Alahady 21 Jiona 2015
Alahady Faha – 12 tsotra Mandavan-taona (Taona B)
« Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana ihany va ianareo? » (Mk. 4: 40)
Voalazan’ny Evanjely naroson’ny Fiangonana ho antsika tamin’ny Alahady heriny fa tamin’ny alalan’ny fanoharana maro no nitorian’i Jesoa teny tamin’ny vahoaka, araka izay takatry ny sain’izy ireo. Ary tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy, fa nony mangingina vao nanambara tamin’ny mpianany ny hevitr’ireo fanoharana rehetra nambarany ireo. Izany moa dia mbola hamafisin’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’ity Alahady Faha – 12 tsotra Mandavan-taona ity ka ilazana amintsika fa : « tamin’izany andro izany, dia fanoharana maro no nitorian’i Jesoa teny tamin’ny vahoaka » (Mk. 4: 35). Mifono fampianarana maro ireny fanoharana nataon’i Jesoa ireny ary izany dia nitarika ny olona hanantona sy hino azy satria ny tena tanjon’ny fampianarany dia ny fitarihana ny olona hino fa tena Zanan’Andriamanitra tokoa izy ary tonga teto ambonin’ny tany mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny fahotana sy hitarika antsika ho any amin’ny Fanjakan’Andrimanitra izay nampahafantariny antsika tamin’ny alalan’ny fanoharana.
Mazava ho azy fa ireo rehetra nihaino ny fanoharana nambaran’i Jesoa dia voatarika hino ary manana adidy lehibe hitana sy hanam-paharetana amin’izany finoana izany na dia maro aza ny tafio-drivotra mahery mety hanozongozona. Io fiatrehana tafio-drivotra mahery io indrindra no ambaran’ny Evanjely androany satria « nony hariva ny andro, dia hoy Izy tamin’ny mpianany: “Andeha isika hita ho eny an-dafin-drano”. Dia nilaozan’izy ireo teo ny olona ka nentiny tamin’izao an-tsambo kely i Jesoa, ary nisy sambo kely maromaro koa niaraka taminy. Ary nisy tafio-drivotra mahery nampisavoana ny onjan-drano hatrany anaty sambo kely, ka efa nihafeno rano izy. Fa i Jesoa kosa natory teo am-body sambo kely tambonin’ny ondana, ka nofohazin’izy ireo Izy nilazany hoe: “Ry Mpampianatra ô! tsy mampaninona Anao va raha maty izahay?” Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra, ary nilaza tamin’ny ranomasina hoe: “Mangina, mitonia”. Dia nitsahatra ny rivotra, ary nitony dia nitony ny andro. Ary hoy Izy tamin’izy ireo : “Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana ihany va ianareo?” Ary natahotra dia natahotra izy ireo ka nifampilaza hoe: Iza moa io, fa ny rivotra sy ny ranomasina avy no manaiky Azy? » (Mk. 4: 35 – 41).
Maro ny fampianarana azontsika raisina amin’ity Evanjely ity. Voalohany indrindra amin’izany dia ny fanasan’i Jesoa ny mpianany hiampita eny an-dafin-drano fa tsy nijanona teo amin’ny vahoaka izay mbola variana nandinika ny fanoharana nataon’i Jesoa. Midika izany fa tena manana adidy lehibe ny mpianatra amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ka tsy tokony ho variana amin’ny toerana iray fa tsy maintsy mandeha amin’ny toerana rehetra satria ny hamonjy ny olona rehetra tsy misy avakavaka no nahatongavan’i Jesoa ka hatramin’ny voalahany nanombohany nanatanteraka ny asa nanirahan’Andriamanitra Ray azy dia efa nampahafantariny ny mpianatra mazava tsara ny adidy minandry azy ireo dia ny fampianarana ny firenena rehetra. Nohamafisiny izany mialohan’ny niakarany any an-danitra ka nilazany mazava tsara nanao hoe : « efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany ; koa mandehana hianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova batemy azy amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina » (Mt 28: 18 – 19).
