Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra

Alahady 01 novambra 2015

Fankalazana ny Olomasina rehetra

Alahady Faha – 31 tsotra Mandavan-taona (Taona B)

« Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra »

(Mt. 25, 12)

 

Raha ny tokony ho izy dia mankalaza ny Alahady Faha – 31 tsotra Mandavan-taona isika androany, saingy fantantsika tsara fa anio Alahady 01 Novambra dia fankalazana ny Olomasina rehetra, noho izany dia manasa antsika ny Fiangonana androany mba hitodika manokana amin’Andriamanitra ka hanandratra vavaka miaraka amin’ireo Olomasina rehetra efa sambatra mandrakizay any an-danitra ka mivavaka ho antsika ihany koa. Araka izany dia ny vakiteny voatondro ho an’izao fankalazana ny Olomasina rehetra izao no aroson’ny Fiangonana ho antsika androany fa tsy izay voatondro ho an’ny Alahady Faha – 31 tsotra Mandavan-taona tsy akory. Efa nifampizarantsika teto saingy tsy mahasasatra ny mamerimberina hatrany fa mety maro no hanontany hoe : Iza marina moa ny Olomasina ? Ho antsika Katolika dia azo heverina fa tsy tokony hipetraka io fanontaniana io saingy azo lazaina fa misy ireo izay tsy mitovy finoana amintsika no manontany antsika ny atao hoe Olomasina, indrindra ny antony ankalazana izao fety androany izao ary tena misy amintsika ny tsy dia manan-kambara loatra mahakasika izany ka hahafantsika tena mahazo tsara ny hevitr’izao fankalazana izao dia averimberina amintsika hatrany ny fampianaran’ny Fiangonana mahakasika ny Olomasina.

Maro ny famaritana mety efa hitantsika, ary mety samy hanana ny filazany ihany koa ny tsirairay ny amin’ny fahazoany ny atao hoe Olomasina saingy ny tena famaritana mazava dia ny ambaran’ny Tenin’Andriamanitra izay voalaza ao amin’ny Apokalipsa, na Fanambaràna nosoratan’i Md. Joany ka aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ao amin’ny Vakiteny voalohany. Mazava ho azy fa ny Tenin’Andriamanitra mihitsy no manambara amintsika fa tena misy tokoa ny Olomasina. Azo ambara noho izany fa ny Tenin’Andriamanitra no loha-rano anovontsika ny fampianarana mahakasika ny Olomasina ary avy amin’izay no mahatonga ny Fiangonana hanasa antsika hankalaza amin’ny fomba manetriketrika izao fety androany izao. Araka ny famaritana ambaran’ity Tenin’Andriamanitra aroson’ny Fianogonana ho antsika androany ity ary dia tsy iza ireo Olomasina ireo fa ny vahoaka be tsy tambo isaina, avy amin’ny firenena rehetra, sy ny fokom-pirenena ary ny fanjakana mbamin’ny samihafa fiteny rehetra, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy ny Zanak’ondry.

Raha vakiana manontolo ny famaritana hita amin’ity Tenin’Andriamanitra ity dia izao no voalaza ao : « Nanaraka izany, dia nahita vahoaka be tsy azon’olona isaina aho, avy amin’ny firenena rehetra, sy ny fokom-pirenena ary ny fanjakana mbamin’ny samihafa fiteny rehetra, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy ny Zanak’ondry, miakanjo fotsy sy mitana sampan-drofia. Niantso tamin’ny feo mahery izy ireo nanao hoe : An’Andriamanitra izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana, sy ny Zanak’ondry ny famonjena ! Dia nitsangana nanodidina ny seza fiandrianana sy ireo Anti-dahy ary ny Zava-manana aina efatra ny anjely rehetra, ka niankohoka teo anoloan’ny seza fiandrianana, nitsaoka an’Andriamanitra, nanao hoe: Amena ! An’Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay ny dera amam-boninahitra, ny fahendrena amam-pankasitrahana, ny haja amam-pahefana, ary ny hery ! Tamin’izay, ny iray tamin’ireo Anti-dahy nanao tamiko hoe: Iza moa ireo miakanjo fotsy, ary avy aiza no nihaviany ? Dia hoy ny navaliko azy : Hianao no mahalala, Tompoko. Ary hoy izy tamiko: Ireo no avy tamin’ny fampijaliana lehibe, nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny ran’ny Zanak’ondry » (Apok. 7: 9 – 14).

