foana amin’izay fifampilàna kisa amam-pifampialonana » (Ga. 5: 22 – 25). Enga anie ny Fanahy Masina tokoa no hanenika ny fiainantsika tsirairay avy mba hahafahantsika mandray sy miaina ireo vokatry ny Fanahy izay voalazan’i Md Paoly ireo.



 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1166