Mitoera amin’izay trano hidiranareo ambara-pialanareo

Alahady 12 Jolay 2015

Alahady Faha – 15 tsotra Mandavan-taona (Taona B)

Vakiteny I : Am. 7: 12 – 15

Tononkira : Sal. 85: 9ab – 10ab, 11ab – 12ab, 13ab – 14ab

Vakiteny II : Ef. 1: 3 – 14

Evanjely : Mk. 6: 7 – 13


 

« Na aiza na aiza alehanareo, dia mitoera amin’izay trano hidiranareo ambara-pialanareo » (Mk. 6: 10)

Mitohy hatrany ny fanomezan’ny Fiangonana antsika ny Evanjely izay mitantara ny asam-pamonjena nataon’i Jesoa. Mahazatra antsika ny mihaino ny Evanjely izay manambara ireo fampianarana sy fahagagana maro nataony. Amin’izao Alahady Faha – 15 tsotra Mandavan-taona izao kosa dia ny Evanjely mitantara ny nanirahan’i Jesoa ny mpianany tsiroaroa no aroson’ny Fiangonana hodinihintsika. Ambaran’ity Evanjely androany ity fa : « tamin’izany andro izany, niantso ny roa ambin’ny folo lahy hankeo aminy i Jesoa, ka naniraka azy tsiroaroa, sy nanome fahefana azy handroaka ny fanahy maloto » (Mk. 6: 7). Azo ambara fa hatramin’ny voalohany mihitsy no nanomezan’i Jesoa fahefana ny mpianatra handroaka fanahy maloto satria ity fanirahany ny mpianatra handeha tsiroaroa ity dia nataony indrindra taorian’ny niverenany tany Nazareta, tanana nahabe Azy, araka ny efa nifampizarantsika teto tamin’ny Alahady heriny. Araka ny voalazan’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity dia : « nandeha izy ireo ka nitory tamin’ny olona fa tsy maintsy mibebaka izy, sy nandroaka demony maro ary nanosotra diloilo ny marary betsaka sy nanasitrana azy » (Mk. 6: 12 – 13).

Hita miharihary fa ireo asa fanaon’i Jesoa ihany no nasainy nataon’ny mpianatra. Mazava ho azy fa tena ny fahefana avy amin’Andriamanitra izay naniraka azy hamonjy antsika olombelona ihany no nomeny ny mpianatra ka nahafahan’izy ireo nitory ny fibebahana tamin’ny olona. Tahaka ny nataon’i Jesoa dia nandroaka demony maro ireo mpianatra ireo ary nanosotra diloilo ny marary betsaka sy nanasitrana azy ireo. Eto no ahitana taratra fa nisy fahasamihafany ny fanasitranana marary nataon’i Jesoa sy ny mpianatra. Raha dinihantsika lalina ireo karazana fanasitranana nataon’i Jesoa dia fomba maro no nentiny nanasitrana ny olona saingy tsy mba nampiasa diloilo izy fa ny herin’ny tenany ihany dia ampy nanasitranany ny marary nentina teo aminy. Tsy nilain’i Jesoa ny fampiasana diloilo satria tompon’ny fahefana rehetra izy amin’ny maha Andriamanitra azy ka fihetsika na teny iray monja dia ampy hanasitranany ny marary nentina teo aminy.

Ny mpianatra kosa dia tamin’ny alalan’ny fanosorana diloilo no nanasitranan’izy ireo ny marary. Izany hoe, tsy fahefana avy amin’ny tenan’izy ireo no nentiny nanasitrana fa fahefana avy amin’i Jesoa ka ny fampiasana ny diloilo no porofo manambara fa tsy izy ireo no manasitrana ny marary fa i Jesoa izay nananiraka azy ireo. Io fanosorana diloilo io no ifandovana ato amin’ny Fiangonana ka tanterahin’ny Eveka sy ny Pretra rehefa manome ny Sakramenta Fanosorana ny marary izy ireo. Mazava ny ambaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika fa : « ny mpisorona ihany (Eveka sy Pretra) no mpandraharaha masina ny fanosorana ny marary. Adidin’ny mpiandry ondry ny mampahalala ny mpino ny voka-tsoa azo amin’ity sakramenta ity. Aoka ny mpino handrisika ny marary hampiantso Pretra, mba handray ity sakramenta ity. Aoka ny marary hanoman-tena mba handray izany ao anatin’ny toe-panahy tsara, miaraka amin’ny fanampian’ny mpitondra azy ireo sy ny ankohonampiangonana manontolo izay nasaina hanotrona manokana ny marary amin’ny fivavahany sy amin’ny fikarakarany ny maha-mpiray tam-po arapinoana » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 1516).

