Koa aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’olombelona

Alahady 04 oktobra 2015

Alahady Faha – 27 tsotra Mandavan-taona (Taona B)

« Koa aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’olombelona » (Mk. 10, 9)

 

Tato anatin’ny Alahady telo mifanesy izao dia ny fampianaran’i Jesoa mahakasika ny zazakely sy ny fiandaniany amin’ny madinika hatrany no ambaran’ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika. Raha tsiahivina dia voalazan’i Jesoa tamin’ny Evanjely izay naroso ho antsika tamin’ny Alahady Faha – 25 tsotra Mandavan-taona fa « na iza na iza handray anankiray amin’ny zazakely toy itony amin’ny Anarako, dia handray Ahy, ary izay mandray Ahy dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy » (Mk. 9: 36). Tamin’ny Alahady heriny kosa dia nambaran’ny Evanjely tamintsika ny fampinaran’i Jesoa manao hoe : « na iza na iza hanafintohina ny anankiray amin’ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsaratsara kokoa ho azy ny hanantonana vato fikosohan-dafarîna amin’ny vozony, ka havarina any anaty ranomasina izy » (Mk. 9: 41). Araka ny efa nambarantsika dia ny toetra tsotra sy mahitsy ary tsy miolakolaka tahaka ny an’ny zazakely no tian’i Jesoa hanan’ireo manara-dia azy ka anasany antsika vita Batemy rehetra mba tsy hanafintohina ny anankiray amin’ireny madinika mino Azy ireny.

Amin’izao Alahady Faha – 27 tsotra Mandavan-taona androany izao dia mbola io fampianaran’i Jesoa mahakasika ny zazakely io no ambaran’ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika. « Ary nisy nitondra zazakely maromaro mba hametrahany tanana, nefa notenenin’ny mpianatra mafy ireo nitondra ; ka tezitra i Jesoa nony nahita izany sady nanao taminy hoe: “Avelao hanatona Ahy ny zaza, fa aza raranareo, satria ny toa azy no hanana ny fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko marina aminareo fa na iza na iza tsy mandray ny fanjakan’ny lanitra tahaka ny zazakely dia tsy hiditra any”. Dia nofihininy izy ireo, sy nametrahany tanana, ary notsofiny rano » (Mk. 10: 13 – 16). Voalaza mazava tsara amin’ity Evanjely ity fa tezitra tamin’ny mpianatra i Jesoa tamin’ny fihetsika nataon’izy ireo dia ny nitenenan’izy ireo mafy ny olona nitondra zazakely mba hametrahany tanana sy hotsofiny rano. Midika izany fa izay rehetra mahay manetry tena ka manana toetra tsotra sy mahitsy tahaka ny zazakely dia tsofin’i Jesoa rano ary ambarany fa hiditra any amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Vakiteny I : Jen. 2: 18 – 24

Tononkira : Sal. 128: 1 – 2, 3, 4 – 5, 6

Vakiteny II : Heb. 2: 9 – 11

Evanjely : Mk. 10: 2 – 16

Mialohan’io fandraisan’i Jesoa ny zazakely nentina teo aminy io anefa dia ambaran’ity Evanjely androany ity fa tonga teo aminy ny Farisianina mba haka fanahy azy ka nanontany azy mahakasika ny fisaraham-panambadiana. « Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny Farisianina mba haka fanahy Azy ka nanontany hoe : Mahazo misao-bady va ny lehilahy ? Ary izao no navaliny azy ireo: Ahoana no nandidian’i Môizy anareo? Dia hoy izy: Nomen’i Môizy alalana hanao taratasy fisaoram-bady sy hisao-bady ny lehilahy. Fa hoy kosa i Jesoa : Ny hamafin’ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo. Fa tamin’ny niandohan’izao tontolo izao, dia lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no nataon’Andriamanitra ; noho izany dia handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy roroa ; koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’olombelona. Nony mby tao an-trano, dia nanontany ny amin’izany indray ny mpianany, ka hoy Izy taminy : Na iza na iza misaotra ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga mandika ny lalàm-panambadiana ; ary raha ny vavy koa no misaotra ny lahy ka manambady hafa dia mijangajanga » (Mk. 10: 12 – 12).

Lehibe tokoa ny hasin’ny fanambadiana ka ambaran’i Jesoa mazava tsara eto fa tsy azo sarahina, izany no nahatonga azy hanandratra izany fanambadiana izany ho Sakramenta araka ny ambaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika manao hoe : « ny fifanekena ara-panambadiana, izay anorenan’ny lehilahy iray sy vehivavy iray eo amin’izy samy izy tokantrano iray ho amin’ny fiainana manontolo, nalahatra araka ny toetrany voa-Janahary amin’ny soa ho an’ny mpivady ary koa ho an’ny taranaka sy ho an’ny fanabeazana ny zanaka, dia nasandratr’i Kristy Tompo eo amin’ny samy vita batemy, ho amin’ny hasin’ny sakramenta » (jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 1601). Tena Sakramenta tokoa ny fifanekena ara-panambadiana ataon’ny lehilahy iray sy vehivavy iray koa amin’izao Alahady Faha – 27 tsotra Mandavan-taona izao, izay anomezan’ny Fiangonana antsika ny Evanjely mahakasika ny fampianaran’i Jesoa moban’ny hasin’ny fanambadiana dia tsara raha hamafisina sy averimberina amintsika ny fampianaran’ny Fiangonana mahakasika ny maha-tokana sy ny maha-tsy azo ravana ny Mariazy.

Ambaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika mazava tsara fa : « takìn’ny fitiavan’ny mpivady, araka ny toetrany voa-Janahary rahateo, ny maha-tokana sy ny maha-tsy azo ravana ny fiombonan’ny maha-olona azy ireo, izay manambatra ny fiainan’izy ireo manontolo : “Noho izany, tsy roa intsony izy ireo, fa nofo iray ihany ” (Mt 19, 6). “Voantso izy ireo hampitombo tsy an-kijanona ny fiombonan’izy ireo amin’ny alalan’ny tsy fivadihana isan’andro, sy hanamafy ny fanomezan-toky amin’ny fifanoloran-tena manontolo izay raketin’ny fanambadiana”. Ny fiombonana amin’i Jesoa-Kristy nomena tamin’ny sakramentan’ny fanambadiana no manamafy sy mandio ary manatontosa izany fiombonana maha-olona izany. Mihalalina izany amin’ny alalan’ny fiainana ny finoana iombonana sy amin’ny alalan’ny Eokaristia iarahana mandray » (jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 1644). Araka ity fampianarana ity dia mazava tsara fa tokoana ny Mariazy, izany hoe lehilahy iray sy vehivavy iray no afaka mandray izany Sakramenta izany. Tsy miova io fampianaran’ny Fiangonana io satria takìn’ny fitiavan’ny mpivady, araka ny toetrany voa-Janahary rahateo izany.

Araka ny voalazan’ity fampianarana ity hatrany dia tsy azo ravana ny fiombonan’ny maha-olona iray ny mpiavady satria araka ny ambaran’i Jesoa amin’ity Evanjely androany ity dia efa nakamban’Andriamanitra izy ireo ary tonga nofo iray ka tsy hosarahin’olombelona velively. Izany indrindra no anamafisan’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika fa : « betsaka ankehitriny, any amin’ny firenena maro, ny katôlika izay mangataka fisaraham-panambadiana araka ny didy aman-dalàna sivily sy manao fifanekena eo anatrehan’ny lalàna sivily ho amin’ny fanambadiana vaovao. Manantitrantitra ny Fiangonana, noho ny tsy fivadihana amin’ny tenin’i Jesoa-Kristy (“Na iza na iza lehilahy misaraka amin’ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa, dia manitsakitsaka ny vadiny voalohany ; ary raha ny vavy koa no manary ny lahy ka manambady hafa, dia mijangajanga izy” : Mk 10, 11 – 12), fa tsy azony ekena ho vanona ny fanambadiana vaovao, raha mbola vanona ny fisian’ilay fanambadiana voalohany. Raha manambady indray araka ny fomba sivily ireo nisara-panambadiana, dia miditra ao anatin’ny toe-piainana izay mandika tsotr’ izao ny lalànan’Andriamanitra izy ireo. Koa noho izany, tsy mahazo mandray kômonio amin’ny Eokaristia izy ireo mandritra ny fotoana aharetan’io toe-piainana io. Noho io antony io koa, tsy afaka misahana andraikitra sasantsasany ao amin’ny Fiangonana izy ireo. Ny fampihavanana amin’ny alalan’ny sakramentan’ny Fivalozana dia tsy azo omena afa-tsy ho an’ireo izay manenina fa nandika ny famantarana ny fifanekem-panambadiana sy ny tsy fivadihana amin’i Kristy, ary mampanantena fa hiaina ao anatin’ny fifadiam-pahafinaretan’ ny nofo tanteraka » (jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 1650).

Ampahatsiahivina antsika fa androany no manomboka ao Vatican ny Sinaoda natokana ho an’ny fianakaviana, noho izany dia miombom-bavaka amin’i Papa Ray Masina sy amin’ireo rehetra mandray anjara main’izany Sinaoda izany isika mba hahafahan’izy ireo manome sori-dalana vaovao sy mazava ary mifanaraka amin’i fampianaran’i Jesoa mahakasika ny ezaka ataon’ny Fiangonana amin’ny fanampiana ny fianankaviana rehetra, indrindra ireo izay misedra olana noho ny antony maro samy hafa. Miara-mivavaka ary isika amin’izao Alahady Faha – 27 tsotra Mandavan-taona izao mba hihamafy hatrany ny fifankatiavana eo amin’ireo izay manolon-tena ka mamaly ny antson’Andriamanitra amin’ny fanambadiana kristianina. Jesoa mihitsy no mitsodrano azy ireo tahaka ny nataony tamin’ireo zazakely nentina teo aminy araka ny ambaran’ny Evanjely androany. Mazava ho azy fa tsy ny zazakely ihany no omen’i Jesoa tsodrano fa ireo Ray aman-dReny niteraka ihany koa. Enga anie ny fahasoavana avy amin’Andriamanitra no hirotsaka amin’ny fianakaviana rehetra amin’izao Alahady anombohan’ny Sinaoda manokana ho an’ny fianakaviana izao.

 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099