Alahady 12 aprily 2015
Alahady faharoan’ny Paka (Taona B)
« Ho aminareo anie ny fiadanana ! Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa » (Jo. 20: 21)
Mankalaza ny Alahady faharoan’ny Paka isika androany koa ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika fa ny harivan’ny nitsanganany tamin’ny maty ihany dia efa niseho tamin’ny mpianatra nivory tao an-trano i Jesoa. Efa voalazantsika tamin’ny Alahady heriny fa tena nitsangana tamin’ny maty tokoa i Jesoa. Ekena fa tsy nisy nahita izay zava-niseho marina tamin’ny fotoana nitsanganany ho velona saingy ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ny mpianatra no manambara mazava tsara amintsika fa nitsangan-kovelona tokoa izy. Ny voalazan’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana androany ity dia porofo mazava tsara manambara amintsika fa tena nitsangana tamin’ny maty tokoa izy ary vavolombelon’izany ireo mpianatra nivory tao an-trano nahita azy niseho tamin’izy ireo. « Nony hariva ny andro voalohany amin’ny herinandro, raha nirindrina ny varavaran’ny trano nivorian’ny mpianatra noho ny fahatahorany ny Jody, dia tonga i Jesoa ka nitsangana teo afovoany, sy nilaza tamin’izy ireo hoe: “Ho aminareo anie ny fiadanana !” Nony efa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ireo ny tanany sy ny tratrany, ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo. Dia hoy indray Izy tamin’izy ireo: Ho aminareo anie ny fiadanana ! Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa » (Jo. 20 : 19 – 21).
Raha dinihintsika lalina ny voalazan’ity Evanjely ity dia naverin’i Jesoa indroa ny filazany hoe : « Ho aminareo anie ny fiadanana ». Midika izany fa ny hitondra fiadanana ho an’izao tontolo izao no nahatongavany ka tamin’ny alalan’ny fanolorany ny tenany hijaly sy hofaty ary nitsangan-ko velona no nanatanterahany izany. Io fiadanana netin’i Jesoa io no manambara ny famindram-pon’Andriamanitra ho antsika olombelona rehetra ka izany no iantsoana ity Alahady faharoa amin’ny Paka ity ihany koa hoe Alahadin’ny Famindram-pon’Andriamanitra. Tsara ho marihina fa manana ny mampiavaka azy manokana ity fankalazana androany ity satria amin’izao Alahadin’ny Famindram-pon’Andriamanitra izao no anambaran’ny Papa amin’ny fomba manetriketrika ny Jobily manokana ho fankalazana ny Famindram-pon’Andriamanitra. Amin’ity taona ity izany dia tsy ny Alahady faharoa amin’ny Paka fotsiny ihany no ankalazantsika ny Famindram-pon’Andriamanitra fa mandritra ny taona mihitsy. Mbola ho avy moa ny fotoana hanokafana izany taon-jobily izany amin’ny fomba manetriketrika fa ny fanambarana ihany no nataon’ny Papa androany satria araka ny fantatra dia amin’ny 8 Desambra ho avy izao no hanombohan’io taon-jobily manokana io ary hifarana amin’ny Alahady 20 Novambra 2016, izay fotoana indrindra hankalazana ny fetin’i Kristy Mpanjaka.
Vakiteny I : Asa. 4: 32 – 35
Tononkira : Sal. 118: 2 – 4, 16ab – 18, 22 – 24
Vakiteny II : 1 Jo. 5: 1 – 6
Evanjely : Jo. 20: 19 – 31
Lehibe tokoa ny famindram-pon’Andriamanitra satria na mpanota tsy mendrika aza isika dia natolony i Jesoa Zanany hamonjy antsika, araka ny fampianaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika manao hoe : « na eo aza ny fivadihan’ny olombelona noho ny fahotana sy ny sazy izay sahaza izany. Nanambara Andriamanitra fa “manankarena famindram-po” (Efez 2, 4), ary tonga hatramin’ny nanomezany ny Zanany izany. Rahefa hanolotra ny ainy mba hanafaka antsika amin’ny fahotana i Jesoa, dia hanambara fa mitondra ny Anaran’Andriamanitra koa ny Tenany : “Rahefa voasandratrareo ny Zanak’ olona, vao ho fantatrareo fa “Izaho no Izy” (Jo 8, 28) » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 211). Maro ny asam-pamonjena notanterahin’i Jesoa mialohan’ny nahafatesany, nitory ny Vaovao Mahafaly izy, nanasitrana ny marary ary nadroaka demony, saingy mba hahatontosa izany famonjena izany, araka ny nanirahan’ny Ray azy, dia natolony hampijaliana ny tenany ka nanaiky ho faty teo amin’ny Hazofijaliana izy mba hisolo heloka antsika. Izany tokoa no tena fara-fitiavana ka anasan’ny Fiangonana antsika androany mba handinika lalina ny halehiben’ny famindram-pon’Andriamanitra amintsika.