Ambaran’ny fampianarana hita ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika ihany koa fa : « ity fanosorana masina ny marary ity dia naorin’i Kristy Tompontsika ho sakramentan’ny Testamenta Vaovao, nolazaina marina sy araka ny tena izy, nasisik’i Md Marka, nefa nohafatrafarana ho ataon’ny mpino ary nampiharin’i Jakôba apôstôly sy rahalahin’ny Tompo… Ny sakramenta fanosorana ny marary dia omena an’ireo olona marary mafy efa ambavahoana, amin’ny fanosorana azy ireo eo amin’ny handrina sy eo amin’ny tanana amin’ny diloilo voahasina araka ny didy – menaka ôliva na menaka hafa avy amin’ny zavamaniry - amin’ny fitenenana indray maka hoe : “Noho izao fanosorana masina izao ary noho ny famindrampon’Andriamanitra be fitiavana dia enga anie Izy Tompo hanampy anao amin’ny fahasoavan’ny Fanahy Masina. Amin’izay, rahefa afa-pahotana ianao, dia hovonjen’ny Tompo sy hohamaivaniny fa mora fo Izy” » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 1511 sy 1513).

Araka ny voalazan’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika eto dia tsy misy isalasalana fa i Jesoa tokoa no nanorina ny Sakramenta Fanosorana ny marary ka ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity no manambara mazava tsara ny mahakasika izany. Noho izany dia tsy tokony hampatahotra ny fandraisana io Sakramenta io satria ny namoronan’i Jesoa azy tamin’ny nanirahany ny mpianatra tsiroaroa dia ny mba hahasitrana izay mandray ny fanosorana diloilo avy amin’ny mpianatra. Hamafisin’ny Fiangonana hatrany izany fampianarana izany ka ilazan’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika amintsika fa : « toy izao ny vokatry ny fahasoavana manokana amin’ny Sakramenta Fanosorana ny marary : ny fiombonan’ny marary amin’ny fijalian’i Kristy, mba hahazoany soa ho an’ny tenany sy ho an’ny Fiangonana manontolo ; ny fiononam-po, ny fiadanam-po ary ny herim-po mba hizakana amimpomba kristianina ny fangirifiriana noho ny aretina na ny fahanterana ; ny famelana ny fahotana raha toa ka tsy afa-nandray izany tamin’ny sakramentan’ny Fivalozana ilay marary ; ny fiverenan’ny fahasalamana amin’ny laoniny, raha mifanaraka amin’ny famonjena ara-panahy izany ; ny fanomanana ny fiampitana ho any amin’ny fiainana mandrakizay » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 1532).

Azo heverina fa mazava tsara amintsika izao ny fampianaran’ny Fiangonana mahakasika ny lanjan’ny fanosorana diloilo masina rehefa mandray ny Sakramenta Fanosorana ny marary. Tsy azo lavina fa efa fantantsika ihany ireto fampianaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika ireto saingy tsara ny ampahatsiahivana azy amin’izao Alahady Faha – 15 tsotra Mandavan-taona izao mba tena hihamafy hatrany ny fahalalantsika mahakasika ny maha zava-dehibe io Sakramenta io izay naorin’i Jesoa tamin’ny nanirahany ny mpianatra tsiroaroa araka ny ambaran’ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany. Ambaran’ity Evanjely ity ihany koa fa : « noraràny tsy hitondra na inona na inona eny an-dalana izy ireo na kitapo, na mofo, na farantsa kely varahina amin’ny fehikibony, afa-tsy tehina ihany, fa ny tongotra no asiana kapa, ary tsy mitondra akanjo roa. (Mk. 6: 8 – 9).

Tsy tian’i Jesoa hivesatra etana maro ny mpianatra ka izany no nilazany tamin’izy ireo mba tsy hitondra na inona na inona eny an-dalana. Mila fandavan-tena tokoa ny fanarahan-dia an’i Jesoa ka manasa antsika Pretra sy ireo Eveka dimbin’ny Apostoly ihany koa izy mba tsy hitondra na inona na inona afa-tsy ny Tenin’Andriamanitra sy ireo Sakramenta samihafa izay tsy maintsy hozaraintsika amin’ireo olona anirahany antsika tahaka ny nataony tamin’ny mpianany. Manoloana izany anefa dia manana adidy ihany koa ny vita Batemy rehetra amin’ny fiahiana ireo mpandraharaha masina ireo. Izany no nilazan’i Jesoa tamin’ny mpianatra nanao hoe : « na aiza na aiza alehanareo, dia mitoera amin’izay trano hidiranareo ambara-pialanareo. Ary raha misy tsy mampiantrano na tsy mihaino anareo, dia mialà ao ka ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo ho fiampangana azy » (Mk. 6: 10 – 11). Miara-miavavaka ary isika amin’izao Alahady Faha – 15 tsotra Mandavan-taona izao mba samy hanatanteraka ny adidy tandrify antsika tsirairay araka ny anirahan’i Jesoa antsika. Ny mpandraharaha masina moa hizara maimaim-poana ny Tenin’Andrimanitra sy ny Sakramenta, isika vita Batemy rehetra kosa handray azy ireo amim-pitiavana sy hikarakara azy ireo araka ny tokony ho izy.

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0387