Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy

Alahady 15 febroary 2015

Alahady Faha-6 tsotra Mandavantaona (Taona B)


 

 


 

« Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy » (Mk. 1: 40)

Mitohy hatrany ny asa fanasitranana ataon’i Jesoa, raha tsaroantsika tsara dia ny fanasitranana ny rafozambavin’i Simôna sy ireo marary rehetra ary ny azon’ny demony no nambaran’ny Evanjely tamin’ny Alahady heriny. Amin’izao Alahady Faha-6 tsotra Mandavantaona izao kosa dia ny fanasitranana ilay boka anankiray nanatona an’i Jesoa no ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana hodinihitsika lalin-dalina kokoa. Ambaran’ity Evanjely ity ary fa : « Tamin’izany andro izany, nisy boka anankiray nanatona an’i Jesoa, nandohalika teo anatrehany ka nitaraina taminy nanao hoe : “Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy”. Nangoraka azy i Jesoa ka naninjitra ny tanany dia nanendry azy sy nanao taminy hoe : “Mety Aho, madiova ianao”. Vantany vao niteny Izy, dia niala tamin-dralehilahy ny habokany ka nadio izy » (Mk. 1: 40 – 41). Teo amin’ny fiaraha-monina Jody dia anisan’ny aretina ratsy indrindra ny habokana ary izay voany dia tsy mahazo mifandray amin’ny olona fa tsy maintsy apetraka mitokana mba tsy hamindra amin’ny hafa.

Noheverina aza fa sazy avy amin’Andriamanitra noho ny fahaotana natao izy io ka napetraka ho isan’ny olona maloto izay voany. Izany no nahatonga ity olona anankiray ity hiteny tamin’i Jesoa hoe : « Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy » fa tsy hoe : « Raha mety Ianao dia mahay manasitrana ahy ». Ny aretina hafa rehetra dia fanasitranana no nangatahina tamin’i Jesoa fa ny habokana kosa dia fanadiovana noho ny fiheverena io aretina io ho maloto satria vokatry ny fahotana fa tsy hoe aretina tahaka ny aretina rehetra ihany. Manaporofo izany ny voalazan’ny Boky Levitika, izay Vakiteny Voalohany aroson’ny Fiangonana ho antsika androany manao hoe : « Tamin’izany andro izany, ny Tompo niteny tamin’i Môizy nanao hoe: Raha mamontsina ny hoditry ny olona anankiray na misy anakandro na miseho hodi-potsy, ka tonga misy fery toy ny habokàna amin’ny hoditry ny nofony dia hoentina mankeo amin’i Aarôna mpisorona izy, na eo amin’ny iray amin’ireo zanany mpisorona. Izay boka ferena dia hanao fitafiana norovitina, ny volony harakaràkany, ny volombavany hosaronany, ary izy hiantsoantso hoe: “Maloto e! maloto e!” Ho maloto izy mandritra ny andro rehetra haharetan’ny feriny. Maloto izy, ka hitokana irery, any ivelan’ny toby » (Lev. 13, 1-2. 45-46).

Tamin’ny andro taloha dia tsy mbola nisy ny fitsaboana io aretina io, tsy tahaka ny fahita amin’izao andro iainantsika izao. Izany no antony nahatonga izay voan’ny habokana hitokana irery, any ivelan’ny tanana. Mazava ho azy fa noho ny tsy mbola nisian’ny fitsaboana dia tamin’ny alalan’ny fahagagana mandrakariva no nahazoan’ny olona tratrin’ny habokana fanasitranana fa tsy hoe noho ny famonjena dokotera. Maro ireo olona voan’ny habokana ambaran’ny Tenin’Andriamanitra, eny fa na ny Testamenta Taloha aza dia ahitana izany, ary saika fahagagana daholo no nahasitrana azy ireny. Araka ny ambaran’ity Evanjely androany ity dia tsy nisalasala ilay boka fa nanatona an’i Jesoa sy nandohalika teo anatrehany. Araka ny voalazantsika etsy ambony dia tsy azo atao izany satria ny tsy maintsy ataon’ny olona boka dia ny mandeha mitokana irery ary miantsoantso hoe : « Maloto e! maloto e! ». Ny an’ity anankiray ity anefa dia tamim-pinoana no nanatonany an’i Jesoa ary nitarainany taminy nanao hoe : « Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy ». Voalazan’ny Evanjely fa nangoraka azy i Jesoa ka naninjitra ny tanany dia nanendry azy sy nanao taminy hoe : « Mety Aho, madiova ianao ». Eto dia mbola zava-baovao ihany koa no nataon’i Jesoa satria tena tsy azo natao mihintsy ny mifampikasokasoka amin’ny olona boka. Ny an’i Jesoa anefa tsy vitan’ny hoe nifampikasokasoka fotsiny fa tena naninjitra ny taniny izy ary nanendry azy, izany hoe tena tsy nisalasala izy nikasika ilay marary.

