Alahady 14 Jiona 2015
Alahady Faha – 11 tsotra Mandavan-taona (Taona B)
« Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray mamafy voa amin’ny tany » (Mk. 4: 26)
Taorian’ireo fankalazana samy hafa nanomboka tamin’ny Karemy ka nifarana tamin’ny fetin’ny Sakramenta Masina dia miverina indray amin’ny fankalazana ny Alahady tsotra Mandavan-taona isika. Azo lazaina fa tena fotoan-dehibe ho antsika tokoa ireo fankalazana ireo satria nanampy antsika handinika bebe kokoa sy tamin’ny fomba manokana ny Misterin’ny fijaliana sy ny fahafatesana ary ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty. Aoka anefa hazava amintsika fa ny fiverenana amin’ny fankalazana ny Alahady tsotra Mandavan-taona dia tsy midika velively fa tapitra hatreo ny fandinihana sy ny fiainana io Mistery lehibe nanavotan’i Jesoa antsika io. Tokony hotsaroantsika mandrakariva fa isaky ny mankalaza ny Eokaristia isika dia mahatsiaro hatrany ny fijaliana sy ny fahafatesana ary ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty. Izany indrindra no mahatonga ny Fiangonana hanasa antsika hatrany hazoto mivavaka, indrindra ny fankalazana ny Eokaristia satria io no fomba tokana ahafahan’i Jesoa manome antsika ny Vatany sy ny Rany izay mahatonga antsika hiray aina tanteraka aminy ka tsy isika intsony no velona fa izy no velona ao amintsika.
Izao fiverenantsika mankalaza ny Alahady tsotra Mandavan-taona izao ary dia mampahatsiaro antsika fa tsy manam-pahataperana ny fitiavan’i Jesoa satria sady manolotra ny tenany ho antsika izy tamin’ny fijaliany sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany ho velona no mitarika antsika ihany koa ho voavonjy ka mampianatra antsika mahakasika ny Fanjakan’ny lanitra. Io fampianarana io no ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’ity Alahady Faha – 11 tsotra Mandavan-taona ity ka ilazan’i Jesoa indrindra fa : « ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray mamafy voa amin’ny tany, ka izy matory sy mahatsiaro isan’alina sy isan’andro, ary ny voa mitsimoka sy mitombo, nefa tsy fantany izay faniriny ; fa mahavokatra ho azy ny tany, ka tahony no voalohany, dia salohiny no manarakaraka, vao ventim-bary amin’ny salohiny no farany. Ary rehefa vokatra dia jinjaina miaraka amin’izay, satria tonga ny taom-pijinjana » (Mk. 4: 26 – 29).
Vakiteny I : Ez. 17: 22 – 24
Tononkira : Sal. 92: 2 – 3, 13 – 14, 15 – 16
Vakiteny II : 2 Kor. 5: 6 – 10
Evanjely : Mk. 4: 26 – 34
Ity fanoharana ity dia ampianaran’i Jesoa mazava tsara fa tia antsika maimaim-poana Andriamanitra ary miahy antsika tahaka ny voa afafy amin’ny tany izy. Tsy misy amintsika olombelona afaka mampitsiry na mampitombo izay voa afafintsika amin’ny tany fa Andriamanitra irery ihany no manome izany maimaim-poana noho ny fitiavany. Tahaka izany ny aina izay ao amintsika tsirairay avy. Tena azo lazaina fa mistery tokoa raha ny fiainantsika olombelona satria tsy isika no nifidy izay fotoana tiantsika hahatongavana eto an-tany sy hialantsika eto fa Andriamanitra irery ihany no mandamina izany tahanka ny andaminany ny zava-boahary rehetra. Avy amin’ny fahasoavany ihany koa no andaharany ny fivoarana eo amin’ny maha olona antsika fa tsy hoe vao teraka isika dia lasa olon-dehibe avy hatrany fa mandalo amin’ny fahazazana aloha dia lasa tanora ary tonga olon-dehibe sy tompon’andraikitra ary farany dia tsy maintsy hantsoiny hiverina any aminy isika, handova ny fanjakana izay efa nomaniny araka ny voalazan’ity fanoharana nomen’i Jesoa amin’ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity.
