Alahady 07 Jiona 2015
Fankalazana ny Vatana Masin’i Kristy (Taona B)
« Raiso, fa Vatako ity... Ary nolazainy taminy hoe: Rako ity, dia ny Ran’ny fanekena vaovao izay alatsaka ho an’ny maro » (Mk. 14: 22, 24)
Tamin’ny fankalazana ny Alahadin’ny Sampakazo izay fotoana nidirantsika indrindra tamin’ny Herinandro Masina dia natao teto amin’ity fifampizarana ny Tenin’Andriamanitra ity ny fanentanana manokana antsika hazoto handray anjara tamin’ireo fombam-pivavahana samy hafa nankalazana ny Paka, indrindra nanomboka tamin’ny Alakamisy Masina izay fotoan-dehibe nandinihantsika tamin’ny fomba manokana ny Misterin’ny fijaliana sy ny fahafatesana ary ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty. Azo lazaina fa tamin’io Alakamisy Masina io izany no niatombohan’ny fankalazana ny Paka satria io no fotoan-dehibe nanoloran’i Jesoa ny tenany ho sorom-pamonjena ho antsika tamin’ny alalan’ny namoronany ny Eokaristia. Mazava tsara fa tena tafiditra tanteraka tao anatin’ny fankalazana ny Paka isika hatramin’ny Alakamisy Masina ary mamarana izany anio ny fankalazana amin’ny fomba manetriketrika ny Vatana Masin’i Kristy na Fetin’ny Sakramenta Masina araka ny mahazatra antsika.
Efa voalazantsika tamin’ny taona lasa ary hamafisina hatrany fa isan-taona dia manasa antsika ny Fiangonana hankalaza amin’ny fomba manetriketrika ny fetin’ny Sakramenta Masina. Raha ny tokony ho izy dia ny Alakamisy manaraka ny Trinite Masina no ankalazana ity fetin’ny Sakramenta Masina ity. Noho izany dia misy toerana maro, tahaka ny Roma no efa nahavita izany fankalazana izany tamin’ny Alakamisy lasa teo. Amin’ny toerana hafa kosa, tahaka ny eto Madagasikara, dia ny Alahady manaraka ny Trinite Masina no ankalazana ny fetin’ny Sakramenta Masina. Tsy misy isalasalana araka izany fa tena tsy afa-misaraka tokoa ny fankalazana ny Alakamisy Masina izay namoronan’i Jesoa ny Eokaristia sy ny Alakamisy na ny Alahady manaraka ny Trinite Masina izay ankalazana ny fetin’ny Sakramenta Masina. Azo lazaina fa fety iray ihany ireo ka izany no mahatonga antsika hilaza fa ny Alakamisy Masina no fotoan-dehibe anombohantsika ny fankalazana ny Paka ary ny fetin’ny Sakramenta Masina no amaranantsika izany amin’ny fomba manetriketrika. Porofon’izany dia hiverina tanteraka amin’ny fankalazana ny Alahady tsotra Mandavan-taona isika manomboka amin’ny herin’ny androany.
Vakiteny I : Eks. 24: 3 – 8
Tononkira : Sal. 116: 12ab – 13ab, 15ab – 16ab, 17ab – 18ab
Vakiteny II : Heb. 9: 11 – 15
Evanjely : Mk. 14: 12 - 16, 22 – 26
Mazava ho azy fa na misy aza ireo efa nahavita ny fankalazana ny fetin’ny Sakramenta Masina tamin’ny Alakamisy lasa teo dia ireo Tenin’Andriamanitra voatondro ho an’ny fankalazana io fety lehibe io no horaisintsika sy hifampizarana eto amin’ity Alahady anio ity. Tena fotoan-dehibe ho antsika tokoa ny fankalazana ny fetin’ny Sakramenta Masina satria i Kristy ilay mamelona antsika amin’ny Vatany sy ny Rany ao amin’ny Eokaristia no mampiombona antsika ary manasa antsika hiray aina aminy mba hahatonga antsika ho velona mandrakizay. Ireo Vakiteny aroson’ny Fiangonana ho antsika androany dia manambara mazava tsara ny maha zava-dehibe izao fankalazana manetriketrika ataontsika izao. Fiteny mahazatra moa ny hoe Sakramenta Masina fa ny tena ankalazaina androany dia ny Vatana sy ny Ra Masin’i Kristy izay natolony ho antsika ho sakafo mahavelona. Araka ny efa voalaza etsy ambony dia marina tokoa fa nankalaza manokana ny namoronan’i Jesoa ny Eokaristia isika tamin’ny Alakamisy Masina, saingy ity androany ity dia nentina hampahatsiarovana antsika fa iny Jesoa nanolotra ny tenany tamin’ny Alakamisy Masina iny no nanaiky nampijaliana sy novonoina ary nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo.