Araka ny ambaran’ity Tenin’Andriamanitra ity dia azo lazaina tsy misy fisalasalana fa tena misy tokoa ny Olomasina ary velona sy midera an’Andriamanitra mandrakizay. Tokony hazava tsara amintsika anefa fa tsy mivavaka velively amin’ny Olomasina isika raha mankalaza izao fety androany izao satria tsy Andriamanitra izy ireo fa tena olombelona niaina teto an-tany tahaka antsika rehetra ihany. Noho izany dia amin’Andriamanitra irery ihany no ivavahantsika ka miara-mivavaka amin’ny Olomasina rehetra isika satria noho izy ireo voalazan’ny Fanambaràna nosoratan’i Md. Joany fa mitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianana sy ny Zanak’ondry, dia azo antoka fa mihaino ny vavaka ataon’izy ireo Andriamanitra ka izay no iarahantsika mivavaka amin’izy ireo mba horaisin’Andriamanitra ihany koa ny vavaka ataonatsika.

Izany indrindra no fampianaran’ny Fiangonana mahakasika ny Olomasina araka ny voalazan’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika manao hoe : « Ireo vavolombelona izay nialoha antsika any amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra, indrindra ireo izay ankatoavin’ny Fiangonana ho “olomasina”, dia mandray anjara amin’ny lovam-panahy velona momba ny fivavahana, amin’ny alalan’ny oha-piainan’izy ireo, amin’ny alalan’ny fampitana ny asa soratr’izy ireo ary amin’ny alalan’ny fivavahan’izy ireo ankehitriny. Mibanjina an’Andriamanitra izy ireo, midera Azy ary tsy mitsahatra mitahy an’ireo izay nilaozan’izy ireo tety an-tany. Tamin’ny nidirany tao anatin’ny hafalian’ ny Tompon’izy ireo, dia “natsangana ho mpanapaka ny be” izy ireo. Ny fanelanelanan’izy ireo no fanompoana ambony indrindra ataon’izy ireo amin’ny fandaharan’Andriamanitra. Azontsika atao ary tokony hataontsika ny mangataka amin’izy ireo hivavaka ho antsika sy ho an’izao tontolo izao » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 2683).

Manaraka izany dia tsy anjely na zava-boary hafa ny Olomasina fa olona avy amin’ny firenena rehetra, sy ny fokom-pirenena ary ny fanjakana mbamin’ny samihafa fiteny rehetra. Olombelona mpanota tahaka antsika rehetra ihany izy ireo saingy niezaka nanasa ny akanjony tamin’ny ran’ny Zanak’ondry tamin’ny alalan’ny fanarahana ny didin’Andriamanitra ka niezaka mandrakariva nitia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona rehetra. Ireo Olomasina ireo no nanaraka an-tsakany sy an-davany ny fampianaran’i Jesoa izay ambaran’ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany manao hoe : « Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny Fanjakan’ny lanitra. Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany. Sambatra izay mitomany, fa halàna alahelo. Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy. Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy. Sambatra ny madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy. Sambatra ny tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra izy. Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny Fanjakan’ny lanitra. Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny amiko: mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra » (Mt. 25, 5 – 12).

Amin’izao fankalazana amin’ny fomba manetriketrika ny fetin’ny Olomasina rehetra izao dia manasa antsika ihany koa i Jesoa mba hiaina araka ireo hasambarana ampianariny ireo. Marina fa tsy mora ny manatanteraka azy ireo satria mila fandavan-tena sy fahavononana tanteraka, koa miaraka amin’ny Olomasina rehetra ary isika androany no mitalaho ny fahasoavana avy amin’Andriamanitra mba tena hiaina marina tokoa araka ny hasambarana voalazan’i Jesoa ka hahantra am-panahy, halemy fanahy, hitomany, honoana sy hangetaheta ny fahamarinana, hamindra fo, hadio fo, ho tia fihavanana, hiaritra ny fanenjehana noho ny rariny ary tsy hihemotra amin’ny fanevatevana sy fanenjehana ary fiampangana lainga izay mety hahazo antsika satria amin’ny alalan’ireny rehetra ireny no hahazoantsika ny hasambarana izay hahafahantsika miombona amin’ny Olomasina rehetra ka ho afaka hidera an’Andriamanitra mandrakizay rehefa ho tonga ny fotoana hialantsika eto an-tany. Miara-mivavaka ihany koa isika ho an’ireo havantsika rehetra efa nody mandry satria mahatsiaro manokana azy ireo isika rahampitso 02 Novambra. Enga anie ireo havantsika nody mandry ireo mba hahazo ny hasambarana mandrakizay any an-danitra ka ho anisan’ireo olona maro be avy amin’ny firenena rehetra, sy ny fokom-pirenena ary ny fanjakana mbamin’ny samihafa fiteny rehetra, mitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianana sy ny Zanak’ondry.


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0239