Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra

Alahady 18 janoary 2015

Alahady Faha-2 tsotra Mandavantaona (Taona B)

« Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra » (Jo. 1, 36)

Araka ny nambarantsika tamin’ny Alahady heriny dia ny fankalazana ny Batemin’ny Tompo no amaranana ny fankalazana ny Noely izay niarahantsika nibanjina ny Mistery nahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo. Io Alahady nankalazana ny Batemin’ny Tompo io ihany koa no Alahady tsotra voalohany mandavantaona. Mazava ho azy fa ny Alahady Faha-2 tsotra Mandavantaona no ankalazaina androany ka anomezan’ny Fiangonana antsika ny Evanjely izay milaza indrindra ny nampahafantaran’i Joany Batista fa i Jesoa no Zanak’ondrin’Andriamanitra, tonga hamonjy ny olombelona rehetra. Ity Evanjely androany ity no mampianatra antsika fa taorian’ny nanaovana Batemy azy dia niatrika avy hatrany ny asa izay nanirahan’Andriamanitra Ray azy Jesoa. Tsy afaka hahavita irery izany asam-pamonjena izany anefa izy fa tsy maintsy nitady namana hanampy azy ka izany indrindra no nitondran’i Joany Batista ireo mpianany hanantona an’i Jesoa sy ho tonga mpianany ihany koa. « Tamin’izany andro izany, teo i Joany sy ny mpianany roa lahy, ka hoy izy nahatazana an’i Jesoa nandalo: “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra”. Nandre izany ireo mpianany roa lahy ireo, dia nanaraka an’i Jesoa. Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy ireo nanaraka Azy, dia nanao taminy hoe: “Inona no tadiavinareo?” Ary hoy izy ireo taminy: “Raby, (izany hoe, ry Mpampianatra, raha adika) aiza Ianao no mitoetra?” Dia hoy Izy taminy: “Avia fa ho hitanareo”. Dia nandeha izy ireo ka nahita izay nitoerany, sy nitoetra teo aminy tamin’iny andro iny; ary tokony ho tamin’ny ora fahafolo tamin’izay » (Jo. 1: 35 – 39).

Hita miharihary amin’ity Evanjely ity fa tanteraka tokoa ny filazan’i Joany Batista hoe : « tsy Kristy aho, fa nirahina hialoha azy. Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan’ny mpampakatra izay mitsangana eo sy mihaino azy, dia faly tokoa mandre ny feon’ny mpampakatra ; ary izany hafaliana izany no tanteraka amiko. Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena » (Jo. 3: 28 – 30). Faly tokoa i Joany Batista tamin’ny fahatongavan’i Jesoa Mpamonjy ary noho izy nirahina hialoha azy dia nanomana ny fahatongavany ka rehefa hitany fa nanomboka ny asa nanirahan’i Ray azy i Jesoa dia nampahafantariny mazava tsara ireo mpianany fa tsy izy no Kristy fa mpialoha lalana fotsiny ihany izy. Rehefa nahalala ary ireo mpianatr’i Joany Batista ireo fa i Jesoa no ilay Mesia nandrasana dia tsy nisalasala izy ireo nanara-dia azy. Ity fihetsika nataon’i Joany Batista manoloana an’i Jesoa ity dia fakan-tahaka ho antsika ihany koa amin’ny fifandimbiasan-toerana. Zavatra fahita amin’ny fiainantsika tokoa ny tsy fahaizana manome toerana ny hafa fa mihevi-tena ho mahavita azy ka lasa tsy miraharaha ny hafa. Maro moa ny fomba mety hisehoan’izany fa anjaran’ny tsirairay no mandini-tena sy mianatra ny nataon’i Joany ka mihevitra ny tena ho ambany ka hiezaka mandrakariva hanandratra ny hafa.

