Fa tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako

Alahady 16 Aogositra 2015

Alahady Faha – 20 tsotra Mandavan-taona (Taona B)


« Fa tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako » (Jo. 6, 51)

Vao avy nankalaza ny Nampakarana an’i Masina Maria any an-danitra isika omaly. Isaky ny 15 Aogositra tokoa dia mankalaza manokana io Fety lehibe io isika ary toy ny mahazatra dia misy hatrany ny fifampizarana ataontsika eto isa-taona rehefa mankalaza ny Nampakarana an’i Masina Maria any an-danitra. Noho ny Asabotsy sy Alahady mifanakaiky dia ataontsika mitambatra ny fifampizarana tokony ho natao omaly tamin’ny fankalazana ny Nampakarana an’i Masina Maria any an-danitra sy ny Alahady Faha – 20 tsotra Mandavan-taona izay ankalazaintsika androany. Efa fantantsika ary ambara ombieny ombieny fa ny Nampakarana an’i Masina Maria « vatana sy fanahy » any an-danitra dia foto-pinoana Katolika (Dogme) izay nambaran’i Papa Pio XII tamin’ny 1 novambra 1950. Io ilay foto-pinoana manamafy fa notorotoronina tsy azon-keloka izy ka sitrak’i Jesoa handresy miaraka aminy fa tsy foiny ho tra-pahalovana ao am-pasana fa nasandrany ho be voninahitra miaraka aminy any an-danitra.

Io fankalazana ny Nampakarana an’i Masina Maria any an-danitra io no manambara amintsika fa tena Renin’Andriamanitra tokoa izy ary i Jesoa Zanany dia tena Zanak’Andriamanitra tokoa no nanaiky ho tonga Olombelona tahaka antsika. Mazava ho azy fa ny fanajantsika manokana an’i Masina Maria dia mitarika antsika handray amim-pinoana an’i Jesoa ilay tena Andriamanitra sy tena Olombelona. Izany hoe ny fety rehetra ankalazantsika an’i Masina Maria dia tsy natao hivavahana aminy fa natao hivavahana amin’Andriamanitra Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina satria fantantsika tsara fa ny Ray no naniraka an’i Jesoa Zanany tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina araka ny nambaran’ny Anjely rehefa nilaza tamin’i Masina Maria fa hitoe-jaza izy, ka hiteraka zazalahy, ary Jesoa no hataony anarany. « Ny Fanahy Masina, hoy ny anjely namaly azy, no ho tonga ao aminao, ary ny herin’ny Avo indrindra hanaloka anao ; noho izany dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao » (Lk. 1: 35).

Araka izay fanazavana izay dia mazava tsara amintsika fa ny fankalazana ny Nampakarana an’i Masina Maria any an-danitra izay nataontsika omaly dia tsy afa-misaraka amin’ny Mistery nahatongavan’i Jesoa ho nofo. Izany hoe, amin’ny alalan’io fety io indrindra isika no mankalaza an’Andriamanitra Trinité Masina satria ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina mihitsy no miombona mandray an’i Masina Maria « vatana sy fanahy » any an-danitra. Noho izany dia tsara hamafisina sy averimberina amintsika hatrany fa tsy mivavaka amin’i Masina Maria isika rehefa mankalaza ireo fety samihafa momba azy fa kosa, midera sy mankalaza ary mivavaka amin’i Jesoa Zanany izay nanolotra ny nofony ho sakafo manome antsika ny fiainana mandrakizay. Izany indrindra no ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao Alahady Faha – 20 tsotra Mandavan-taona izao. Efa nambaran’ny Evanjely izay henontsika tamin’ny Alahady heriny ary mbola hamafisina androany ny filazan’i Jesoa manao hoe : « Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra : raha misy mihinana ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay izy, ary ny Mofo izay homeko dia ny Nofoko ho fiainan’izao tontolo izao » (Jo. 6, 51 – 52).

