Ravao ity Tempoly ity, fa hatsangako indray amin’ny hateloana

Alahady 08 martsa 2015

Alahady Faha-3 amin’ny Karemy (Taona B)


« Ravao ity Tempoly ity, fa hatsangako indray amin’ny hateloana » (Jo. 2: 19)
 

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fiomanana amin’ny fankalazana ny Paka isika. Ny Alahady Faha-3 amin’ny Karemy no ankalazaintsika androany. Ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’ity anio ity dia mahakasika indrindra izay fiomanana amin’ny Paka izay satria i Jesoa mihitsy no niakatra tany Jerosalema nankalaza ny Paka izay fety lehibe fanaon’ny Jody isan-taona. Ambaran’ity Evanjely ity ary fa « akaiky ny Pakan’ny Jody, ka niakatra tany Jerosalema i Jesoa. Ary hitany tao anatin’ny Tempoly ny mpivarotra omby aman’ondry sy voromahailala ary ny mpanakalo vola nipetraka tao, ka nanao kotopia tamin’ny tady madinika Izy, dia nandroaka azy rehetra mbamin’ny omby aman’ondry hiala amin’ny Tempoly ; nararany ny volan’ny mpanakalo vola, nazerany ny latabatra, ary hoy Izy tamin’izay nivaro-boromahailala : “Esory eto ireto, fa aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko” » (Jo. 2: 14 – 16). Fanaon’i Jesoa tokoa ny mandeha any Jerosalema isan-taona mandritra ny fankalazana ny fetin’ny Paka ary fony izy roa ambin’ny folo taona dia efa nentin’ny ray aman-dreniny nandray anjara tamin’izany fankalazana izany. Tsara ampahatsiahivina tokoa fa « isan-taona ny ray aman-dreniny dia nankany Jerosalema amin’ny andro fetin’ny Paka ; ka nony efa roa ambin’ny folo taona izy, dia niakatra araka ny fanao amin’izany fety izany izy ireo » (Lk. 2: 41 – 42)

Mazava ho azy fa io fetin’ny Paka io no lehibe indrindra amin’ny fety Jody ka tsy mantsy miezaka manatrika izany daholo ny Jody rehetra. Io no fotoan-dehibe ankalazan’izy ireo ny tsangambato fahatsiarovana ny nanavotan’Andriamanitra ny taranak’Israely ho afaka teo ambanin’ny fanandevozana tany Ejipta. Mba hahafahantsika mahazo misimisy kokoa ny tena hevitry ny Paka Jody dia izao no voalazan’ny fampianarana hita ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika : « Araka ny hevi-tenin’ny Soratra Masina, ny hoe tsangambato fahatsiarovana dia tsy fahatsiarovana fotsiny ny zava-niseho tamin’ny lasa, fa fanaovana antso avo ny zava-mahagaga izay notanterahin’ Andriamanitra ho an’ny olombelona. Amin’ny fankalazana ara-litorzian’ireny zava-niseho ireny, dia manjary eo sy ankehitriny amin’ny fomba tsy isalasalana izy ireny. Avy amin’izany fomba izany no ahatakaran’i Israely ny fanafahana azy tany Ejipta : isaky ny ankalazaina ny Paka, dia mitamberina ao antsain’ny mpino ireo zava-niseho tamin’ny Eksaody mba hampifanarahan’ izy ireo ny fiainany amin’izany » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 1363).

Vakiteny I : Eks. 20: 1 – 17

Tononkira : Sal. 19: 8, 9, 10, 11

Vakiteny II : 1 Kor. 1: 22 – 25

Evanjely : Jo. 2: 13 – 25

Azo ambara fa mazava amintsika tsara araka io fampianaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika io ny tena hevitry ny Paka Jody sy ny maha samy hafa azy amin’ny Paka izay iomanantsika Kristianina ankehitriny. Mbola ho avy moa ny fotoana hifampizarantsika mahakasika ny maha fety lehibe ny Paka ho antsika Kristianina fa raha iverenana ny voalazan’ny Evanjely androany dia tonga tao Jerosalema i Jesoa, niditra tao anatin’ny Tempoly izy ka nahita ny mpivarotra omby aman’ondry sy voromahailala ary ny mpanakalo vola nipetraka tao. Rehefa izany dia nanao kotopia tamin’ny tady madinika Izy ka nandroaka azy rehetra mbamin’ny omby aman’ondry hiala amin’ny Tempoly. Hita fa tena tezitra tokoa i Jesoa nahita ireto mpivarotra tao amin’ny Tempoly ireto ka niteny hoe : « Esory eto ireto, fa aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko ». Araka ny voalazan’ny Evanjely dia : « niteny kosa ny Jody ka nanao taminy hoe : “Inona no famantarana asehonao aminay no manao toy izao Ianao?” Dia namaly i Jesoa nanao hoe : “Ravao ity Tempoly ity, fa hatsangako indray amin’ny hateloana”. Ka hoy ny Jody : “Enina amby efapolo taona no nanaovana ity Tempoly ity ka Ianao ve dia hanangana azy indray amin’ny hateloana e”. Ny vatany anefa no Tempoly nolazainy. Ary nony tafatsangan-ko velona Izy dia tsaroan’ny mpianany fa voalazany izany, ka nino ny Soratra masina sy ny teny voalazan’i Jesoa izy ireo » (Jo. 2: 18 – 22).