Nanolo-tena ho faty teo amin’ny Hazofijaliana tokoa i Jesoa mba ho famonjena antsika ho afaka amin’ny gejan’ny fahotana saingy nitsangan-ko velona izy mba hahazoantsika ny fiadanana marina. Ho fanohizana izay asam-pamonjena izay dia nirahiny ny mpianatra mba hitondra ny famindram-pon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny famelana ny fahotana satria araka ny voalazan’ny Evanjely androany dia nomen’i Jesoa ny Fanahy Masina izy ireo ary nandray ny fahefana avy aminy mba hoafaka hamela ny fahotan’ny olona. « Rahefa nilaza izany izy, dia nitsoka ka nanao tamin’izy ireo hoe: Raiso ny Fanahy Masina : ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana » (Jo. 20 : 22 – 23). Mazava ho azy fa tena i Jesoa tokoa no namorona ny Sakramentan’ny famelan-keloka satria fatantsika tsara fa Andriamanitra irery ihany no mamela ny fahotana rehetra. Saingy amin’ny maha Zanak’Andriamanitra an’i Jesoa dia manana ny fahefana feno hamela ny fahotana rehetra izy ary nanome izany fahefana izany ny mpianatra. Io fahefana nomen’i Jesoa ny mpianatra io no ifandovàna ato amin’ny Fiangonana ka mahatonga antsika ihany koa ankehitriny handray ny famelana ny fahotana amin’ny alalan’ny Sakramentan’ny Fampiahavanana satria ny « Fiangonana, amin’ny fiahiany maha-reny azy, dia nanome antsika ny famindram-pon’ Andriamanitra izay mandresy ny fahotantsika rehetra sy miasa manokana ao amin’ny sakramentan’ny Fampihavanana » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 2040).
Efa nambarantsika ombieny ombieny fa tena Sakramentan’ny famindram-pon’Andriamanitra tokoa ny Sakramentan’ny Fampiahavanana. Tsy Sakramentan’ny fanamelohan-tena izy io ary tsy Sakramenta mahamenatra ihany koa fa Sakramentan’ny fitiavana izay mampiombona antsika amin’Andriamanitra sy amin’ny Fiangonana. Mitaky ezaka avy amintsika anefa ny fandraisana azy io satria raha tiantsika ny hahazo ny famelan-keloka tanteraka dia tsy maintsy miaiky ny hadisoantsika aloha isika. Izany rahateo no ambaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika ary ampianarana antsika fa : « ny fandraisana ny famindram-pony dia mitaky amintsika ny fiekena ny fahadisoantsika : “Raha milaza antsika ho tsy manam-pahotana isika, dia mamita-tena, ary tsy ao anatintsika ny marina. Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Andriamanitra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika amin’ny tsy fahamarinana rehetra” (1 Jo 1,8-9) » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 1847). Amin’izao Alahadin’ny Famindram-pon’Andriamanitra izao ary dia miara-mangataka ny Fanahy Masina isika mba hitari-dalana antsika ho vonona mandrankariva handray io Sakramentan’ny Fampiahavanana io, izay ahazoantsika ny famelan-keloka tanteraka avy amin’Andriamanitra sy ny fampihavanana amin’ny Fiangonana.
P. Louis Martin
Assomptionniste