Ny Mofo izay homeko dia ny Nofoko

Alahady 09 Aogositra 2015

Alahady Faha – 19 tsotra Mandavan-taona (Taona B)


« Ny Mofo izay homeko dia ny Nofoko ho fiainan’izao tontolo izao » (Jo. 6, 51)

Araka ny nambaran’ny Evanjely izay naroson’ny Fiangonana ho antsika tamin’ny Alahady heriny dia niteny mazava tsara tamin’ny vahoaka nihaino azy i Jesoa nanao hoe : « Izaho no Mofon’aina ; izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay ». (Jo. 6, 35). Araka ny efa nifampizarantsika teto dia io Mofon’aina io no raisintsika amin’ny Eokaristia izay ihinanantsika ny Vatan’i Kristy sy isotroantsika ny Rany araka ny voalazany ao amin’ny Evanjely androany manao hoe : « ny Mofo izay homeko dia ny Nofoko ho fiainan’izao tontolo izao » (Jo. 6, 51). Mazava ho azy fa mbola mitohy amin’ity Alahady Faha – 19 tsotra Mandavan-taona ity ny fanomezan’ny Fiangonana antsika ny Evanjely izay ampianaran’i Jesoa fa Izy no Mofon’aina, Izy no Mofo nidina avy any an-danitra izay raisintsika amin’ny alalan’ny Eokaristia, sakafo mahavelona, mitondra aina vaovao sy maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay ka mahatonga antsika hahazo ny famonjena izay efa omaniny ho antsika.

Voalazan’ity Evanjely aroso antsika androany ity mazava tsara fa « tamin’izany andro izany, nimonomonona tamin’i Jesoa ny Jody satria Izy nanao hoe : “Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra”. Hoy izy ireo : “Moa tsy i Jesoa zanak’i Jôsefa va ity, izay fantatsika ny rainy aman-dreniny? Ka ahoana àry no anaovany hoe : “Nidina avy any an-danitra Aho?” » (Jo. 6, 41 – 42). Raha dinihina amin’ny maha olombelona dia azo lazaina fa sarotra tokoa ny hanaiky fa i Jesoa olombelona tena olombelona no hilaza fa mofo nidina avy any an-danitra. Ireo izay niara-nonina taminy sy nihaino ny fampianarany dia samy nimonomonona taminy daholo satria fantatr’izy ireo tsara ny mahakasika an’i Jesoa ka nahatonga azy ireo hifampilaza manao hoe : « Moa tsy i Jesoa zanak’i Jôsefa va ity, izay fantatsika ny rainy aman-dreniny? »

Vakiteny I : 1 Mpan. 19: 4 – 8

Tononkira : Sal. 34: 2 – 3, 4 – 5, 6 – 7, 8 – 9

Vakiteny II : Ef. 4: 30 – 32, 5: 1 – 2

Evanjely : Jo. 6: 41 – 51

Io fihetsika nataon’ireo izay nihaino an’i Jesoa io dia fihetsika mety miseho ihany koa amin’ny andavan’androm-piainantsika. Matetika rehefa misy olona iray manao zavatra tsara na manao zavatra hafa kokoa noho ny mahazatra antsika, dia tonga avy hatrany ny fitsarana na fitsikerana azy. Tsy izay zava-bitany sy ny fahasoavana entiny manasoa ny mpiara-belona no jerena fa ny fari-piainany sy ny fari-pahaizany. Misy aza moa dia mijery hatramin’ny firazanany ka mahatonga fanilikilihana avy hatrany. Ireo rehetra ireo no niainan’i Jesoa ary mety iainantsika ihany koa amin’ny maha Kristianina antsika. Noho izany dia mampianatra antsika ity Evanjely aroson’ny Fiangonana androany ity mba hahay hankasitraka ny zavatra tsara ataon’ny hafa. Raha nimonomonona tamin’i Jesoa daholo ireo nahalala azy sy niara-nonina taminy dia tsy maintsy faly sy mankasitraka kosa isika raha mahita ireo mpiara-monina amintsika manao asa soa sy manao zava-baovao mitondra fivoarana ho an’ny olona rehetra.