Voalazantsika teo ihany koa fa izao fetin’ny Sakramenta Masina ankalazaina androany izao no mamarana tanteraka ny fankalazana ny Paka satria i Jesoa nanolotra ny tenany ho sakafo mahavelona antsika no toy ny zanak’ondry atolotra atao sorona tahaka ny Paka fanaon’i Jody. Ny fankalazana manetriketrika anefa no mifarana araka ny fandaharan’ny Fiangonana azy fa ny tena marina, ny fankalazana ny Vatana sy ny Ra Masin’i Kristy dia fanohizana hatrany ny Paka satria isaky ny mankalaza ny Eokaristia isika dia mamerina ny nataon’i Jesoa tamin’ny Alakamisy Masina, izany no antony anomezan’ny Fiangonana antsika androany ny Evanjely izay miresaka indrindra ny namoronan’i Jesoa ny Eokaristia. Ambaran’ity Evanjely ity fa : « tamin’ny andro voalohan’ny Azima izay fanomanana ny Paka, dia nilaza tamin’i Jesoa ny mpianany nanao hoe : “Aiza no tianao halehanay hanamboaranay ny hihinananao ny Paka?” Dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Izy ka nilazany hoe : “Mankanesa any an-tanàna, ary hifanena amin’ny lehilahy iray mitondra siny feno rano ianareo, ka manaraha azy. Dia lazao amin’ny tompon’ny trano izay hidirany hoe : ‘Izao no asain’ny Mpampianatra lazaina aminao: Aiza ny efitrano hiarahako mihinana ny Paka amin’ny mpianatro?’Dia hotoroany efitrano malalaka voavoatra tsara ianareo, ka ao no anamboary ho antsika”. Dia nandeha ny mpianatra ka tonga tany an-tanàna, ary nahita araka izay nolazainy taminy sy nanamboatra ny Paka » (Mk. 14: 12 – 16).
Ambaran’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity fa tamin’io fotoana izay niarahan’i Jesoa nisakafo farany tamin’ny mpianatra io no namoronany ny Eokaristia ka mahatonga antsika hankalaza amin’ny fomba manokana anio ny fetin’ny Sakramenta Masina izay mampiseho indrindra fa ny fandraisantsika ny Vatana sy ny Ra Masin’i Kristy no manome aina vaovao ho antsika ka mahatonga antsika hahazo ny famonjena sy handova ny Fanjakan’Andriamanitra. Voalazan’ity Evanjely androny ity mazava tsara ny zava-niseho tamin’io Alakamisy Masina io satria « raha mbola nihinana Izy, dia nandray mofo i Jesoa, ka nony efa notsofiny rano sy novakiny dia nomeny azy ireo, sy nataony hoe : “Raiso, fa Vatako ity”. Raha efa izany dia nandray ny kalisy Izy, ka nony efa nisaotra, dia nomeny azy izany sy nisotroan’izy rehetra. Ary nolazainy taminy hoe : “Rako ity, dia ny Ran’ny fanekena vaovao izay alatsaka ho an’ny maro. Lazaiko marina aminareo fa tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-piavin’ny andro hisotroako izay vaovao any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra” » (Mk. 14: 22 – 26).
