Izaho no foto-boaloboka ary ianareo no sampany

Alahady 03 mey 2015

Alahady Faha-5 amin’ny Paka (Taona B)

« Izaho no foto-boaloboka ary ianareo no sampany. Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be » (Jo. 15: 5)

Ny Evanjely tamin’ny Alahady heriny no nilazan’i Jesoa tamintsika fa izy no Mpiandry ondry tsara nirahin’Andriamanitra Ray hamonjy antsika olombelona tamin’ny nanolorany ny tenany hampijaliana ka maty teo amin’ny Hazofijaliana saingy nitsangan-ko velona tamin’ny andro fahatelo. Amin’izao Alahady Faha-5 amin’ny Paka izao kosa dia ambarany fa izy no foto-boaloboka. Ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity tokoa no milaza fa : « tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe : Izaho no tena foto-boaloboka, ary ny Raiko no mpamboly. Ny sampana rehetra tsy mamoa eo amiko dia esoriny, ary izay rehetra mamoa dia rantsanany mba hampamoa azy bebe kokoa » (Jo. 15, 1 – 2). Araka ny voalaza amin’ity Evanjely ity dia i Jesoa no foto-boaloboka ary ny Ray no mpamboly. Mampiseho amintsika izany fa tena nisy fifandraisana lalaina tokoa teo amin’i Jesoa sy ny Ray izay naniraka azy hamonjy antsika olombelona mpanota.

Io fampisehoan’i Jesoa ny fifandraisana lalina nisy teo aminy sy ny Ray io dia ahitana taratra ihany koa ny fifandraisana misy eo amin’Andriamanitra Ray sy ny mpianatra ary isika izay manara-dia an’i Jesoa satria azo oharina amin’ny fikarakarana izay tsy maintsy ataon’ny mpamboly rehefa mikarakara tanim-boaloboka ny fitiavan’Andriamanitra Ray antsika amin’ny fikarakarany antsika sy nanomezany antsika an’i Jesoa Zanany izay foto-boaloboka iorenantsika vita Batemy rehetra. Araka izany dia ny fiombonantsika amin’i Jesoa foto-boaloboka no ahafahantsika manana fifandraisana lalina amin’ny Ray izay manome ny fahasoavana rehetra ilaintsika. Raha tsy miombona amin’ny foto-boaloboka izany isika dia tsy ho afaka handray velively io fahasoavana avy amin’Andriamanitra Ray io ka izany no nilazan’i Jesoa hoe : « efa madio ianareo izao, noho ny fampianarana nataoko taminareo. Mitomoera ao amiko, ary Izaho hitoetra ao aminareo. Fa ny sampana izay tsy miray amin’ny foto-boaloboka, tsy mahazo mamoa ho azy, ary toy izany koa ianareo raha tsy mitoetra ao amiko. Izaho no foto-boaloboka ary ianareo no sampany. Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be, satria raha tsy Izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo » (Jo. 15, 4 – 5).

Mazava ny filazan’i Jesoa eto fa izy no foto-boaloboka ary isika manara-dia azy no sampana koa izay mitoetra ao aminy sy itoerany no mamoa be, satria raha tsy izy dia tsy mahefa na inona na inona isika. Noho izany indrindra no anamafisany fa izay tsy mitoetra ao aminy dia ariana any ivelany ka tsy afaka hanana anjara amin’ny fahasoavana izay omeny amin’ny maha iraky ny Ray azy. Hoy indrindra i Jesoa amin’ity Evanjely ity hoe : « izay tsy mitoetra ao amiko dia ariana any ivelany tahaka ny sampana ka maina ; ary hangonina ny sampana ka hatsipy ao anaty afo, dia may » (Jo. 15, 6). Midika izany fa ny fiombonana amin’i Jesoa foto-boaloboka no antoka hahazoantsika ny fiainan-tsambatra mandrakizay miaraka aminy. Ny tsy fitoerana ao aminy kosa dia mitarika antsika any amin’ny fahaverezana ka mety hahatonga antsika ho tahaka ny sampana maina izay hatsipy ao anaty afo, dia may. Raha tiantsika ary ny hahazo ny famonjena dia tsy maintsy mitoetra ao amin’i Jesoa mandrakariva isika amin’ny alalan’ny fihainoana ny Teniny. Izany rahateo no voalazany amin’ity Evanjely ity manao hoe : « raha mitoetra ao amiko ianareo, ka mitoetra ao aminareo ny teniko, dia hangataka izay tianareo ianareo, ka hatao aminareo izany. Ho voninahitra ho an’ny Raiko raha mamoa be ianareo sy tonga mpianatro » (Jo. 15, 7 – 8).