Vakiteny I : Oh. 9: 1 – 6

Tononkira : Sal. 34: 2 – 3, 4 – 5, 6 – 7

Vakiteny II : Ef. 5: 15 – 20

Evanjely : Jo. 6: 51 – 58

Araka ny voalazan’ity Evanjely androany ity dia nifanditra ny Jody manoloana io fampianaran’i Jesoa io. Noho izay fifandirana izay indrindra no vao maika nanamafisan’i Jeasoa fa tena fihinana ny Nofony, ary tena fisotro ny Rany ka izay rehetra mandray azy dia ho velona mandrakizay. « Dia nifanditra ny Jody nanao hoe : Hataon’ilay io ahoana àry no fanome antsika ny Nofony hohanina?” Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo : Lazaiko marina dia marina aminareo, fa raha tsy mihinana ny Nofon’ny Zanak’olona ianareo sy tsy misotro ny Rany, dia tsy manana ny fiainana ao aminareo. Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako no manana ny fiainana mandrakizay ; ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro. Fa tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako. Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako, dia mitoetra ao anatiko, ary Izaho ao anatiny. Velona ny Ray naniraka Ahy, Izaho koa dia velona amin’ny Ray : Toy izany koa no hahavelona amiko izay mihinana Ahy. Izany àry no mofo nidina avy any an-danitra: Tsy mba tahaka ny razanareo izay nihinana mana nefa maty ihany; fa izay mihinana ity mofo ity kosa dia ho velona mandrakizay » (Jo. 6, 53 – 59).

Ambaran’i Jesoa mazava tsara eto fa izay mihinana ny Nofony sy misotro ny Rany, dia mitoetra ao anatiny, ary Izy ao anatiny. Araka izany dia tsy misy isalasalana fa isaky ny mandray ny Eokaristia Masina isika dia mitoetra ao anatin’i Jesoa, ary izy mitoetra ao anatintsika. Izany indrindra no mahazava-dehibe ny famonjena Lamesa matetika satria isaky ny manao izany isika dia mandray an’i Jesoa amin’ny alalan’ny Teniny izay vakina amintsika mandritra ny Sorona Masina ary mandray ny Vatan’i Jesoa izay manolotra ny tenany ho sakofo mahavelona antsika amin’ny alalan’ny mofo sy ny divay. Tsara hamafisina hatrany ny fampianaran’ny Fiangonana mahakasika izany satria tena Vatana sy Ran’i Jesoa tokoa ny mofo sy divay hamasinin’ny Pretra mandritra ny Sorona Masina. Izany hoe tena i Jesoa velona tokoa no raisintsika ary tonga ao amintsika rehefa mandray Kômonio isika ka izany no mahatonga antsika hanana aina vaovao satria tsy isika intsony no velona fa Izy Kristy mihitsy no velona ao anatintsika araka ny voalazan’i Md Paoly (jereo Gal. 2, 20). Io Vatana sy Ran’i Kristy raisintsika io no mahatonga antsika ho velona mandrakizay miaraka aminy.

Miara-mivavaka ary isika amin’izao Alahady Faha – 20 tsotra Mandavan-taona izao mba tena handray an’i Jesoa amin’ny fo madio tokoa rehefa manao Kômonio. Marina fa olombelona mpanota isika ary tena tsy mendrika tokoa saingy tsy maintsy miezaka mandrakariva isika mba ho mendrika an’i Jesoa raisintsika. Izany no anasan’i Md Paoly antsika ao amin’ny Vakiteny Faharoa androany manao hoe: « Ry kristianina havana, tandremo tsara ny fitondran-tenanareo, aza misary adala, fa mbà hendry; hararaoty ny fotoana, fa ratsy izao andro izao. Koa aza manaonao foana, fa fantaro aloha izay sitraky ny Tompo. Aza mimamo divay, satria loharanom-pahalotoana izany; fa mifenoa Fanahy Masina ianareo. Salamo sy hira aman-tonon-kira masina no ifampiresaho; ary hira fiderana no kaloy ao am-ponareo ho voninahitry ny Tompo. Misaora an’Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika » (Ef. 5: 15 – 20). Enga anie i Jesoa Kristy Tompontsika, izay nanolotra ny Tenany ho sakafo mahavelona ka hahatonga antsika ho velona mandrakizay hanome hery antsika ka na eo aza ireo fahotana vitantsika dia miara-dalana amintsika izy ary manome aina vaovao hatrany ho antsika isaky ny mandray azy ao amin’ny Eokaristia isika.


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0645