Alahady 25 oktobra 2015
Alahady Faha – 30 tsotra Mandavan-taona (Taona B)
« Matokia! mitsangàna, fa antsoiny hianao » (Mk. 10, 49)
Rehefa avy niresaka manokana tamin’ny mpianatra i Jesoa ka nilaza mazava tamin’izy ireo ny maha zava-dehibe ny fenetren-tena sy fahaiza-manompo ny hafa dia nanohy ny diany ary tonga tao Jerikô. Io fidiran’i Jesoa tao Jerikô io indrindra no ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao Alahady Faha – 30 tsotra Mandavan-taona izao. Ambaran’ity Evanjely ity fa « tamin’izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany, dia tonga tao Jerikô, ary nipetraka nangataka teo amoron-dalana kosa i Bartime jamba zanak’i Time. Nony reny fa hoe i Jesoa Nazareanina izany, dia rafitra niantso izy nanao hoe : “Ry Jesoa Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko”. Ary maro no nandrahona azy mafy mba hampangina azy, fa vao mainka niantso mafimafy kokoa izy nanao hoe: “Ry zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko”. Dia nijanona i Jesoa, ka nampiantso azy. Ary nantsoin’ny olona izy sy nilazany hoe : “Matokia! mitsangàna, fa antsoiny ianao”. Dia nariany ny lambany, ka niezaka nanatona an’i Jesoa izy » (Mk. 10: 46 – 50).
Hita taratra amin’ity Evanjely ity ny fandraisan’i Jesoa ny olona rehetra tsy misy avakavaka. Eto dia i Bartime jamba no nantsoiny hanatona azy rehefa niantso azy nanao hoe : “Ry Jesoa Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko”. Hita fa tena mifanohitra tanteraka ny fomban’i Jesoa sy ny toetr’ireo izay nandrahona an’i Bartime noho izy niantso an’i Jesoa mba hamindra fo aminy. Toetra fahita amin’ny fiainantsika an-davan’andro ny tahaka ny nataon’ireto olona ireto. Matetika dia isika ihany no sakana amin’ny fahasoavana izay mety horaisin’ny mpiara-monina amintsika. Na ireo mpiara-monina amintsika ihany koa no sakana amin’izay fahasoavana mety horaisintsika ka amin’ny alalan’ity Evanjely androany ity dia tena ilaina tokoa ny fandinihan-tena raha toa ka sakana ho an’ny fahasoavana tonkony hiditra amin’ny hafa isika. Natao hifanasoa sy hifanampy isika fa tsy natao hifandrafy sy hitsivalam-pandry amin’izay fahasoavana raisin’ny mpiara-monina amintsika ka raha sendra mahatsapa isika fa manana izany toetra tia mitsivalam-pandry izany dia tsy maintsy mandray fanampahan-kevitra ka miova amin’izany satria ny Batemy noraisintsika amin’ny maha Kristianina dia natao indrindra hivelomana sy hitiavana ny namana fa tsy natao hifankahalana sy hifampialonana.
Vakiteny I : Jer. 31: 7 – 9
Tononkira : Sal. 126: 1 – 2, 3, 4 – 5, 6
Vakiteny II : Heb. 5: 1 – 6
Evanjely : Mk. 10: 46 – 52
Araka ny voalazan’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity ihany koa anefa dia nisy tamin’ireo olona sasany no nankahery an’i Bartime ary nanampy azy hanatona an’i Jesoa. Ireo olona ireo no niteny taminy hoe : “Matokia ! mitsangàna, fa antsoiny ianao”. Izany no toetra tsara tsy maintsy ananantsika sy iainantsika amin’ny maha mpanara-dia an’i Kristy antsika. Tsy maintsy mifankahery isika ary mifanampy ihany koa ka raha sendra misy mpiara-belona tojo fahasahiranana dia tsy maintsy manao ezaka hatrany isika hitondra izay fanampiana azontsika omena. Tsy voatery ho zavatra mivantana sy azo tsapain-tanana izany fa na teny fankaherezana tahaka ny nataon’ny olona tamin’i Bartime aza dia ampy hanamaivana izay fijaliana iaretan’ny olona iray tratry ny aretina na tojo fahasahiranana. Manainga antsika hahay hifankahery sy hifanampy amin’ny sarotra ity Evanjely ity koa tsy maintsy miezaka araka izay azo atao isika mba hanao izany satria tsy misy afaka mahavita tena irery.
