Maro no namelatra ny fitafiany teny amin’ny lalan-kalehany

Alahady 29 martsa 2015

Alahadin’ny Sampankazo (Taona B)


« Maro no namelatra ny fitafiany teny amin’ny lalan-kalehany, ary ny sasany nanapaka rantsan-kazo dia namafy izany teny amin’ny lalana koa » (Mk. 11, 8)

 

Ny Alahadin’ny Sampakazo no ankalazaintsika androany, efa fantantsika moa fa ity fankalazana ity no ahatsiarovana manokana ny nidiran’i Jesoa tamim-boninahitra tao Jerosalema mialohan’ny nahafatesany sy nitsanganany ho velona tamin’ny andro fahatelo. Tahaka ny isa-taona dia misy anankiroa ny Evanjely vakiana androany ka ny Evanjely voalohany dia vakiana mandritra ny fitsofan-drano ny sampankazo mialohan’ny idirana ao am-piangonana ary ny faharoa dia ny Evanjely mitantara ny Fijalian’i Jesoa Kristy. Ampahatsiahivina antsika fa amin’izao taona B izao dia ny Evanjely nosoratan’i Md Marka no aroson’ny Fiangonana ho antsika, noho izany dia ny fitantarana ny nidiran’i Jesoa tao Jerosalema araka ny hita ao amin’i Md Marka no vakiana amintsika androany aorian’ny fitsofan-drano ny sampankazo. Azo isafidianana ihany koa ho an’ity fitsofan-drano ny sampankazo ity ny voalazan’i Md. Joany (Jo. 12, 12-16) saingy ny Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka no hifampizarantsika eto.

Ambaran’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity fa : « nony mby akaiky an’i Jerosalema sy tonga tao Betania anilan’ny tendrombohitra Oliva i Jesoa, dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany, ary nilaza taminy hoe : “Mankanesa amin’itsy vohitra tandrifinareo itsy ; raha vao tonga any ianareo, dia hahita zanak’ampondra anankiray mifatotra, izay tsy mbola nitaingenan’olona ; vahao izy ka ento mankaty amiko. Ary raha misy manao aminareo hoe : Ahoana no anaovanareo izao ? valio hoe : Misy ilàn’ny Tompo azy ; dia halefany hoentina aty miaraka amin’izay izy”. Dia nandeha izy ireo ka nahita zanak’ampondra mifatotra teo alatrano anilan’ny varavarana, teo an-tsampanan-dalana, dia novahany. Ary ny sasany tamin’ny olona teo nanao taminy hoe : “Ahoana no amahanareo io zanak’ampondra io ?” Fa novaliany araka ny nandidian’ny Tompo azy izy ireo, ka namela azy hoentiny » (Mk. 11, 1 – 6). Araka ny voalazan’ny Evanjely eto dia tsy mbola tonga ao Jerosalema i Jesoa fa mbola tao Betania ary naniraka ny mpianany mba hitondra ilay zanak’ampondra anankiray mifatotra, izay tsy mbola nitaingenan’olona.

Vakiteny I : Iz. 50: 4 – 7

Tononkira : Sal. 22: 8 – 9, 17 – 18a, 19 – 20, 23 – 24

Vakiteny II : Fi. 2: 6 – 11

Evanjely : Mk. 11, 1 – 10 (Fitsofandrano ny sampankazo)

Mk. 14: 1 – 72, 15: 1 – 47

Voalazan’ity Evanjely ity ary fa nentin’ireo mpianatra roa lahy « tany amin’i Jesoa ny zanak’ampondra, ka nataony teo amboniny ny fitafiany, ary nitaingina teo Izy. Maro no namelatra ny fitafiany teny amin’ny lalan-kalehany, ary ny sasany nanapaka rantsan-kazo dia namafy izany teny amin’ny lalana koa. Ary na izay nandeha teo alohany, na izay nanaraka teo aoriany dia samy niantso hoe : “Hôzàna! Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo ; hosoavina anie ny fanjakan’i Davida raintsika, izay efa tonga izao ; hôzàna any amin’ny avo indrindra” » (Mk. 11, 7 – 10). Io fihobiana nataon’ny olona io no manambara fa tena Mpanjaka tokoa i Jesoa ary izao fankalazana ny Alahadin’ny Sampakazo izao dia mampahatsiaro antsika isa-taona fa tena Mpanjaka tokoa i Jesoa ka izany no nihobian’ny olona azy manao hoe : « Hôzàna! Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo ».