Hita miharihary eto fa ny filazan’i Jesoa hoe « ravao ity Tempoly ity, fa hatsangako indray amin’ny hateloana », dia efa fanambarana mazava tsara mahakasika ny hijaliany sy ny hahafatesany ary ny hitsanganany ho velona amin’ny hateloana. Ambaran’ny Evanjely moa fa ny « vatany anefa no Tempoly nolazainy. Ary nony tafatsangan-ko velona Izy dia tsaroan’ny mpianany fa voalazany izany, ka nino ny Soratra masina sy ny teny voalazan’i Jesoa izy ireo ». Isika ihany koa dia mino ny Soratra Masina sy ny teny rehetra voalazan’i Jesoa ary izay no mahatonga antsika hiomana tsara amin’ny fankalazana ny Paka izay fotoan-dehibe indrindra ahatsiarovantsika ny fijaliana sy ny fahafatesana ary ny fitsanganan’i Jesoa ho velona. Io filazan’i Jesoa mialoha ny hitsanganany ho velona io no porofo manambara fa tena Andriamanitra tokoa izy ary mahefa ny zavatra rehetra, eny fa na ny fahafatesana aza tsy naharesy azy. Io finoana ao amintsika io no nahatonga antsika handray ny Sakramentan’ny Batemy izay ahazoantsika ny aim-baovao miaraka amin’i Kristy. Izany no nilazan’i Md Paoly hoe : « fa niara-nilevina taminy hianareo tamin’ny Batemy, ary niara-nitsangana taminy tamin’ny Batemy ihany koa, noho ny finoanareo ny herin’Andriamanitra izay nanangana azy tamin’ny maty » (Kol. 2: 12).

Miara-miavavaka ary isika amin’izao Alahady Faha-3 amin’ny Karemy izao ho an’ireo rehetra miomana hatao Batemy mba tena hihamafy hatrany ny finoana ao amin’izy ireo ka hotsapan’izy ireo fa tena aim-baovao avy amin’i Kristy tokoa no raisin’izy ireo amin’io Sakramenta lehibe idirana ho Kristianina io. Ho antsika rehetra efa vita Batemy sy miaina ny finoana kosa dia miara-mivavaka ihany koa isika mba hiezaka mandrakariva hanavao hatrany ny toky izay nomentsika tamin’ny Batemy ka hiaina izany amin’ny fiainantsika andavanandro, indrindra amin’ny fahazotoantsika mamonjy ny fivavahana Alahady. Hitantsika ny nataon’i Jesoa fa niditra tao anatin’ny Tempoly izy ary nilaza tamin’ireo mpivarotra omby aman’ondry sy voromahailala ary ny mpanakalo vola hoe : « aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko ». Tsy natao hivarotana tokoa ny Tempoly fa natao hivavahana ka izay no nahatonga an’i Jesoa tsy nisalasala kely akory nandroaka azy ireo.

Tahaka izany ihany koa ny trano fiangonana, natao hivavahana sy hiderana an’Andriamanitra Ray izy io ka tokony hazoto isika ny hivavaka ao na dia ho isan’Alahady ihany aza. Ekena fa maro ny zava-manahirana ary maro amintsika no manenjika fotoana amin’ny asa aman-draharaha isankarazany saingy tokony hotsaroantsika mandrakariva fa na io asa ataontsika io aza dia mbola ny fahasoavan’Andriamanitra ihany no ahafahantsika tena manao izany ka tsy tokony hohadinointsika ny misaotra azy. Izy no manome antsika ny saina sy ny hery ary ny fahaizana ahafahantsika miasa tsara, izy ihany koa no manome ny fahasalamana fa raha tsy manana izany fahasalamana izany isika dia tsy afaka manao na inona na inona ka izay no antony lehibe tsy maintsy isaorana azy. Raha sendra nisy ary izay fahakamokamoana nivavaka Alahady izay dia fotoan-dehibe hiovana izao fankalazana ny Karemy izao. Fotoana ahafahantsika miverina amin’Andriamanitra indray ary manamafy hatrany ny finoantsika. Enga anie ny fibanjinantsika an’i Jesoa niditra tao anatin’ny Tempoly araka ny ambaran’ny Evanjely androany hanampy antsika handini-tena ihany koa ka tsy hisalasala ny hiditra amim-pinoana ny trano fivavahana ary rehefa tonga ao dia tena hivavaka tokoa fa tsy sanatria hivarotra na hanao zavatra hafa tahaka ny nataon’ireto olona noroahin’i Jesoa hiala ny Tempoly ireto. Ny Fanahy Masina noraisintsika tamin’ny Batemy anie hanilo ny diantsika sy hanome hery antsika hazoto mivavaka lalandava.



 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0508