Na eo aza anefa izay fifanampiana tsy maintsy iainantsika izay dia ilaina ihany koa ny ezaka avy amaintsika tsirairay avy raha sendra tonjo zava-tsarotra fa tsy hiandry fotsiny izay fanampiana ataon’ny hafa. Tena zava-dehibe tokoa ny fananana faharetana sy fikirizana rehefa miatrika ny zavatra manahirana. Hitantsika ny nataon’i Batime fa tsy kivy izy na nihemotra sy nangina manoloana ny fandrahonana natao azy mba tsy hiantso an’i Jesoa eny an-dalana. Araka ny ambaran’ity Evanjely ity dia vao mainka niantso mafimafy kokoa izy manoloana izany fandrahonana natao azy izany. Midika izany fa miainga amin’ny ezaka ataontsika tsirairay avy ny fandraisana ny fahasoavana ka na eo aza ny fanankiviana izay mety sedraintsika na fandrahonana mihitsy aza, dia tsy maintsy vonona mandrakariva isika hiatrika izany satria rehefa manam-paharetana isika dia tsy ho diso anjara velelively amin’izay fahasoavana mety ho azontsika. Ny faharetana sy ny finoana tao amin’i Bartime no nahatonga an’i Jesoa nijanona sy nanasitrana azy ka izay faharetana sy finoana izay ihany koa no tsy maintsy ananantsika raha tiantsika ny handray ny fahasoavana sy valim-bavaka avy amin’i Jesoa Mpamonjy.
Mazava ny ambaran’ity Evanjely ity fa tsy niteny tamin’i Jesoa mihitsy i Bartime nanao hoe : “Ry Jesoa Zanak’i Davida ô, mba sitrano re aho”, fa ny nambarany dia hoe : “mamindrà fo amiko”. Teo amin’ny Jody dia noheverina fa vokatry ny fahotana daholo ny aretina rehetra ka raha mitady fanasitranana ny olona iray dia ny famindram-pon’Andriamanitra sy ny famelan-keloka no angatahina. Izany ihany koa no nataon’ity Bartime ity, nino izy fa tena Zanak’Andriamanitra tokoa i Jesoa ka tsy nisalasala izy nangataka ny famindram-po satria avy amin’izany no hahazoany fanasitranana ka hampahiratra azy indray. Io finoany io no nentiny nanatona an’i Jesoa ka nahatonga azy nahazo fanasitranana satria araka ny ambaran’ny Evanjely dia : « hoy i Jesoa taminy: “Inona no tianao hataoko aminao?” Dia hoy ilay jamba : “Rabony ô, aoka mba hahiratra aho”. Ary hoy i Jesoa : “Mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao”. Dia nahiratra niaraka tamin’izay izy, ka nanaraka Azy teny an-dalana » (Mk. 10: 51 – 52).
Miara-mivavaka ary isika amin’izao Alahady Faha – 30 tsotra Mandavan-taona izao mba tena hanam-pinoana marina tahaka ity lehilahy jamba ity ka tsy hatahotra ny hiantso mafy ny anaran’i Jesoa rehefa misy ny manahirana. Marina fa mety misy ny fandrahonana sy fanankiviana na fanenjehana mihitsy aza rehefa manam-pinoana isika saingy tsy tokony hatao mampihemotra izany fa vao mainka aza mamporisika antsika handroso lalin-dalina kokoa amin’izay finoana anantsika izay. Araka ny ambaran’ity Evanjely androany ity dia nanaraka an’i Jesoa teny an-dalana i Bartime reheta nahiratra. Maro ny fahasoavana raisintsika avy amin’i Jesoa ary ireny Sakramenta samy hafa raisintsika ireny dia porofo hita maso fa tena tia antsika tokoa izy ary manome aina vaovao ho antsika, indrindra amin’ny alalan’ny Eokaristia izay andraisantsika ny Vatany sy ny Rany. Tahaka ny nataony tamin’i Bartime dia tsy mitsahatra miteny amintsika ihany koa i Jesoa manao hoe : “Mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao”. Enga anie ny Fanahy Masina mpanazava no hitari-dalana antsika ka hahatonga antsika hifikitra mandrakariva amin’ny finoana na eo aza ny zava-manahirana isankarany izay tsy maintsy sedraina.
P. Louis Martin
Assomptionniste