Tsara hamafisina hatrany anefa fa tsy Mpanjaka araka ny fihevitr’olombelona no nisehoan’i Jesoa teo anivon’ny olona fa Mpanjaka manetry tena sy malemy fanahy. Tamin’ny fotoana niainan’i Jesao dia soavaly sy kalesy no itaingenan’ny mpanjaka, fa ny azy kosa dia ampondra no mba nitaingenany sy nentiny niditra amim-boninahitra tao Jerosalema. Fantantsika tsara fa ny olon-tsotra no mitaingina amin’ny ampondra ary tsy zava-baovao amin’i Jesoa izany satria hatramin’ny niterahana azy dia io no fitaovana nampiasan’i Maria sy Josefa rehefa nadeha nisoratra anarana tany Betelehema sy nandositra tany Ejipta. Ny fitaingenan’i Jesoa ampondra tamin’ny nidirany tao Jerosalema izany dia manambara mazava amintsika fa Izy no ilay Mpanjaka nirahin’Andrimanitra Ray hamonjy ny mahantra sy ny madinika rehetra.

Tamin’ny alalan’ny fanekena ho faty teo ambony Hazofijalina no nanatanterahany io famonjena io ka izany indrindra no anoloran’ny Fiangonana ho antsika ihany koa androany ny Evanjely mitantara ny Fijalian’i Jesoa Kristy. Mazava ho azy fa tsy afa-misaraka velively ny maha Mpanjaka an’i Jesoa sy io fanolorany ny tenany hampijaliana sy hovonoina io. Voalazan’ity Evanjely mitantara ny Fijalian’i Jesoa Kristy ity ary fa « raha vao maraina ny andro, ny lohandohan’ny mpisorona dia niara-nihevitra tamin’ny loholona sy ny mpanora-dalàna ary ny mpisaina rehetra, ka namatotra an’i Jesoa, dia nitondra Azy sy nanolotra Azy tamin’i Pilaty. Ary i Pilaty nanontany Azy hoe : Ianao va no Mpanjakan’ny Jody ? Dia namaly Izy ka nanao taminy hoe : Voalazanao » (Mk. 15: 1 – 2). Io fijalian’i Jesoa sy fahafatesany io no manaporofo fa tena Zanak’Andriamanitra ihany koa izy ary tonga hamonjy antsika olombelona mpanota ka ny fahafatesany teo ambony Hazofijaliana no fomba nanatanterahany io famonjena antsika io. Araka ny ambaran’ity Evanjely androany ity dia vavolombelona nahita maso ary nanambara io maha Zanak’Andriamanitra an’i Jesoa io ilay kapiteny niambina azy teo ampototry ny Hazofijaliana. « ary rovitra nisasaka roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba tao amin’ny Tempoly. Ilay kapiteny nitsangana teo antandrifin’i Jesoa, nony nahita fa niala aina tamim-piantsoana mafy toy izany izy, dia nanao hoe : Zanak’Andriamanitra tokoa io lehilahy io » (Mk. 15: 38 – 39).

Io fankalazana ny maha Mpanjaka sy Zanak’Andriamanitra an’i Jesoa io indrindra no ankalazaintsika amin’izao Alahadin’ny Sampakazo izao, koa miara-mivavaka isika mba hihamafy hahatrany ny finoantsika an’i Jesoa izay nonolotra ny tenany hampijaliana mba ho fanavotana antsika mpanota. Tsy naharesy azy anefa ny fahafatesana fa nitsakan-ko velona izy tamin’ny andro fahatelo, koa ho fiomanan-tsika amin’ny fankalazana io fandresena lehibe io dia manasa antsika ny Fiangonana mandritra izao Herinandro Masina izao mba hazoto handray anjara amin’ireo fombam-pivavahana samy hafa, indrindra manomboka amin’ny Alakamisy Masina izay fotoan-dehibe andinihantsika amin’ny fomba manokana ny misterin’ny fijaliana sy ny fahafatesana ary ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty. Ny maha zava-dehibe ity Herinandro Masina ity indrindra no ambaran’ny fanentanana mialohan’ny Ranombavaky ny mpino androany manao hoe : « ry kristianina havana, antsoin’ny Eglizy isika amin’ity Herinandro Masina ity, hiaraka amin’i Kristy hiakatra ny Kalvery ; koa tokony hivavaka mafy hahatondra ny hazofijaliantsika, sy hamonjy an’izao tontolo izao, amin’izay leferintsika ». Enga anie ny fahasoavan’Andriamanitra no hameno ny fiainantsika rehetra mandritra izao Herinandro Masina manomboka androany izao.

 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0215