Izay te ho voalohany no ho farany indrindra

Nampiditra : admin
Daty : 19/09/2015

Alahady 20 Septambra 2015

Alahady Faha – 25 tsotra Mandavan-taona (Taona B)


« Izay te ho voalohany no ho farany indrindra sy ho mpanompon’ny olona rehetra » (Mk. 9: 34)

Tamin’ny Alahady heriny dia nambaran’ny Evanjely izay naroson’ny Fiangonana ho antsika ny filazan’i Jesoa mazava tsara tamin’ny mpianatra fa tsy maintsy hijaly mafy, ary hovonoina, fa hitsangana indray raha afaka hateloana izy. voalazan’io Evanjely io fa « tamin’izay, nambarany tamin’izy ireo fa ny Zanak’olona dia tsy maintsy hijaly mafy sy hatosiky ny loholona mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hovonoina, fa hitsangana indray raha afaka hateloana, sady nataony mazava tsara ny filaza izany » (Mk. 8: 31 – 32). Na dia nataony mazava tsara aza anefa ny filaza izany dia hita fa tsy nahazo izay tiany hambara ny mpianatra. Izany no nahatonga an’i Piera nitondra azy nitanila sy niteny mafy azy satria araka ny maha olombelona dia tsy azo eritreretina fa i Kristy, ilay Mesia Zanak’Andriamanitra no handalo fijaliana sy hovonoina ho faty.

Io tsy fahazoan’ny mpianatra ny fanazavany mahakasika ny fijaliana sy ny fahafatesana tsy maintsy hiaretany sy handalovany io no nahatonga an’i Jesoa hanazava amin’izy ireo indray, araka ny ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany, fa tena tsy maintsy hijaly sy ho faty tokoa izy ary hitsangana indray raha afaka hateloana mba hahafahantsika mahazo ny famonjena. Ambaran’ity Evanjely ity fa : « Tamin’izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany, dia namaky an’i Galilea, ary tsy tian’i Jesoa ho fantatr’olona izany, fa nampianatra ny mpianany Izy ary nanao taminy hoe : “Hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’olona, dia hovonoiny fa hitsangan-ko velona Izy raha afaka hateloana aorian’ny nahafatesany”. Tsy fantatr’izy ireo anefa izany teny izany, sady tsy sahiny nanontaniana Azy koa » (Mk. 9: 30 – 31).

Mazava ny voalazan’ny Evanjely eto saingy, na dia nambaran’i Jesoa mazava tsara tamin’ny mpianatra indray fa tsy maintsy hijaly sy ho faty ary hitsangan-kovelona izy dia tsy fantatr’izy ireo izany teny izany, sady tsy sahin’izy ireo ihany koa ny nanontany an’i Jesoa. Anisan’ny toetra mpahazo antsika ihany koa ity fihetsika nasehon’ny mpianatra ity. Misy fotoana tokoa indraindray mety tsy azontsika ny tian’ny Tenin’Andriamanitra hambara saingy tsy sahintsika ny manontany fa mijanona amin’izao fotsiny ihany. Mety noho ny tsy fisian’ny fotoana angamba na noho ny tsy fahitantsika olona hanazava amintsika izay tena tian’izany Tenin’Andriamanitra izany hambara. Aoka anefa hazava tsara amintsika fa natao hivelomana ny Tenin’Andriamanitra fa tsy natao hohenoina fotsiny ka raha tsy azontsika izay tiany hambara dia lasa tsy mamokatra ary tsy mitondra fahasoavana eo amin’ny fiainantsika andavan’andro.

Vakiteny I : Fah. 2: 12, 17 – 20

Tononkira : Sal. 54: 3 – 4, 5, 6, 8

Vakiteny II : Jak. 3: 16 – 18, 4: 1 – 3

Evanjely : Mk. 9: 30 – 37

Manoloana izany dia amporisihina hatrany isika tsy hisalasala hanontany raha misy zavatra tsy mazava mahakasika ny ambaran’ny Tenin’Andriamanitra. Maro ireo afaka manome antsika fanazavana mahakasika izany, indrindra ny Pretra izay mpiara-miasa akaiky amin’ny Eveka. Amin’ny maha Mpisorona misolo tena an’i Jesoa azy ireo dia nomena andraikitra manokana hitory ny Tenin’Andriamanitra sy hizara ny Sakramenta amin’ny olona rehetra izay mangataka izany antsitra-po sy amim-pinoana ny Eveka sy ny Pretra koa tsy tokony hisalasala isika hanontany azy ireo raha misy ny zavatra tsy mazava amintsika fa tsy hijanona fotsiny amin’izao tahaka ny nataon’ny mpianatr’i Jesoa izay tsy nahasahy nanontany azy tamin’ny fotoana nanambarany ny tsy maintsy hijaliany. Manolona izany dia manana adidy lehibe tokoa ny mpandraharaha masina rehetra hanome fahafaham-po an’izay rehetra manatona sy mangataka fanazavana mahakasika ny Tenin’Andriamanitra. Aoka ary isika hanazava amim-pitiavana sy amin’ny fomba tsotra izany Tenin’Andriamanitra izany amin’ny fotoana rehetra angatahan’ny olona fanazavana amintsika satria izay no nifidianan’i Jesoa antsika manokana mba hanohy ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly izay natombony.