Ambaran’ity Evanjely ity fa « i Andre rahalahin’i Simôna Piera no anankiray tamin’izy roa lahy izay nandre ny tenin’i Joany ka nanaraka an’i Jesoa. Ary ny olona voalohany nifanena taminy kosa dia i Simôna rahalahiny ka nilazany hoe : “Efa hitanay ny Mesia” (izany hoe i Kristy, raha adika). Dia nentiny nankany amin’i Jesoa izy, ka nony nijery azy i Jesoa i dia nanao hoe : “Ianao no i Simôna zanak’i Joany ; hatao hoe i Sefasy ianao”, izany hoe, Piera (vato) » (Jo. 1: 40 – 42). Ity nataon’i Andre rahalahin’i Simôna Piera ity dia mampiseho miharihary fa ny finoana an’i Jesoa Kristy dia manainga antsika vita Batemy rehetra hitarika ny mpiara-belona amintsika hanatona ny Mesia dia i Kristy Zanak’Andriamanitra tonga hamonjy antsika. Mila fifanampiana tokoa ny fiainana ny finoana marina, satria raha ity Evanjely nosoratan’i Md Joany izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity no dinihina lalina dia hita fa i Piera, vato nanorenan’i Kristy ny Fiangonana dia tsy nahalala ny Mesia raha tsy netin’i Andre rahalahiny ho any aminy. Isika ihany koa dia mila mifampitaona sy mifamporisika mba ho afaka hahita an’i Jesoa marina tokoa amin’ny maha Kristianina antsika. Maro ny zavatra azontsika atao amin’izany fa fomba iray tsotra dia tsotra ahafahantsika mifampitaona hanatona an’i Jesoa ny famporisihana ny namana hazoto mivavaka sy mandray Sakramenta. Noho izany raha sendra misy ireo kamokamo na malaina ny handeha hamonjy fiangonana dia anjarantsika rehetra no manao tahaka an’i Andre nitondra an’i Simôna Piera hahita an’i Jesoa.

Voaloazan’ity Evanjely androany ity mazava tsara ihany koa fa nony nijery an’i Simôna Piera i Jesoa dia nanao hoe : « Ianao no i Simôna zanak’i Joany ; hatao hoe i Sefasy ianao”, izany hoe, Piera (vato) ». Efa hatramin’ny andro voalohany nahitan’i Jesoa azy i Piera no nampahafatarina fa izy no vato ary eo ambon’izany vato izany no hanorenan’i Jesoa ny Fiangonany. Midika izany fa efa hatramin’ny voalohany mihitsy no nakinin’i Jesoa tamin’i Piera ny fitantanana ny Fiangonana. Io fahefana noraisin’i Piera io no ifandovana ato amin’ny Fiangonana ary mbola tsy rava fa mitohy hatrany ka ankehitriny dia ny Papa François dimbin’i Piera no mitondra ny Fiangonana. Izy no vato iorenan’ny Fiangonana naorin’i Kristy. Ity Evanjely androany ity, noho izany dia mampahatsiaro antsika fa i Kristy ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra mihitsy, araka ny nampahafatarin’i Joany Batista ny mpianany azy, no miantso antsika ihany koa handray anjara amin’ny asam-pamonjena tanterahiny. Tsy afaka ny handeha irery anefa isika amin’izany fa tsy maintsy miombona mandrakariva amin’ny Fiangonana izay nankinin’i Jesoa tamin’i Piera sy ny dimbiny. Noho izany dia manana adidy lehibe isika tsirairay avy amin’ny fanamafisana orina ny asam-pamonjena rehetra tanterahin’ny Fiangonana.

Miara-mivavaka ary isika amin’izao Alahady Faha-2 tsotra Mandavantaona izao mba tena hanatona an’i Jesoa amim-pinoana tokoa amin’ny alalan’ny fahazotoana mihaino ny Teniny sy mandray ny Vatany Masina ao amin’ny Eokaristia. Ampahatsiahivina antsika ihany koa fa androany no manomboka ny herinandro antokana hivavahana ho an’ny firaisan’ny Mpino. Rehefa niantso an’i Piera i Jesoa dia tsy nieritreritra velively hanorina Fiangonana maromaro fa Fiangonana tokana ihany no naoriny. Noho izany dia miara-mivavaka ihany koa isika amin’izao Alahady Faha-2 tsotra Mandavantaona izao mba hiezaka mandrakariva hamerina indray izay fiombonana izay amin’ny alalan’ny fifanantonana eo amin’ny samy vita Batemy. Izany dia tsy maintsy atao ao anatin’ny fifanajana sy fahalahan-tsaina tanteraka satria matetika ny tsy fisian’io fifanajana io no mitarika fisarahana sy fifanavakavahana. Maniry antsika himobona ho iray i Jesoa koa enga anie izao herinandro iaraha-mivavaka ho an’ny firaisan’ny Mpino izao hanampy antsika handini-tena amin’ny finoana ianantsika tsirairay avy aloha ary hifampizara izany amin’ny hafa na dia mbola samy zarazarain’ny trano fiangonana samy hafa aza isika.

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098