Izao fankalazana ny fetin’ny Sakramenta Masina izao no anamafisana indray ny fampianaram-pinoana omen’ny Fiangonana antsika mahakasika ny Misterin’ny Eokaristia. Maro ny fampianarana sy katesizy efa fantantsika mahakasika izany saingy azo lazaina fa mamintina ireny fampianarana rehetra ireny ny voalaza ao amin’ny antsa manokana izay azontsika atao tsara mialohan’ny Fihobiana ny Evanjely. Indro omentsika manontolo eto izany antsa izany mba hanampy antsika handinika mimisy kokoa ny halehiben’ny Misterin’ny Vatana sy Ra Masin’i Kristy izay tena sakafo manome aina vaovao ho antsika. Sady mivavaka ary isika no mandalina misimisy kokoa ny fampianaran’ny Fiangonana mahakasika ny Eokarisitia amin’ny alalan’ity antsa aroso antsika manaraka ity :
« Derao ny Mpamonjy, ry Siôna, Hobio sy antsao ny Kiadinao sy Mpifehy anao. Mikezaha araka izay tratry ny ainao, satria ambony noho ny dera rehetra Izy, ka tsy ampy hidera Azy ianao. Ny deraintsika anio indrindra dia ilay Mofo velona, ilay Mofo manome aina. Dia ilay Mofo nomena ny Apôstôly roa ambin’ny folo araka ny efa fantatsika, tamin’ilay Fanasana farany. Aoka ny fiderana ataontsika hanetriketrika ary aoka ny hirantsika hahate-hihaino, aoka ny hafaliantsika ho tsara. Satria ilay andro malaza namoronana io Fanasana masina io no deraintsika anio izao. Amin’izany fanasan’ny Mpanjaka vaovao izany dia ny Paka vaovaon’ny Lalàna vaovao no misolo ny Paka taloha.Ny fomba vaovao: mandimby ny fomba taloha; ny marina mampisava ny aloka, ary ny fahazavana mamono ny haizin’ny alina. Izay nataon’i Kristy tamin’ilay sakafo hariva dia nodidiany hatao ho fahatsiarovana Azy. Ny nataony no arahinay ka dia manamasina ny mofo sy ny divay hanjary ho sorom-pamonjena izahay. Teny finoana ho an’ny kristianina no ahatongavan’ny mofo ho Nofo, sy ny divay ho Ra. Izay tsy azonao, izay tsy hitan’ny masonao dia ampiaiken’ny finoana velona, na dia tsy araka ny fomban’ny zava-boaary aza. Ao anatin’ny endri-javatra samy hafa endrika fotsiny tsy misy ventiny intsony no iafenan’ny zava-tsoa faran’izay ambony. Ny Nofo dia hanina ary ny Ra dia fisotro, fa ny endrika roa dia samy misy ny Tenan’i Jesoa Kristy manontolo. Tsy tapaka izy, tsy mivaky, tsy saratsarahin’ny mpandray fa raisina manontolo. Na olona iray na olona arivo no mandray dia izay raisin’ny arivo no raisin’ny iray, mandray izy rehetra fa tsy mahalany Azy. Mandray ny tsara fanahy, mandray koa ny ratsy fanahy fa tsy mitovy izay anjarany : na ho fiainana izany na ho fahafatesana. Fahafatesana no azoa’ny ratsy fanahy, ary fiainana no hitan’ny tsara fanahy : endrey ity tsy fitoviam-bokatra nefa hanina iray ihany no hanina ! Ilay vakîna iny ny endrika dia aza misalasala ianao fa tsarovy fa na hôstia sombiny na manontolo tsy mivaky ; dia samy misy an’i Jesoa Kristy manontolo. Ny Tena izay takon’ny endrika dia tsy vaky akory ; ilay endrika hita maso ihany no motika fa Ilay ambarany dia tsy miova toetra. Indro Ilay Mofon’ny Anjely manjary vatsy ho an’ny olombelona mpivahiny : tena sakafon’ny zanaka tokoa ka tsy tokony hatsipy hohanin’ny amboa. Efa voatandindona fahiny izy, na tamin’i Isaaka natao sorona, na tamin’ny zanak’ondrin’ny Paka, na tamin’ny mana namelona ny razantsika tany an’efitra. Ry Jesoa Mpiandry ondry tsara, ry Mofo mahavelona, mamindrà fo aminay, aoka Ianao ho hanina hamelona sy hanohana anay, ary aoka Ianao hampahita anay ny soa any amin’ny tanin’ny Velona. Ianao no mahalala sy mahefa ny zavatra rehetra, ka mamahana anay eto an-tany ; koa eto izahay miara-misakafo aminao, ka dia tongavy ho mpiray lova, sy ho naman’ireo mponina masina any an-danitra. Amen ».
P. Louis Martin
Assomptionniste