Izaho no Mofon’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony

Alahady 02 Aogositra 2015

Alahady Faha – 18 tsotra Mandavan-taona (Taona B)


 

« Izaho no Mofon’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay » (Jo. 6, 35)

 

Ny Evanjely izay mitantara ny nampitomboan’i Jesoa ny mofo dimy sy ny hazandrano roa no naroson’ny Fiangonana ho dinihintsika tamin’ny Alahady heriny. Tsaroantsika tsara ny voalazan’io Evanjely io fa nony nahita ny fahagagana nataon’i Jesoa ireo rehetra nanatrika ny fampitombona ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia nanao hoe : « Ity tokoa no ilay Mpaminany ho avy amin’izao tontolo izao. Dia fantatr’i Jesoa fa ho avy haka Azy an-keriny hatao mpanjaka izy ireo, ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra » (Jo. 6, 14 – 15). Rehefa tsy nahita an’i Jesoa tokoa ny vahoaka dia lasa nitady azy araka ny voalazan’ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao Alahady Faha – 18 tsotra Mandavan-taona izao. « Tamin’izany andro izany, nony hitan’ny vahoaka fa tsy teo i Jesoa na ny mpianany, dia niondrana tamin’ny sambo izy ireo ka nankany Kafarnaôma hitady an’i Jesoa. Ary rehefa hitany teny an-dafin’ny ranomasina Izy, dia nilazany hoe : Raby, oviana no tonga teto Ianao? » (Jo. 6, 24 – 25).

Fantatry Jesoa mazava tsara ny antony tena itadiavan’ireto vahoaka ireto azy ka tsy nisalasala izy niteny mafy azy ireo mba tsy hovariana amin’ny fahagagana hita maso fa hijery lavi-davitra kokoa ka hikatsaka izay tena mahasoa ara-panahy. Araka ny voalazan’ity Evanjely androany ity dia « namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe : Lazaiko marina dia marina aminareo : ianareo no mitady Ahy dia tsy noho ny nahitanareo fahagagana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky. Miasà ianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia izay homen’ny Zanak’Olona anareo ; fa Izy no nasian’Andriamanitra tombo-kase » (Jo. 6, 26 – 27). Hita taratra amin’ny valin-tenin’i Jesoa eto fa ny teny mafy ireto vahoaka nitady azy ireto izy. Mazava araka izany fa sady be fitiavana sy be fangorahana izy no mahasahy miteny ny marina ihany koa ka tsy misalasala miteny mafy sy mananatra rehefa mahita fa tsy araka ny tokony ho izy ny fihetsika sy ny fisainan’ireo olona mitady azy.

Manoloana io teny nataon’i Jesoa io dia nanontany azy ny vahoaka ny amin’izay tokony hataon’izy ireo. Ambaran’ny Evanjely mazava tsara araka izany fa « hoy izy ireo taminy : Inona àry no hataonay mba hiasanay ny asan’Andriamanitra? Namaly i Jesoa ka nanao tamin’izy ireo hoe : Izao no asan’Andriamanitra, dia ny hinoanareo Ilay nirahiny. Fa hoy ireo taminy : Inona àry no fahagagana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona no asa ataonao? Ny razantsika nihinana ny mana tany an’efitra araka ny voasoratra hoe : Mofo avy any an-danitra no nomeny azy hohaniny. Dia hoy i Jesoa taminy : Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy i Môizy no nanome anareo ny Mofo avy any an-danitra izay tena izy tokoa ; satria izay Mofo midina avy any an-danitra manome ny fiainana an’izao tontolo izao no Mofon’Andriamanitra. Ary hoy izy ireo taminy : Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany Mofo izany. Dia hoy i Jesoa taminy : Izaho no Mofon’aina ; izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay » (Jo. 6, 28 – 35).

Vakiteny I : Eks. 16, 2 – 4. 12 – 15

Tononkira : Sal. 77. 3 – 4bd. 23 – 24. 25 sy 54

Vakiteny II : Efez. 4, 17. 20 – 24

Evanjely : Jo. 6, 24 – 35

Mazava ny valintenin’i Jesoa manoloana ny fanontanian’ny vahoaka manao hoe : Inona àry no hataonay mba hiasanay ny asan’Andriamanitra? Araka ny voalazany dia ny hinoan’izy ireo ilay nirahiny no asan’Andriamanitra. Tsy ho an’ireo vahoka ireo ihany no nanaovan’i Jesoa ity fampianarana ity fa ho antsika vita Batemy rehetra izay manara-dia azy ihany koa. Araka izany dia ny finoana no asa voalohany indrindra tokony ho tanterahina raha tiantsika ny hanara-dia marina an’i Jesoa. Tena zava-dehibe tokoa ny fikolokoloana izay fonoana noraintsika tamin’ny Batemy izay ka tsy maintsy ataontsika anton’asa sy loha laharana amin’ny zavatra rehetra. Io maha zava-dehibe ny finoana io indrindra no mahatonga antsika tsy miasa rehefa amin’ny Alahady fa mandeha mivavaka any am-piangonana. Tsy hoe tsy manan’asa hatao isika na kamo tsy te-hiasa ka mandany andro any am-piangonana rehefa Alahady fa io fandehanana mivavaka io mihitsy no tena asa lehibe sy ambony indrindra araka ny anasan’i Jesoa antsika amin’ity Evanjely ity manao hoe : « Miasà ianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia izay homen’ny Zanak’Olona anareo ; fa Izy no nasian’Andriamanitra tombo-kase ».

Ny hanina maharitra amin’ny fiainana mandrakizay tian’i Jesoa hambara eto dia ny « Mofo midina avy any an-danitra manome ny fiainana an’izao tontolo izao », araka ny nambarany tamin’ireo vahoaka nihaino azy. Isika ihany koa dia tahaka ireo vahoaka ireo ka tsy misalasala mangataka aminy manao hoe : « Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany Mofo izany ». Tahaka ny efa nambarany tamin’ny vahoaka dia mamaly antsika izy manao hoe : « Izaho no Mofon’aina ; izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay ». Io Mofon’aina io no raisintsika amin’ny Eokaristia izay ihinanantsika ny Vatan’i Kristy sy isotroantsika ny Rany. Ny Eokaristia no hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay ka mahatonga antsika hanantena fa handova ny lanitra araka ny fampianarana hita ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika manao hoe : « avy amin’izany fanantenana lehibe izany, fanantenana ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao izay hanjakan’ny fahamarinana, dia tsy manana antoka tena marina sy famantarana tena miharihary, afa-tsy ny Eokaristia isika. Noho izany, isaky ny ankalazaina io mistery io, dia “mamokatra ny tsanganasam-panavotana antsika”, ary isika “no mamaky ny mofo iray ihany izay fanafodin’ny tsy fahafatesana, fanefitra mba tsy ho faty, fa mba ho velona ao amin’i Jesoa-Kristy mandrakizay » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 1405). Miara-mivavaka ary isika amin’izao Alahady Faha – 18 tsotra Mandavan-taona izao mba tena hisy vokany eo amin’ny fiainantsika tokoa ny fandraisana ny Eokaristia sy ny fahazotoantsika mivavaka isan’Alahady izay anaovantsika ny asan’Andriamanitra, dia ny finoantsika an’i Jesoa Mofon’aina, Ilay nirahiny ka manome aina vaovao ho antsika.


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099