Inona no hataonay, ry mpampianatra ô

Alahady 13 desambra 2015

Alahady Fahatelo amin’ny Fiaviana (Taona D)

« Inona no hataonay, ry mpampianatra ô? »

(Lk. 3: 12)


 

Ny Alahady Fahatelo amin’ny Fiaviana no ankalazaintsika androany. Midika izany fa miditra tsikelikely amin’ny fankalazana ny fetin’ny Noely isika ary azo heverina fa samy miomana amin’izany daholo isika rehetra araka ny anentanan’ny Fiangonana antsika amin’izao Fiaviana izao. Efa nambarantsika tamin’ny fifampizarana izay naroso teto tamin’ny Alahady voalohany amin’ny Fiaviana fa matetika dia ny fihetsiketsehana ety ivelany no saika mahasarika ny ankamaroan’ny olona amin’izao fotoana iomanana amin’ny Noely izao. Maro no variana fotsiny ihany amin’ny fanomanana izay hitafiana sy hohanina ary hosotroina ka zary manadino ny tena hevitra fonosin’ity fety lehibe ity. Efa voalazantsika tamin’izany fa tsy hoe ratsy ny manana fitafiana vaovao na manomana sakafo sy zava-pisotro isan-karazany iarahan’ny mpianakavy mifaly rehefa tonga ny Noely, saingy tsy izay no tokony hatao loha-laharana. Ny tena anasana antsika dia ny fiomanam-panahy amin’ny alalan’ny fahazotoana mivavaka sy mandray ny Sakramenta samihafa izay manampy antsika hiombona amin’i Jesoa tanteraka.

Vakiteny I : Sof. 3: 14 – 18

Tononkira : Iz. 12: 2 – 3, 4, 5 – 6

Vakiteny II : Fi. 4: 4 – 7

Evanjely : Lk. 3: 10 – 18

Ho fanampin’ny fahazotoana mivavaka sy mandray Sakramenta dia anisan’ny fiomanana amin’ny Noely ihany koa ny fahaizana mifampizara izay ananana ka manome fitafiana ireo izay zara fa mitafy ary manome hanina ireo noana. Izany indrindra no ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany satria « tamin’izany andro izany, nanontanian’ny vahoaka i Joany nataony hoe : Inona àry no hataonay ? Dia namaly izy ka nanao hoe : Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ny tsy manana ; ary izay manan-kanina dia aoka hanao toy izany koa » (Lk. 3: 10 – 11). Misolon-tena antsika vita Batemy rehetra ireto vahoaka niresaka tamin’i Joany ireto ka nanontany azy izay tokony hatao amin’izao fotoana iomanana amin’ny Noely izao. Natao ho antsika ihany koa ireo valin-teny nomeny ireo ka tsy maintsy miezaka mandrakariva isika mba hahay hifanasoa ka hanampy ireo izay tena sahirana amin’ny fiainana andavan’andro. Marina fa na isika ihany koa aza dia mety sahirana ary tsy manan-katolotra saingy tsy ny hamaron’ny zavatra omentsika ny hafa no jerena fa ny fontsika izay vonona ny hifampizara sy hifanasoa ao anatin’ny fitiavana marina.

Tsy ny vahoaka ihany anefa no nanontany an’i Joany ny amin’izay tsy maintsy hataon’izy ireo fa nanao izany ihany koa ny poblikanina sy ny miaramila araka ny ambaran’ity Evanjely androany ity manao hoe : « ary nisy poblikanina nanatona hataony batemy koa, ka nanao taminy hoe : Inona no hataonay, ry mpampianatra ô ? Dia hoy izy taminy: Aza mampandoa mihoatra noho izay nasaina alainareo. Ary nisy miaramila koa nanontany azy hoe : Ary izahay kosa, inona no mba hataonay ? Dia hoy ny navaliny azy : Fadio ny fanaovana an-keriny sy ny fitorohana, ary mahaiza mianina amin’izay karamanareo » (Lk. 3: 12 – 13). Fantantsika tsara fa ny poblikanina dia ireo olona manana andraikitra manokana mahakasika ny fitantanana ny raharaham-bahoaka. Tafiditra amin’izany ireo mpitondra fanjakana isan’ambaratongany sy ireo tompon’andraikitra amin’ny sehatra maro samy hafa, koa mampahatsiaro azy ireo sy ny miaramila ity Evanjely ity mba hanao tsara ny asan’izy ireo.