Ity fanoharan’i Jesoa ny tenany amin’ny foto-boaloboka ity dia mampiseho miharihary amintsika fa tena tia antsika tokoa izy ka na olombelona mpanota aza isika dia tsy nolaviny fa nekeny hiray aina aminy tahaka ny foto-boaloboka sy ny sampana izay tsy afa-misaraka fa mitambatra mandrakariva mba hahafahany manome vokatra. Mazava ho azy fa ity Evanjely androany ity dia aroson’ny Fiangonana ho antsika mba hanampy antsika handini-tena sy hanamafy hatrany ny fiombonantsika amin’i Jesoa izay fototra iraisan’ny vita Batemy rehetra. Tokony hotsaroantsika mandrakariva anefa fa ny sampana miray amin’ny foto-boaloboka dia maro fa tsy sampana iray monja tsy akory. Tahaka izany ihany koa isika, tsy irery isika miombona amin’i Jesoa fa ny vita Batemy rehetra no asainy hiombona aminy tahaka ny sampana maro miray amin’ny foto-boaloboka. Noho izany, mba hisian’ny fahalavorariana tanteraka dia tsy maintsy miezaka ihany koa isika hiombona amin’ny sampana hafa. Izany hoe, tsy maintsy miezaka ihany koa isika samy isika mba hifankatia sy hifanampy satria samy sampana iray ao amin’i Jesoa. Izany rahateo no anasan’i Md. Joany antsika ao amin’ny Vakiteny Faharoa androany manao hoe : « ary izao no didiny, dia ny hinoantsika an’i Jesoa Kristy Zanany, sy ny hifankatiavantsika, araka ny didy nomeny antsika. Izay mitandrina ny didiny, dia mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy; ary ny ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika izy, dia ny Fanahy izay nomeny antsika » (1 Jo. 3, 23 – 24).

Voalazan’i Jesoa mazava tsara amin’ity Evanjely androany ity moa fa ho voninahitra ho an’ny Rainy isika raha mamoa be sy tonga mpianany, koa miara-mivavaka isika amin’izao Alahady Faha-5 amin’ny Paka izao mba tena hiombona tanteraka amin’i Jesoa foto-boaloboka sy amin’ny namana izay tahaka ny sampana maro tsy afa-misaraka amin’ny fototra. Manasa antsika i Jesoa androany mba tena hitoetra ao aminy marina tokoa satria raha mitoetra ao aminy isika, ka mitoetra ao amitsika ny Teniny, dia hangataka izay tiantsika isika, ka hatao amintsika izany. Amin’ny alalan’ny fihainoantsika matetika ny Tenin’Andriamanitra no fomba tsara indrindra ahafahantsika mitoetra ao amin’i Jesoa sy itoerany ihany koa. Noho izany dia tsy maintsy miezaka mandrakariva isika amin’ny fahazotoana mivavaka, indrindra amin’ny fihainoana ny Teniny isan’andro sy isan’Alahady.

Manaraka izany dia amin’ny alalan’ny Eokaristia no ahafahantsika tena miombona tanteraka amin’i Jesoa satria isaky ny mandray io Sakramentan’ny Eokaristia io isika dia tsy isika intsony no velona fa i Jesoa mihitsy no velona ao anatintsika. Midika izany fa ny Eokaristia no famantarana hita maso fa tena velona ao amin’ny Kristy tokoa isika ary lasa ratsam-batana iray miaraka aminy. Enga anie izao fankalazantsika ny Alahady Faha-5 amin’ny Paka izao hanampy antsika handini-tena marina tokoa ka raha sendra nisy ireo toetra izay tsy nampiombona antsika tamin’i Jesoa sy tamin’ny namana dia hangataka mandrakariva ny fahasoavany isika mba hahamendrika antsika ho anisan’ny sampana mitondra vokatra ka ho afaka handova ny hasambarana mandrakizay fa tsy sanatria ho tahaka ny sampana maina ka hatsipy any anaty afo, dia may. Tena fanirian’i Jesoa tokoa ny hiombonantsika tanteraka aminy koa aoka ary isika samy hiezaka hanara-dia azy sy hamaly izay faniriany izay amin’ny seha-piainana misy antsika tsirairay avy satria izy no efa niteny tamintsika nanao hoe : « Mitomoera ao amiko, ary Izaho hitoetra ao aminareo ».



 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102