Mazava ny voalazan’ny Boky Levitika fa raha misy olona tatry ny habokàna dia hoentina mankeo amin’i Aarôna mpisorona izy, na eo amin’ny iray amin’ireo zanany mpisorona. Raha sendra misy ny fahasitranana dia tsy maintsy miverina any amin’ny mpisorona izany olona izany mba ho vavolombelona amin’ny vahoaka fa tena sitrana tokoa. Fantatr’i Jesoa tsara io fombafomba io ka izany no antony nilazany tamin’ity olona anankiray boka nodiovy ity mba hanao izany. « Vantany vao niteny Izy, dia niala tamin-dralehilahy ny habokany ka nadio izy. Dia nampandeha azy niaraka tamin’izay i Jesoa, sady namepetra azy mafy nanao hoe: “Tandremo, aza milaza izany na amin’iza na amin’iza ianao, fa mandehana misehoa amin’ny mpisorona, ary noho ny nanadiovana anao dia manatera ny fanatitra nodidian’i Môizy, mba ho vavolombelona amin’ny vahoaka”. Kanjo nony lasa ralehilahy dia nilazalaza izany sy nampiely izany hatraiza hatraiza, hany ka tsy afa-niditra niharihary tao an-tanàna intsony i Jesoa, fa nitoetra teny ivelany tamin’ny tany mangingina Izy, ary nohatonin’ny olona avy eny tontolo eny » (Mk. 1: 42 – 45).

Ambaran’ny Evanjely eto moa fa namepetra azy mafy i Jesoa nanao hoe: « Tandremo, aza milaza izany na amin’iza na amin’iza ianao ». Kanjo nony lasa ralehilahy dia nilazalaza izany sy nampiely izany hatraiza hatraiza, hany ka tsy afa-niditra niharihary tao an-tanàna intsony i Jesoa, fa nitoetra teny ivelany tamin’ny tany mangingina Izy. Hita miharihary eto fa raha ilay boka no tonkony hitokana irery, any ivelan’ny toby araka ny voalazan’ny Boky Levitika noho ny habokana dia i Jesoa no lasa nisolo ny toerany ka tsy afa-niditra niharihary tao an-tanàna, fa voatery nitoetra teny ivelany tamin’ny tany mangingina. Manaporofo izany fa lasa i Jesoa no nitondra ny fahoriana izay tonkony netin’ilay boka. Tahaka izany indrindra no ataon’i Jesoa amintsika olombelona mpanota. Raha ny tonkony ho izy dia isika no mendrika hovonoina sy hampijaliana noho ny fahotana vitantsika saingy voavonjy isika fa i Jesoa no nisolo heloka antsika teo ambony Hazofijaliana ary nanaiky ho faty mba hofanavatona antsika sy hahazoantsika ny hasambarana mandrakizay. Ireny fahotana vitantsika ireny no toy ny habokana mahazo antsika ka isaky ny manatona an’i Jesoa isika sy mitalaho aminy manao hoe : « Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy », dia tsy misalasala izy miteny amintsika manao hoe : « Mety Aho, madiova ianao ».

Miara-misaotra an’Andriamanitra ary isika amin’izao Alahady Faha-6 tsotra Mandavantaona izao tamin’ny nandefasany an’i Jesoa Zananany mba hanadio antsika ho afaka amin’ny fahotana izay mitarika antsika any amin’ny fahaverezana. Efa nambarantsika teto tamin’ny Alahady heriny, ary hamafisina hatrany, fa raha tiantsika ny ho afaka amin’ny fahotana sy ny fanahy maloto rehetra dia tsy maintsy mandray ny Sakramentan’ny Fampihavanana isika satria tena mamela ny fahotantsika tokoa i Jesoa, manadio antsika tanteraka izy amin’ny alalan’ny vavaka famelan-keloka ataon’ny Eveka sy ny Pretra rehefa mandray izany Sakramenta izany isika. Amporisihina mandrakariva ary isika hazoto handray ny Sakramentan’ny Fampihavanana satria io no Sakramenta mandio ny fontsika ka hahatonga antsika tokoa hoafaka amin’ny ota ary handova ny hasambarana mandrakizay araka ny ambaran’ny Salamo izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany manao hoe : « Sambatra izay voavela heloka ; eny, sambatra ny olona afaka ota, tsy itanan’ny Tompo hadisoana, fa nitsotra tamin’ny fo manontolo » (Sal. 32: 1 – 2).

 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0709