Vakiteny I : Jb. 38, 1. 8 – 11
Tononkira : Sal. 107, 23 – 24. 25 – 26. 28 – 29. 30 – 31
Vakiteny II : 2 Kor. 5, 14 – 17
Evanjely : Mk. 4, 35 – 41
Hitantsika miharihary amin’io hafatr’i Jesoa io fa hatramin’ny voalohany mihitsy izy no efa nampahafantatra ny mpianany fa tsy maintsy mandeha amin’ny toerana rehetra izy ireo fa tsy tokony hijanona amin’ny toerana iray, izany no nanasany azy ireo hita ho eny an-dafin-drano araka ny ambaran’ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany. Mitaky fahavononana lalandava izay fandehanana amin’ny toerana rehetra izay satria misy mandrakariva ny zava-manahirana sy ny zavatra sarotra tsy maintsy atrehina. Endrik’ireny zava-manahirana ireny no asehon’ny tafio-drivotra mahery nampisavoana ny onjan-drano hatrany anaty sambo kely izay nisy an’i Jesoa sy ny mpianatra. Natahotra dia natahotra ny mpianatra araka ny ambaran’ity Evanjely ity. Jesoa kosa tsy taitra fa natory teo am-body sambo kely tambonin’ny ondana. Eto no ahitana taratra fa na niaraka tamin’i Jesoa aza ireto mpianatra ireto dia mbola natahotra satria tsy nanam-pinoana. Izany indrindra no nilazan’i Jesoa tamin’izy ireo hoe : « nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana ihany va ianareo? » (Mk. 4: 40).
Isika vita Batemy rehetra no tahaka ny mpianatra miara-dalana amin’i Jesoa. Araka izany dia manasa antsika mandrakariva izy mba hampianatra ny firenena rehetra amin’ny alalan’ny oha-piainana asehontsika amin’ny fiainana andavan’andro. Efa nandray ny finoana ihany koa isika ka tsy maintsy vonona hatrany hanatanteraka ny iraka maha Kristianina antsika. Tokony hotsaroantsika lalandava anefa fa tsy mora ny miara-dalana amin’i Jesoa. Misy mandrakariva ny tafio-drivotra mahery izay mahatonga antsika hatahotra sy tsy hatoky fa tena miaraka amintsika tokoa i Jesoa. Maro ny fomba isehoan’ireny tafio-drivotra mahery ireny. Eo ohatra ny hakamoana mivavaka Alahady, ny fiavonavonana, ny fialonana sy fifankahalana misy eo amin’ny mpiara-monina. Eo ihany koa ny tsy fifankatiavana sy tsy fahaizana mandefitra rehefa misy ny zavatra tsy ifanarahana eo anivaon’ny fiarahamonina. Anisan’ny tafio-drivotra mahery atrehintsika amin’izao fotoana izao ihany koa ny rendrarendra isankarazany izay lazaina fa vokatry ny fandrosoana sy ny fanatontoloana ka tena ihazakazahana tokoa. Mila mitandrina isika manoloana ireny rehetra ireny satria izy ireny matetika no misakana ny masontsika tsy hahita an’i Jesoa ka mahatonga antsika ho tahaka ny mpianatra izay natahotra ka nilaza hoe : « Ry Mpampianatra ô! tsy mampaninona Anao va raha maty izahay? » (Mk. 4: 38).
Tahaka ny efa nambarany tamin’ny mpianatra dia miteny amintsika ihany koa i Jesoa manao hoe : « nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana ihany va ianareo? ». Tena manam-pinoana tokoa isika ary isan’Alahady sy andro Fety dia manambara izany finoana izany amin’ny alalan’ny fanaovana ny vavaka Fiekem-pinoana. Noho izany dia miara-mangataka ny fahasoavan’Andriamanitra isika amin’izao Alahady Faha – 12 tsotra Mandavan-taona izao mba hihamafy hatrany izay finoana ananantsika izay. Indraindray dia lasa marefo na very mihitsy io finoana io, indrindra rehefa tojo tafio-drivotra mahery izay mety miseho amin’ny fiainana maha Kristianina isika. Amin’ireny fotoana ireny indrindra anefa no tsy maintsy ahatsapantsika fa miara-dalana amintsika mandrakariva i Jesoa, eo anilantsika izy ary mahalala ny manahirana antsika fa tsy matory tsy akory, koa hahafahantsika mandresy ny zava-tsarotra rehetra miseho amin’ny fiainantsika andavan’andro dia manasa antsika i Jesoa tsy hatahotra fa hanamafy hatrany ny finoantsika satria rehefa miaraka aminy isika dia mahazo toky fa handresy tahaka ny nataony tamin’ny tafio-drivotra mahery nampisavoana ny onjan-drano ka nahatonga ny mpianatra nifampilaza hoe : « Iza moa io, fa ny rivotra sy ny ranomasina avy no manaiky Azy? » (Mk. 4: 41).
P. Louis Martin
Assomptionniste