Mazava ny fampianaran’ny Joany eto fa tsy mahazo mampandoa mihoatra noho izay nasaina alaina izy ireo. Izany dia nohamafisiny amin’ny filazany tamin’ny miaramila fa tsy maintsy mifady ny fanaovana an-keriny sy ny fitorohana izy ireo, ary tsy maintsy mahay mianina amin’izay karama efa voafaritra fa horaisin’izy ireo. Tena misy tokoa amin’izao fotoana iomanana amin’ny fety izao ireo manam-pahefana manararaotra ka manao tsindrio fa lavo ary mampandoa vola be mihotra izay tsy tokony ho izy. Iaraha-mahalala rahateo ny fisian’ireo mpitondra sy mpitandro ny filaminana izay tsy maty manota amin’ny fanaovana kolikoly fa tsy miaina amin’izay karamany ary tena manao an-keriny tokoa. Mampahatsiaro azy ireo ny Fiangonana amin’izao Alahady Fahatelo amin’ny Fiaviana izao mba hiova toetra sy hibebaka ka hiaina amin’ny fahamarinana sy hiala amin’ny tsy rariny sy ny fanararaotana isan-karazany manoloana ny andraikitra sahanin’izy ireo. Tena anisan’ny zavatra mampitaraina ny olona maro ankehitriny ny resaka kolikoly sy fanaovana tsinontsinona ny tsy manam-bola. Maro amin’ireo tompon’andraikitra aram-panjakana no manao izany. Ety ivelany anefa dia miseho ho tena mpivavaka sy Kristianina mafana fo. Manoloana izany dia tsy maintsy miezaka izy ireo hampifanaraka ny fiainany andavan’andro amin’ny Batemy noraisiny ka na dia ho amin’izao fotoanan’ny Fiaviana izany ihany aza dia ampahatsiahivina izy ireny fa tsy mifanaraka amin’ny maha Kristianina ny fanaovana kolikoly, indrindra moa ny fanovana an-keriny sy fakana ny fananan’olona tsy an-drariny.

Farany dia ambaran’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika anadroany ity fa : « mbola niandry ny olona, sy samy nisaina tao am-pony fa i Joany angaha no Kristy, dia niteny i Joany ka nanao tamin’izy rehetra hoe : Izaho manao batemy anareo amin’ny rano, fa avy Ilay mahery noho izaho, ary tsy mendrika hanala ny fehikapany akory aho : Izy no hanao Batemy anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo ; eny an-tanany ny fikororohany ary hodioviny ny famoloany, ka ny vary hangoniny ao an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany any amin’ny afo tsy mety maty. Fananarana maro hafa koa no nentiny nitory ny Evanjely tamin’ny olona » (Lk. 3: 14 – 18). Ambaran’i Joany mazava tsara amin’ity Evanjely ity fa tsy izy no Kristy na dia samy nisaina izany tao am-pony aza ny olona tonga nihaino azy. Ampahafatariny fa rehefa ho tonga amim-boninahitra i Kristy dia hanao Batemy izay mino azy amin’ny Fanahy Masina sy ny afo ary hitsara ny olona rehetra araka izany nataony avy ka ireo izay niaina ny finoana dia hiaraka aminy ho sambatra mandrakizay any andanitra fa ireo izay variana amin’ny fanaovana an-keriny sy manararaotra ny hafa amin’ny fanaovana kolikoly kosa dia ho tahaka ny mololo ary hodorana any amin’ny afo tsy mety maty.

Voalaza fa fananarana maro hafa koa no nentin’i Joany nitory ny Evanjely tamin’ny olona, koa amin’izao fotoana iomanantsika amin’ny Noely izao dia antsoina ihany koa isika mba hihaino hatrany izany fampianarana ambaran’ny Evanjely izany. Tahaka ny nataon’i Joany dia mananatra antsika ihany koa ny Fiangonana amin’ny alalan’ireo mpandraharaha masina isan-tokony, indrindra ny Pretra izay mitory ny Vaovao Mahafaly sy mizara ny Sakramenta amintsika. Miara-mivavaka isika mba tena hiezaka marina tokoa hanaraka ny fampianarana izay omen’ny Evanjely antsika ka hahay hifanasoa sy hifampitsinjo mandrakariva. Enga anie ny fahasoavan’Andriamanitra no hitari-dalana antsika hatrany araka ny voalazan’i Md Paoly amin’ny Vakiteny faharoa androany manao hoe : « Ry kristianina havana, mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo ; eny, averiko indray: mifalia e ! aoka ho fantatry ny olona rehetra ny hamoram-panahinareo : efa akaiky anie ny Tompo e ! Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona. Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra » (Fil. 4, 4 – 7).



 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0123