Anamafisan’i Jesoa izay voalazany dia nanao fanoharana hafa ihany koa izy. Izany no nataony dia mba hanampy antsika hahazo tsara ny haleben’ny Fanjakan’Andriamanitra. Noho izany dia ambaran’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity fa : « hoy indray Izy: “Amin’inona no hampitahantsika ny Fanjakan’Andriamanitra, ary fanoharana inona no hanehoantsika azy? Tahaka ny voantsinapy izy, izay kely indrindra amin’ny voa rehetra ambonin’ny tany raha vao afafy, fa tonga lehibe indrindra amin’ny anana rehetra kosa rehefa voafafy sy mitombo, ary mandrantsana vaventy ka azon’ny voro-manidina ialofana ny alokalony”. Dia fanoharana maro toy izany no nitoriany teny taminy, araka izay takatry ny sain’izy ireo. Ary tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy, fa nony mangingina vao nanambara tamin’ny mpianany ny hevitr’ireo rehetra ireo » (Mk. 4: 30 – 34).
Na ny voa nafafy voalazan’ny fanoharana voalohany, na ny voantsinapy ambaran’ity fanoharana faharoa ity dia samy mampiseho amintsika ny tsy maintsy anaovantsika ezaka amin’ny fivelomana marina ny finoana ao amintsika tsirairay avy mba hahafahantsika mandova ny Fanjakan’Andriamanitra. Voalazan’ity Evanjely ity mazava tsara fa fanoharana maro toy izany no nitorian’i Jesoa teny tamin’ny olona rehetra, araka izay takatry ny sain’izy ireo. Ary tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy, fa nony mangingina vao nanambara tamin’ny mpianany ny hevitr’ireo rehetra ireo. Tsy ho an’ireo izay nihaino azy tamin’izany fotoana izany ihany no nanaovany ity fanoharana ity fa ho antsika izay mandalina ny Evanjely ankehitriny ihany koa. Fanoharana no itenenany amintsika hanambarany amintsika fa tsy maintsy miezaka mba hitombo finoana mandrankariva isika raha tiantsika ny hahazo ny famonjena. Tahaka ny mpamboly mikolokolo ny voa nafafy no tsy maintsy ikolokoloantsika ihany koa ny finoana izy nafafy ao am-pontsika tamin’ny alalan’ny fandraisana ny Sakramentan’ny Batemy ary nohamafisin’ireo Sakramenta hafa noraisintsika ihany koa.
Maro ny fanazavana azo omena mahakasika ny hevitr’ity fanoharana nataon’i Jesoa ity. Mety samy manana ny fahazoana izany ihany koa ny tsirairay saingy ny hevi-dehibe mampiombona antsika ka tsy maintsy tsaroantsika mandrakariva dia ny filazan’i Jesoa fa tena misy tokoa ny Fanjakan’Andriamanitra satria ny zavatra misy no azo anaovana fanoharana fa tsy zavatra foronina akory. Noho izany raha tiantsika ny handova izay Fanjakan’Andrimanitra izay dia tsy maintsy miezaka isika hampitombo ny finoana ananantsika. Marina fa miahy antsika Andriamanitra tahaka ny ataony amin’ny voa nafafy sy voantsinapy saingy mitaky ezaka avy amintsika ihany koa ny hampamokatra na hahafaty ny finoana ao amintsika. Ny voa afafy mantsy dia tsy afaka ny hitombo sy hamokatra betsaka raha tsy misy ny fikarakarana ataon’ny mpamboly. Tahaka izany ny finoana, Andriamanitra dia manome antsika maimaim-poana ny fahasoavany saingy raha tsy misy ezaka avy amintsika izany dia tsy hamokatra fa zary very maina. Amin’izao fankalazana ny Alahady Faha – 11 tsotra Mandavan-taona izao ary dia miara-mivavaka isika mba tena hitombo sy hihamafy hatrany ny finoana noraisintsika tamin’ny Batemy ka hahatonga antsika hatanjaka sy ho mafy orina tahaka ny voantsinapy izay kely indrindra amin’ny voa rehetra ambonin’ny tany raha vao afafy, fa tonga lehibe indrindra amin’ny anana rehetra kosa rehefa voafafy sy mitombo.
P. Louis Martin
Assomptionniste