Io fitoriana ny Vaovao Mahafaly io rahateo no adidy voalohany nankin’i Jesoa tamin’ny mpianatra ka tohizan’ny Eveka sy ny Pretra ary ny Diakra ankehitriny amin’ny maha olom-boahosotra azy ireo tamin’ny alalan’ny fandraisana ny Sakramentan’ny Filaharana. Eto dia tokony hampandrinika antsika lalina ny ambaran’ny Evanjely androany satria rehefa « tonga tany Kafarnaôma izy ireo, ary nony mby tao an-trano, dia nanontany ny mpianany i Jesoa nanao hoe : Inona izany niadinareo hevitra tany an-dalana izany ? Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo, satria ny amin’izay ho lehibe indrindra amin’izy rehetra no niadiany hevitra teny an-dalana. Dia nipetraka Izy ary niantso ny roa ambin’ny folo lahy ka nanao taminy hoe : Izay te ho voalohany no ho farany indrindra sy ho mpanompon’ny olona rehetra. Ary nandray zaza anankiray Izy, napetrany teo afovoany, sy nofihininy, ary hoy Izy tamin’ny mpianany hoe : Na iza na iza handray anankiray amin’ny zazakely toy itony amin’ny Anarako, dia handray Ahy, ary izay mandray Ahy dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy » (Mk. 9: 32 – 37).

Hitantsika miharihary fa na nofidian’i Jesoa manokana hiara-dia aminy aza ireto mpianatra ireto dia mbola tsy mahazo ihany izay tena antony amalian’izy ireo izany antson’i Jesoa izany. Ny hijaliany sy ny hahafatesany no nambaran’i Jesoa mazava tsara tamin’izy ireo saingy ny amin’izay ho lehibe indrindra amin’izy rehetra kosa no niadian’izy ireo hevitra teny an-dalana. Midika izany fa tsy tena latsa-paka tao am-pon’izy ireo ny filazan’i Jesoa fa « raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliana ka hanaraka Ahy. Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely no hamonjy azy » (Mk. 8: 34 – 35). Raha tsaroantsika tsara dia ny Evanjely tamin’ny Alahady heriny no nanambara amintsika io teny voalazan’i Jesoa io. Hamafisiny ary, araka ny ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany fa « izay te ho voalohany no ho farany indrindra sy ho mpanompon’ny olona rehetra » (Mk. 9: 34). Midika izany fa raha tena tiantsika ny hanara-dia marina tokoa an’i Jesoa dia tsy maintsy manana fanetren-tena isika fa tsy ho variana hiady hevitra ny amin’izay ho voalohany na ho lehibe indrindra.

Miara-mivavaka isika androany mba tena handray sy hivelona marina tokoa ny Tenin’Andriamanitra izay toriana amintsika. Marina fa mety maro ny zavatra tsy mazava amintsika saingy ny Fanahy Masina no mitari-dalana antsika ka mahatonga antsika hivelona ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana marina araka ny ampianarin’i Jesoa antsika. Iarahantsika mahalala fa androany no amaranan’ny tanora Katolika eto Madagasikara ny andro natokana ho azy ireo dia ny JMJ Mada VIII izany. Fandalinam-pinoana amin’ny alalan’ny fiahainoana ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanazavana izany ary ny fibanjinana ny Misterin’ny fijaliana sy ny fahafatesana ary ny fitsanganan’i Jesoa ho velona no tena antom-pisian’ny JMJ araka ny namoronan’i Papa Joany Paoly II azy koa enga anie hampitombo finoana hatrany ny tanora Malagasy rehetra izao fankalazana JMJ Mada VIII izay atao any Fianarantsoa izao. Farany dia mitalaho mandrakariva ny fahasoavan’Andriamanitra isika mba hahay hanetry tena ka tsy hihevi-tena ho ambony sy ho lehibe fa hanolo-tena tahaka an’i Jesoa nahafoy ny ainy mba ho fanavontana antsika.


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.1097 s.] - Hanohana anay