Amin’ny maha Kristianina dia izay fahaizana mankasitraka izay no ampianarin’i Jesoa antsika fa tsy fifanilikilihana sy fifanavakavahana. Araka ny voalaza amin’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity dia « namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe : “Aza mimonomonona ianareo. Tsy misy olona mahay manatona Ahy akory raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka Ahy, ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro. Voasoratra ao amin’ny Mpaminany hoe : ‘Hampianarin’Andriamanitra izy rehetra’. Koa izay rehetra nahare tamin’ny Ray ka nianatra taminy no manatona Ahy. Tsy dia hoe nisy nahita ny Ray akory: fa Ilay avy amin’Andriamanitra no hany nahita ny Ray. Lazaiko marina dia marina aminareo : Izay mino Ahy no manana ny fiainana mandrakizay » (Jo. 6, 43 – 47). Hitantsika amin’ity tenin’i Jesoa ity fa tsy namaly akory ny fimonomononan’ny olona izay tsy nahalala azy akory izy fa nanazava tamin’izy ireo fa tsy misy olona mahay manatona Azy akory raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka Azy, ary Izy hanangana azy amin’ny farandro. Voalazan’i Jesoa mazava tsara eto fa izay rehetra manatona azy dia hantsangany amin’ny farandro satria izay mino azy no manana ny fiainana mandrakizay araka ny ambarany.

Teny fankaherezana lehibe ho antsika ity nomen’i Jesoa ity satria efa nadray ny finoana tamin’ny Batemy isika ka mahasahy manatona azy amin’ny alalan’ny fandraisana ny Eokaristia. Tena azo antoka fa hahanana ny fiainana mandrakizay tokoa isika raha mino sy mandray azy. Izany no nilazany hoe : « Izaho no Mofon’aina. Ny razanareo nihinana ny mana tany an’efitra, nefa maty ihany ; tsy toy izany ny Mofo nidina avy any an-danitra, fa tsy ho faty izay mihinana azy. Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra : raha misy mihinana ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay izy, ary ny Mofo izay homeko dia ny Nofoko ho fiainan’izao tontolo izao” » (Jo. 6, 48 – 51). Mbola hamafisin’ity teny nataon’i Jesoa ity ny maha zava-dehibe ny fandraisana ny Vatany sy ny Rany Masina ao amin’ny Eokaristia izay Sakramenta ambony indrindra ary ivon’ny Sakramenta rehetra araka ny fampianaran’ny Fiangonana henontsika ombieny ombieny.

Mamporisika antsika ary ny Fiangonana amin’izao Alahady Faha – 19 tsotra Mandavan-taona izao mba hazoto mivavaka, indrindra rehefa misy Sorona Masina satria io no fotoana tokana ahitantsika mivantana an’i Jesoa velona ao amin’ny Eokaristia. Tsy hoe mahita maso azy fotsiny isika fa mandray azy ihany koa ary miara-belona aminy satria isaky ny mandray Kômonio isika dia mandray an’i Jesoa velona ka tsy isika intsony no velona fa i Kristy no velona ao amintsika. Midika izany fa tena iray aina amin’i Jesoa tokoa isika rehefa mandray ny Eokarisitia ka izay rehetra mandray azy dia miombona tanteraka amin’izay aina iray ao amin’i Jesoa izay.

Ny Kôminio raisintsika araka izany, dia tsy maintsy mitarika antsika hahay hiombona amin’ny mpiara-belona amintsika satria ny aina iray iombonantsika amin’i Jesoa no mitarika antsika ho tia ny namana ihany koa. Mitaky ezaka avy amintsika tsirairay avy izany, koa raha tiantsika ny hanana ny fiainana mandrakizay miaraka amin’i Kristy dia tsy maintsy mandeha amin’ny fitiavana tahaka azy koa isika araka ny anasan’i Md Paoly antsika ao amin’ny Vakiteny Faharoa aroson’ny Fiangonana androany manao hoe : « Ry kristianina havana, aza mampalahelo ny Fanahy Masin’Andriamanitra Izay nanasiana tombo-kase anareo, ho amin’ny andro fanavotana. Esory aminareo rehefa mety ho lolom-po, fahatezerana, fahavinirana, fitabatabana, fitenenan-dratsy, ary hasomparana. Fa aoka ianareo samy halemy fanahy amin’ny namany avy, ka hifampiantra sy hifamela heloka, toraka ny namelan’Andriamanitra anareo ao amin’i Kristy. Koa aoka àry hanahaka an’Andriamanitra, toy ny zanaka malala ianareo. Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy, Izay nanolo-Tena tamin’Andriamanitra noho ny fitiavany antsika, mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika » (Efez. 4, 30—5, 2).


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101